- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

[Lahatsary] Antsafa niarahana tamin'i Kwanele Butana avy ao amin'ny Grocott's Mail

Sokajy: Antsafa, Mediam-bahoaka, Rising Voices

(Marihina fa tamin'ny 18 Jolay 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Mpandrindra ny fandaharanasan'ny olon-tsotra tia mampita vaovao ao amin'ny gazety Grocott's Mail [1] ao Grahamstown, Afrika Atsimo, i Kwanele Butana. Niorina tamin'ny taompolo 1870 ny gazety, ary tantanan'ny Sekolin'ny Asa Fanaovan-gazety ao amin'ny Oniversiten'i Rhodes [2] izany ankehitriny (2010). Nanomboka tamin'ny volana Septambra 2009 ny fandaharanasan'ny olon-tsotra tia mampita vaovao izay tao anatin'ny tetikasa “The News is Coming [3]” naorin'ny Knight News Challenge, ary kinasany ny hanentana ny mponina ao an-toerana mba hitatitra ny vaovao ao amin'ny vondrom-piarahamonina misy azy. Rehefa vita ny fivoriana fampiofanana nandritra ny enina herinandro izay notarihan'i Elvira van Noort [3], dia nivoaka tao amin'ny vondrom-piarahamonina ireo olon-tsotra mpanao gazety mba hitantara ireo tantara manan-danja momba ny fiainany andavanandro. Nivoaka tao amin'ny aterineto tao amin'ny pejy My Makana [4] ao amin'ny tranonkalan'ny Grocott's Mail (Makana no anaran'ny kaominina misy an'i Grahamstown) ny ankamaroan'ireo tantara. Navela hanararaotra ny mpanao gazety mba hampiseho ny sasany tamin'ny tantaran'izy ireo sy ny sary tao amin'ny dika printin'ny gazety. Ato amin'ity lahatsary fohy ity, nanazava mikasika ny fahafahana manao izany i Kwanele sy ny maha-zava-dehibe ho an'ireo olon-tsotra mpanao gazety ny miditra ho anisan'ity fandaharanasa ity