- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Andeha hitsangatsangana ao Japana, mivantana ao amin'ny YouTube

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Tsidika, Zavakanto & Kolontsaina
nagasaki glover gardens

Glover Garden ao Nagasaki. Sary avy amin'i Nevin Thompson.

Efa ela ve ianao no te-hitsidika an'i Japana, saingy tsy mba afaka nanao izany? Na angamba tsy nanam-potoana, na lafo loatra ny tapakila fiaramanidina (sy ny zava-drehetra hafa momba ny fandehanana hiala-sasatra). Aza manahy–manao ny fitsangatsanganana rehetra ho anao ny fantsona Youtube Kappa2700s [1].

Natokana ho an'ny “Mandehandeha, Mitsangatsangana, ary Mihinana [2]“, ary nanomboka tamin'ny Jolay 2012, olona teo amin'ny dimy tapitrisa hatramin'izao no nijery ny lahatsary tao amin'ny fantsona.

Tsy sahala amin'ireo fantsona ara-barotra marobe izay mamoaka horonantsary momba ny toerana ara-pizahantany, miavaka ny fantsona kappa2700s : tsy misy fanehoan-kevitra. Fa mampiseho kosa fitsangatsanganana mangina manodidina ireo toeram-pizahantany malaza ny lahatsary.

Ny mahatonga ny lahatsary tena ilaina ho an'ny mpandehandeha na izay rehetra liana amin'i Japana dia ahitana fanamarihana amin'ny teny Anglisy ny lahatsary tsirairay, miaraka amin'ny hajia tamin'ny fotoana misy ny ny toeram-pitsangatsanganana manokana ao amin'ny lahatsary.

Ny endriky ny YouTube Kappa2700s dia ahitana lahatsary roanjato [3]farafahakeliny izay avy amin'ny ankamaroan'ny faritra ao Japana. Ireto misy ohatra vitsivitsy.

Kyoto Atsinanana

Kyoto dia iray amin'ireo toeram-pizahantany malaza indrindra ao Japana, efa nandray mpitsidika 15 tapitrisa [4]tamin'ny taona 2017. Iray amin'ireo toeram-pizahatany malaza indrindra ao an-tanàna ny ilany atsinanana, anisan'izany i Higashiyama [5]. Ny zava-nisongadina tamin'ity horonan-tsary ity dia ny faritra manodidina ny Tempolin'i Kiyomizu [6], ny manodidina an'i Gion  [7]sy Pontocho [8], lalan-kely tery ahitana toeram-pisotroana dite sy trano kely fisotroan-toaka ihany koa.

Maizuru sy Amanohashidate

Miorina ao amoron-dranomasin’ Japana mitoka-monina sy ambanivohitra tanteraka ao amin'ny prefektioran'i Kyoto, toeram-piazahantany malaza i Amanohashidate [9] (“tetezana mitsingevan'ny lanitra”) izay mbola tsy fantatry ny ankamaroan'ny mpizahatany avy any ivelan'i Japana.

Manomboka ao amin'ny Gara Osaka ny lahatsary, manana fiatoana ao amin'ny tobin'ny tafika an-dranomasina manatantara ao Maizuru [10] eny an-dàlana. Malaza amin'ny maritrano amin'ny biriky miloko mena [11] sy “curry” manga [12] tamin'ny vanim-potoana Viktôriana ity tanànan-toby an-dranomasina ity – noraisin'i Amiraly Togo [13] voalohany tany Japana tamin'ny taona 1870 ny “curry”.

Faranan'ny lahatsary amin'ny fitsidihana an'i Amanohashidate [14] ny lahatsary.

Kurashiki

Kurashiki [15], ao Okayama, any andrefan'i Japana, no toeram-pizahatany malaza iray hafa ho an'ny kura narenina na tranom-pitehirizana nentim-paharazana Japoney marobe. Ity lahatsary ity dia mandalo ao amin'ny Faritra manan-tantaran'i Kurashiki Bikan [16] ary avy eo mitsidika ny manda-lapa Okayama [17].

Matsuyama sy Dogo Onsen

Any amin'ny tendro avaratra andrefan'ny [18] nosy Shikoku, Matsuyama dia mety ho toerana malaza ranomafana indrindra amin'ny lohataona any Japana, Dogo Onsen [19].

Raha maka toerana lehibe ao amin'ny tantara noforonina tamin'ny taona 1906 Botchan [20] (坊 っ ち ゃ ん), iray amin'ireo sangan'asa literatiora malaza indrindra ao Japana miresaka ny momba ny tanàna i Natsume Sōseki, nanome aingam-panahy ny dobo filomanosana tamin'ny horonan-tsarimiaina Spirited Away [21] ny dobo filomanosam-bahoaka lehibe indrindra [22]ao Dogo Onsen.

Ity lahatsary ity dia mitsidika ny dobo filomanosana lehibe indrindra [23], sy mijanona ao amin'ny toerana fisotroana kafe mivarotra zava-pisotro [24] sy vatomamy vita amin'ny yuzu [25] sy voankazo hafa makirana maniry ao amin'ny faritr'i Matsuyama.

Nagasaki

Raha ny tanànan'i Kyushu ao Nagasaki no mety ho fantatra indrindra any ivelan'i Japana amin'ny maha-toerana nisian'ny fanafihana atomika faharoa izay namarana ny Ady Lehibe Faharoa [26], dia manana tantara lava sy manankarena ity tanàna seranan-tsambo ity noho ny fifandraisany ara-tantara amin'i Eoropa sy i Shina.

Mitsidika ny Mozean'ny baomba atomika Nagasaki  [27]sy ny Peace Park (Valan'ny Fandriampahalemana)  [28]ny lahatsary, fa misy ihany koa ny fitsidihana ny Glover Garden  [29]sy ny trano fonenan'i Thomas Glover [30] taloha, Ekosey nonina tany Nagasaki taoriana kelin'ny nisokafan'i Japana tamin'ny tontolo ivelany nanomboka tamin'ny taona 1860. Niasa ho fantsona namindra ny teknolojia Eoropeana – toy ny basy – mankany Japana i Glover, ary mety nanampy tamin'ny fanombohan'ny firenena teo amin'ny lalany mankany amin'ny Ady Lehibe Faharoa.

Tsidiho ao amin'ny YouTube ny ampahany maro amin'i Japana

Mampiseho ny talaky maso ireny fitetezantany ireny. Manana lahatsary an-jatony nalaina manerana an'i Japana ny fantsona kappa2700s, anisan'izany ny horonan-tsary maromaro nalaina tao Nara [31], renivohitr'i Japana taloha, sy Osaka [32], tanàna faharoa be vato sy marevaka ao Japana.

Raha mitady tazana momba ny tendrombohitra Fuji ianao [33], ahitana izany koa ao amin'ny kappa2700s.