- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Afrika Avaratra: Fijirihana sy Famotehana tranonkalan'ireo antoko politika mpanohitra

Sokajy: Libia, Maoritania, Maraoka, Tonizia, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, GV Mpisolovava

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Febroary 2009)

Mihalasa lasibatra manokan'ireo mpijirika (jiolahy informatika) ny tranonkalan'ny mpanohitra ao amin'ireo firenena any Afrika Avaratra, indrindra ao Tiorkia, Libia, sy Maoritania. Tao Tonizia no nahitana voalohany [1] ity tranga vaovao ity – atao tsy azo idirana ireo tranonkalan'ny mpanohitra sy ny mpitsipaka – izay farafahakeliny tranonkala sy blaogy 14 no lasibatra teo anelanelan'ny 2007 sy 2008, ary toa miparitaka ao amin'ny faritra mba hikasana ny hamefy ny fahalalahana maneho hevitra anatiny na ivelan'ny tambajotra. (amin'ny teny anglisy na arabo ireo tranonkala sy blaogy voatanisa)

Na tsy mbola mazava tsara aza hoe iza no ao ambadik'ireo fanafihana ireo, miara-manaiky ireo mpitarika ny fanoherana ao Afrika Avaratra sy ny tompon'ireo tranonkala voatafika ireo fa ny fitondrana ao amin'ny fireneny no ambadik'ity fomba vaovao famefena ny fihetsiketsehan'ny mpanohitra amin'ny aterineto ity.
Ao Tonizia, nantsoin'ny mpampanoa lalàna [2] i Rtoa Naziha Rejiba, mpiara-miombon'antoka an-tambajotra amin'i kalima [3], Filoha lefitry ny Fanarahamaso ny fahalalahan'ny gazety, ny fanontàna ary ny famoronana (OLPEC), taorian'ny niampangany ireo manampahefana toniziana ho ao ambadiky ny famotehana ny tranonkalan'i Kalima [4] tamin'ny Oktobra 2008.

Tao anatina fanambarana fanoherana, niampanga ireo  manam-pahefana libiana ho mikarakara fanafihana an-tambajotra ihany koa ny Ligy Libiana ho an'ny Zon'Olombelona (LLHR) sy ny  Libya Human and Political Development Forum [5] (Sehatra firesahana ny famandrosoana ny maha-olona sy ny politika) [amin'ny teny arabo].

Ao Maoritania, raha toa ka niampanga ireo antoko politika nasionaly sy vahiny ho nanelingelina azy ny tranonkala Sahara Media [6], heverina ho toy ny tranonkalam-baovao voalohany ao amin'ny firenena, milaza kosa i Sheikh Ould Ahmad Amin, toniandahatsoratra ao amin'ilay tranonkala fa « misy ifandraisany, na mivantana na tsia, amin'ny zava-nitranga ny fitondrana miaramila ankehitriny izay nanongana ny fanjakana maoritania sambany lany tamin'ny fifidianana. » [7]

Libia

Araka ny fanambarana tamin'ny 19 janoary 2009 [8], voatafika na nosimbaina tamin'ny Janoary 2009 ny tranonkala enina an'ny mpanohitra. Nosimbain'ireo mpijirika avokoa ny votoatin'ny dimy tamin'ireo tranonkala [9] ary nosoloiny  tamin'ny votoaty an’ny Algathafi [10] , tranonkala manokana natao ho an'ny fieritreretana sy ny fomba fijerin'ny filoha libiana Mouammar al- kaddafi [11].

Mbola tsy afaka idirana foana [11] ny dimy tamin'ireo tranonkala enina voatafika [11] :

  1. Akhbar Libya [12]
  2. Justice For Libya [13]
  3. The New Libya [14]
  4. Libya Human and Political Development Forum [15]
  5. Transparency Libya [16]
  6. Akhbar al-Inkadh

Maoritania

Araka ny tranonkala Hack In The Box [17],  farafahakeliny tranonkala maoritania roa be mpanjohy no voatafika tamin'ny Novambra 2008. Samy manana fihetsika mitsikera ny tafika mpanongam-panjakana tarihan'ny Jeneraly Mohamed Ould Abdel Aziz  [18]izy roa ireo.

Nakatona nandritra ny andro iray na roa [6] ny tranonkalan'ny Sahara Media, ilay Sampan'orinasam-baovao , heverina ho toy ny tranonkala maoritania voalohany [6], raha toa ka tsy vitan'ny voajirika fotsiny ilay tranonkala  Anbaa [19] fa nosimbàna ny toeram-piasany ary nangalarina ireo solosainany, manamarina izany i Atoa Maloum, mpandrindra ny tranonkala For Mauritania, mpikambana ao aminà vondrona mpanao tsindry.

Toa mifandray amin'ny fikasany hizara vaovao momba ny tantara ratsy maha-voarohirohy ireo mpanao politika sy manampahefana ambony ao amin'ny asam-panjakana ao amin'ny firenena ny fijirihana ny tranonkala Anbaa [19].

Tonizia 
Toy ny voatatitra tao anatina lahatsoratra teo aloha [1] avy amin'ny Global Voices Advocacy, efa saika lasibatry ny fanafihana in-dray na in-droa avokoa ny tranonkala rehetra an'ny mpanohitra ao Tonizia na ny blaogy manokan'ireo mpikatroka aza. Raha ny fahitana ny fisesin'ireo fanafihana ireo, ary koa ny natioran'ireo tranonkala sy blaogy lasibatra amin'izany, takatr'ireo toniziana mpitarika ny fanoherana sy ireo mpiaro ny Zon'Olombelona fa ny fanjakana ihany no mikarakara ireo fanafihana an-tambajotra ireo. « Tsy esorika anatin'izany ny mety ho nanaovan'ny sampandraharaha miafina ity hetsika ity, miaraka amin'ny fanampiana mpijirika na jiolahy monina ao Tonizia na any ivelany, », izany no fijerin'ny lehiben'ny toniandahatsoratra ao amin'ny Kalima,Sihem Bensedrine [4]. Ito ny lisitra tsy feno an'ireo tranonkala sy blaogy voatafika teo anelanelan'ny 6 Jolay 2007 sy 5 Novambre 2008 :

2007
1. Fihetsiketsehana an-tambajotra Ben Ali Yezzi Fock! (Ben Ali, aok'izay!) (7 novambra 2007) – voatafika ary nopotehina tanteraka ity tranonkala ity.
2.Tunisia Watch,   26 jolay 2007
3.Tunisnews, 6 desambra 2007
4.PDP Info  (17 Oktrobra 2007)
5.CPR, tranonkalan'ny antoko mpanohitra (voarara) Kaongresy ho an'ny Repoblika (10 Septambra 2007)
6. Blaogin'i Slim Boukhdhir Blog( 6 Jolay 2007). Voajirika ary nopotehina tanteraka ity blaogy ity.
7. Fifohazana Toniziàna (21 desambra 2007) Voajirika ary nopotehina tanteraka ity tranonkala ity.

2008
8.Nawaat (16 jona 2008)
9.Tunis Online (19 janoary 2008)
10. Blaogy manokana an'i Moncef Marzouki (9 jona 2008)
11. Blaogy manokana an'i  Astrubal (16 jona 2008)
12. Blaogy manokana an'i Sami Ben Gharbia (16 jona 2008 )
13. Kalima (8 oktobra 2008)
14. Liqaa (2 oktobra 2008)
16. Tunisnews (5 novambra 2008)
17. PDP Info (5 novambra 2008)
18. Tunis Carthage (25 oktobra 2008)