- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

FOKO: manentana feo vaovao hatrany hatrany

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Marsa 2008)

Maro dia maro no nitranga tamin'ny FOKO Madagasikara nandritra ny volana lasa. Tsy nanakana ireo mpikatroka mavitrika tsy hibilaogy ny tondra-drano sy ny krizy maha-olona nateraky ny ny rivo-doza telo samihafa tamin'ny volana Febroary. Natao tao anaty fandaharam-potoana ny atrikasa momba ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra.

Fokoopendoor.jpg [1]

Taorian'ny fahombiazan'ny atrikasa fampahalalam-baovao voalohany tao amin'ny faritanin'i Toamasina,  [2]nanohy nitrandraka feo vaovao avy amin'ireo mpianatry ny lisea ny FOKO. Manoratra [3] i Lova:

The highlight of the past week was to witness the enthusiasm of new bloggers from the JJ Rabearivelo high-school [4]. The workshop was conducted in collaboration with the United Nations Club ( CPO) [5] led by Hery. They already posted very intriguing posts about the unemployment problem for students [6] and the loss of respect for the elders in Madagascar [7].

Ny zava-nisongadina tamin'ny herinandro lasa dia ny fahitana ny fientanentanan'ireo bilaogera vaovao avy ao amin'ny lisea JJ Rabearivelo [4]. Notanterahina niaraka tamin'ny Klioban'ny Firenena Mikambana [5]notarihan'i Hery ny atrikasa. Efa nanoratra lahatsoratra tena mahaliana mikasika ny olana momba ny tsy fananana asa eo amin'ny mpianatra [6] sy ny fahaverezan'ny fanajàna ny zokiolona eto Madagasikara [7] izy ireo.

Zatovo 10  [8]avy amin'ny fikambanan'ny lisea ao Antananarivo no tonga nanatrika ny atrikasa. Efa nanambara ny fifaninanany FBC [9] manome loka kely amin'ny fiafaran'ny atrikasa ny FOKO. Raha vao nivoaka ny vaovao momba ny fifaninanana FBC, dia nazoto namoaka lahatsoratra haingana kokoa ireo mpandray anjara.

Vakio ireo lahatsoratra natao fandikan-teny tamin'ny Martsa [10] raha hijery ny songadina avy amin'ny bilaogin'ireo mpandray anjara.

Ity misy horonantsary tamin'ny atrikasa fampahalalam-baovao  [11]tamin'ny 1 Martsa 2008 ahitana ireo mpianatra ambaratonga vonona amin'ny DotSub misy dikantsoratra Anglisy.

foko-blog-club5.jpg [12]

Nampiditra mpikambana mavitrika tokoa avy amin'ny fikambanan'ny mpianatry ny lisea ny FOKO ao Antananarivo ary nanasa azy ireo hanatevin-daharana ny  Fifaninanana Film Your Issue (Alaivo sary izay lohahevitrao) [13] notohanan'ny ONU, Yahoo ary MySpace, izay manome fahafahana ho an'ireo tanora manerantany mba haneho lohahevitra akaikin'ny fony.

Nanome tolo-tsaina sy toro-hevitra hanampy azy ireo hamokatra, hanova sy hampiditra lahatsoratra i Stéphane sy Hery avy amin'ny ekipan'ny FOKO. Efa nisy lahatsary maromaro [14] sahady nampidirin'ny mpianatra ary maro kokoa no mbola ho avy alohan'ny 14 aprily.

fbc_maj.png [15]

Nanohy ny fanitarana tao an-tanànan'i Mahajanga [16], miaraka amin'ny fanampian'ny mpikambana ao amin'ny Sekon'ny Asa fanaovan-gazety [17] ny FOKO .

