Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Qatar: Hazavana hafahafa teo ambonin'i Doha

(Marihina fa tamin'ny 28 Janoary 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)
Strange Sighting in Qatar

Niresaka momba ilay hazavana hafahafa teny amin'ny lanitr'i Doha ity ireo bilaogera tao Qatar .

Nanokatra ny boatin'i Pandora ny LifeIsBeautiful  raha nanoratra tao amin'ny bilaogy Qatar Living :

I hope I'm not the only one who has witnessed the two strange lights over Doha yesterday. It was around 9.30 pm when I was standing in front of my house at Matar Kadeem (Old Airport). I looked up randomly and saw a bright flame in the sky.It was appearing to be the size of a tennis ball with very bright flames like light flickering almost about 2 mile high.It was moving at a very slow pace and had it not been for the hight at which it was,I would have ignored it as a balloon.

All of us were amazed and were joined by a lot of other onlookers.All of us were guessing as to what it could be. The light kept moving from South to North for about 10 mins. It was moving in a straight line and then started wobbling at it place.After about 3-4 more mins, it vanished in to the clouds. This was not it. After about another 5 mins a similar light appeared in the South horizon and followed a similar pattern. Did anyone on QL notice it? What could it be?

Mino aho fa tsy izaho irery no nahita maso ireo hazavana hafahafa roa teo ambonin'i Doha omaly. Tany amin'ny manodidina ny 9.30 alina teo ho eo izany raha nijoro teo anoloan'ny tranoko tao Matar Kadeem (Seranam-piaramanidina tranainy) aho. Raha sendra nitraka aho dia nahita lelafo mazava teny amin'ny lanitra. Toy ny haben'ny baolina tennis irony ilay izy miaraka amin'ny lelafo mamirapiratra toy ny hazavana manjelanjelatra any amin'ny 2 maily ambony any. Nihisaka tsimoramora ilay izy ary raha ny  elanelan'ny halavirana izay nisy azy, dia noheveriko fa baolina izany.

Gaga izahay rehetra ary olona maro hafa no tonga nanampy anay nitazana izany ihany koa. Samy nanontany izahay hoe mety ho inona ilay izy. Nihisaka avy any Atsimo nianavaratra ilay hazavana  nandritra ny 10 minitra teo. Nizotra nahitsy ny lalany ary avy eo dia nanomboka nihodikodina teo amin'io toerana io. Rehefa afaka 3 na 4 minitra teo indray dia nanjavona tao anaty rahona izy. Tsy izany no izy. Rehefa afaka dimy minitra teo dia nisy hazavana toy izany ihany koa niseho avy eny amin'ny faravodilanitra atsimo ary nanaraka ny lalana nitovy tamin'izany. Nisy olona ve mpamaky ny QL nahatsikaritra izany? Mety ho inona ilay izy?

Namaly haingana ireo mpamaky, tamin'ny fanehoan-kevitra momba ny jiron'ny fiaramanidina mitsilopilopy sy ny fahitana OVNI. Ireto misy santionany tamin'ireo valinteny ireo:

Nanazava i Mariam-mar :

It might be a kind of meteor, that's one looks like, though i haven't seen a real one in my eyes at my age.

Mety ho karazana meteorita izany, toy izany no fahitako azy, na dia tsy mbola nahita izany aza ny masoko amin'izao taonako izao.

Nanampy i Femme hoe:

Must be aircraft's navigation lights. That time of the night that portion of airspace is opened (for a limited time) to air traffic coming from the west. Or it could be one of the aircraft from al udeid, they have all types of aircraft over there.

Mety ho jiron'ny fiaramanidina izany. Misokatra (mandritra ny fotoana voafetra) ho an'ny fifamoivoizan'ny fiaramanidina avy any andrefana ny ampahany amin'ny habakabaka amin'io alina io. Na mety ho iray amin'ny fiaramanidina avy any al udeid izany, manana karazana fiaramanidina maro izy ireo any.

Tsy faly tamin'ireo fanazavana ireo i Absolutejaguar ary naminavina lavidavitra kokoa:

It is interesting how everyone assumes Aircraft lights, whilst it is true that the simplest explanation is often the right one, does nobody entertain the idea of extraterrestrial life. I'm not talking little green men, but we live in a huge galaxy in a huge universe. It would be very arrogant to assume we are the only life in existence.

Mahaliana ny fiheveran'ny olona rehetra fa jiron'ny fiaramanidina izany, kanefa matetika ny fanazavana tsotra indrindra no tena izy, tsy nisy olona ve nihevitra izany ho fiainana ‘extraterrestre’. Tsy ilay olona kely maitso no resahiko, kanefa miaina eto amin'ny vahindanitra goavam-be isika ao amin'izao tazamaso rehetra izao. Tena fireharehana tokoa raha mihevitra fa isika irery ihany no hany zavamanan'aina misy.

Niditra i Eby1975 ary nanolotra ny fitantarany ny zavatra hitany voalohany:

Even I saw it while driving down to the Airport road. Intially it looked like a large balloon to me and I said to myself thats strange ..moon cant be that big and as I drove closer to the airport to have a better look, it was diminishing and thought to myself ..must be the cloud that could be over shadowing it.. UFO sounds bit scare .. not that I havent seen strange ppls around !!!!!

Na dia hitako aza izany tamin'ny nandehanako tany amin'ny lalan'ny seranam-piaramanidina. Tahaka ny baolina goavambe ilay izy tamiko raha vao tazako ary hoy aho hoe toa hafahafa izy izany. ..tsy lehibe toy izany ny volana ary rehefa nanakaiky kokoa ny seranam-piaramanidina aho mba hitazana azy tsara dia nihakely ilay izy ary hoy aho hoe.. mety ho ny rahona angamba no nanakona azy .. somary mampivarahontsana kely ny hoe OVNI.. tsy hoe nahita olona hafahafa manodidina teo aho akory !!!!!

Naverin'i Dweller amin'ny tena zava-misy isika ary nilaza izy fa Spiderman ilay izy, raha ny nihevitra kosa i Dreamz fa afomanga izany.

Nitohy ny adihevitra tao amin'ny QatarLiving nandritra izany rehetra izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.