India: Sary voalohany tao amin'ny flickr mampiseho ny fipoahana baomba tao Mumbai 

(Marihina fa tamin'ny 26 Novambra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nalefa tao amin'ny flickr ireo sary nalaina voalohany avy ao Mumbai. Nandefa sary maro avy eny an-dalamben'i Mumbai i Vinu avy ao amin'ny Vinu's Online Cloud .

http://www.flickr.com/apps/slideshow/show.swf?v=63961

Niverina an-tserasera i MumbaiHelp ary nanolotra ny antso ho an'ireo izay tsy afaka nifandray tamin'ny fianakaviany sy ny namany.

Leave a message if you're trying to get through to pals in the city.

Preferably leave a cellphone number for both yourself and your friends / family, and we'll try and SMS them.

Tip: Suggest you avoid calling. Lines are bound to be screwed. SMS direct instead.

Mametraha hafatra raha te hifandray amin'ny fianakaviana eto an-tanàndehibe ianao.

Mety kokoa raha omenao ny nomeraonao sy ny an'ny namanao/fianakaviana, ary ho ezahanay handefasana hafatra izy ireo.

Soso-kevitra: Manoro hevitra anao aho mba tsy hiantso. Tsy mahazo ny tambajotra. Aleo mandefa SMS mivantana ny hafatra.

Nandritra izany, nanoratra tao amin'ny “Gazetin'ny Olom-pirenena Real Time momba ny Fanafihan'ny Mpampihorohoro ao Mumbai” i Gauravonomics

The Mumbai terrorist attack is now on the front page of Google News and Mahalo is doing a great job of compiling the story as it unfolds.

The first photos of the Mumbai terrorist attacks are up on CNN-IBN and NDTV and both (CNN-IBN and NDTV) are streaming live video feeds of the unfolding situation.

I’ll be updating this post with more citizen generated resources on the Mumbai terrorist attacks as they are put up.

Ao amin'ny pejy voalohan'ny Google News ny fanafihan'ny mpampihorohoro tao Mumbai ary nanao asa goavana tamin'ny fandrakofana ny tantara tsy tapaka ny Mahalo .

Ny saripika voalohany mampiseho ny fanafihan'ny mpampihorohoro tao Mumbai dia nalefa tao amin'ny CNN-IBN sy ny NDTV ary samy nandefa lahatsary mivantana tamin'ny toe-javatra nitranga ny (CNN-IBN sy NDTV).

Niaraka tamin'ny loharanom-baovao maromaro avy amin'ny olontsotra momba ny fanafihan'ny mpampihorohoro tao Mumbai ny fanavaozam-baovao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.