- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Afrika : Bilaogy miteny anglisy miresaka ny sehatry ny aterineto ao Afrika

Sokajy: Afrika Atsimo, Cote d'Ivoire, Nizeria, Oganda, Fampandrosoana, Mediam-bahoaka, Teknolojia

(Fanamarihana: Lahatsoratra nivoaka tamin'ny Martsa 2009)

Raha ny haino aman-jery mahazatra no loharanom-baovao fototra ampiasainao mikasika an'i Afrika, dia, kely ny vintana anananao mba hahazoana vaovao momba ny fanavaozana teknolojika sy ny famoronana orinasa ao amin'ny tanibe afrikana. Mila misaotra ireo blaogera manaraka matetika ny vaovao momba ireo start-ups sy ny fanavaozana teknolojika ao amin'ny tanibe afrikana ihany koa. Atolotray ato anatin'ity lahatsoratra ity ireo blaogy fototra mikasika ireo tanora vao mitsiry amin'ny fandraharahàna sy ny fanavaozana teknolojika ao Afrika.