Mahajanga, na Majunga (any amin'ny morontsiraka avaratra andrefana) no seranan-tsambo faharoa lehibe indrindra aorian'ny Toamasina ary ahitana toeram-pizahantany mahafinaritra. Lavitra an'Antananarivo renivohitra, izay misy ny 80% amin'ireo bilaogera eto Madagasikara izy. Lehibe ny fanamby satria ratsy ny fifandraisana amin'ny aterineto any amin'ireo tanàna ivelan’ Antananarivo. Izany no nahatonga ny FOKO nahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fanantanterahana ny atrikasa fampahalalam-baovaon'olo-tsotra any amin'ireo tanàna any amin'ny faritany tahaka ny ao Toamasina sy Mahajanga.

foko-blog-club6.jpg [18]

Tamin'ny fanavaozam-baovao vao haingana, nitatitra [19] momba ny asa niavaka nataon'ireo mpandray anjara tao Toamasina sy Mahajanga i Joan:

Since Stéphane could’t make his monthly trip for the pictures and video training (the 2nd step of FBC ), they insisted in taking their reserved places at the cybercafé [20] ! Poupoune diligently formed 2 friends of hers to blogging and despite the very bad connexion they were able to discuss with their new peers from Mahajanga on Skype. FBC-Mahajanga is a group of talented future journalists .This media is very new to them (the serious side of blogging), they took time to know more about the Malagasy blogosphere [21] and discover the wonders from FBC-Tana and FBC-CPO groups [8]. Lomelle [22] managed to publish her first post during this short workshop and Faliniaina [23] exposes his views on racism. With only a little training but a lot of (online) support, the voices from the provinces came straight from their hearts.

Satria tsy afaka nanao ny dia fanaony isam-bolana mba hanatontosa ny fampiofanana sary sy lahatsary i Stéphane (ny dingana faharoa amin'ny FBC), nisisika naka ny toeran'izy ireo manokana tany amin'ny cybercafe [20] izy ireo! Nahay nampianatra ny namany 2  hibilaogy i Poupoune ary na dia teo aza ny fifandraisana aterineto tena ratsy, dia mbola afaka nifanakalo hevitra tamin'ireo namany vaovao avy any Mahajanga tao amin'ny Skype i Poupoune. Vondron'ireo ho mpanao gazety mana-talenta ny FBC-Mahajanga. Tena vaovao ho azy ireo ity fitaovam-pahalalam-baovao ity (ny lafiny matotra amin'ny mibilaogy), nanokana fotoana hahafantarana bebe kokoa momba ny tontolon'ny blaogy Malagasy [21] sy hahita ireo zava-mahatalanjona avy amin'ny vondrona FBC-Tana sy FBC-CPO [8]izy ireo. Afaka namoaka ny lahatsorany voalohany i Lomelle [22] nandritra ity atrikasa fohy ity ary naneho ny heviny momba ny fanavakavahana i Faliniaina [23]. Na dia kely aza ny fampiofanana kanefa maro ny (fanohanana an-tserasera), avy amin'ny fon'izy ireo ny feo avy any amin'ny faritany.

Vao haingana ny Foko no niantsafa an'i Eduardo Avila [24], iray amin'ireo mpitarika ny ekipa nahazo vatsy ara-bola avy amin'ny Rising Voices, Voces Bolivianas [25].

fbc6tw0.png [26]Jereo ny ny atrikasa farany tamin'ny asabotsy 22 martsa [27] izay nanaovana bilaogy mivantana avy amin'ny toerana maro.

Experience the latest workshop on Saturday, March 22 [27] which was live blogged from multiple locations.

Afaka manaraka ireto fisantarana andraikitra mendri-piderana avy amin'ny FOKO ireto ianao amin'ny fitetezana ireto ambany ireto:
* Rising Voices FOKO Blog [28]
* FBC Blog [29]
* Lisitr'ireo bilaogy mpandray anjara  [8]tamin'ny atrikasa FOKO isan-karazany
* Sary ao amin'ny Flickr [30]
* Lahatsary ao amin'ny Youtube [31]
* ao amin'ny DotSub [32] – dikan-tsoratra amin'ny teny Anglisy
* ao amin'ny Bliptv [33]

fbc_maj.png [15]