- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Carmen Paniagua avy ao amin'ny HiperBarrio

Sokajy: Hiper-barrio, Mediam-bahoaka, Rising Voices

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Mey 2008)

Mila Flash 8 (na ambony kokoa) [1] sy mpitety manaiky javascript ianao raha hijery ny lahatsarinay.

Ny volana janoary tamin'ity taona 2008 ity, nanadihady olon-tsotra mpanao gazety maromaro avy ao amin'ny tetikasa HiperBarrio  [5]ao La Loma, vohitra kely iray any ambanivohitr'i Medellín, Colombia aho. Ny horonantsary dia tokony ampiasaina amin'ny lahatsary fanadihadiana lehibe amin'ny aterineto momba ny fomba nanovan'ny tetikasa ny vondrom-piarahamonina, izay mbola mihazohazo amin'ny hantsana tsy mampahazo aina eo amin'ny lasany feno herisetra sy ny ho avy feno fanantenana. Indrisy fa nandany ny fotoanako ny asa ara-pitantanana amin'ny Rising Voices ary nipetraka ao anatin'ny kapilako matevina (disque dur) nandritra ny volana maro ny resadresaka. Manantena aho fa mbola hovokarina ilay horonantsary fanadihadiana, nefa mandritra izany fotoana izany, dia hamoaka andiana horonantsary fohy maharitra 90 segondra aho izay mampiseho ireo mpandray anjara tsirairay amin'ny HiperBarrio.

Ny horonan-tsary androany dia manasongadina an'i Carmen Paniagua, poeta sady mpamoron-kiran'ny tarika, tsy mampino fa tena saro-kenatra i Carmen, indrindra rehefa ao ambadiky ny fakantsary, saingy mandinika foana ny masony sy ny sofiny, fandinihana lalina momba ny tenany sy ny vondrom-piarahamoniny izay mametraka ny lalan'izy ireo ao anatin'ny tononkalo tsirairay ary navoaka matetika tao amin'ny h / em>. Iray amin'ireo mpanoratra ao amin'ny Nunca Será Suficiente [6], vondrona bilaogy mpamoron-tantara i Carmen.

Azonao atao ny mijery ny horonantsary miaraka amin'ny dikantsoratra amin'ny fiteninao amin'ny alàlan'ny fisafidianana izany ao amin'ny “Misafidy fiteny …”. Raha tsy mahita ny fiteninao ianao dia manampia anay azafady amin'ny fandikana ny lahatsary amin'ny fiteninao [7].