Fanentanana “rantsan-tanana madio” ao Kambodza mandrisika ny mpifidy hanao ankivy ny fifidianana “sarintsariny”

Biraom-pifidianana iray ao Kambodza. Sary Flickr an'i Bart Geesink, (CC BY-SA 2.0)

Mandefa ny fanentanana “rantsan-tanana madio” izay miantso ny hanaovana ankivy ny fifidianana ankapobeny izay kasaina hotontosaina amin'ny 29 jolay 2018 ho avy izao ny mpitarika ao amin'ny fanoherana an-tsesintanin'i Kambodza.

Ny mampiavaka azy ity, misy ranomainty saro-kosehina atao amin'ny rantsan-tanan'ny mpifidy amin'ny androm-pifidianana, izay midika fa izay tsy mifidy dia madio rantsan-tanana.

Nofoanan'ny Fitsarana Tampony tamin'ny novambra 2017 rehefa nampangain'ny antokon'ny mpitondra ho miray tsikimbakomba amin'ny fahefana vahiny mikasa ny hanaisotra ny governemantan'ny praiminisitra Hun Sen ny Cambodia National Rescue Party (CNRP) [Antokom-panavotana nasionalin'i Kamboza), ny antoko mpanohitra lehibe indrindra tao.

Nosamborina ary mbola nohazonina ao amin'ny firenena i Kem Sokha, mpitarika ny CNRP raha voatery nandositra ny firenena mba tsy hotsaraina ireo mpitarika hafa ao amin'io antoko io. Nesorina tamin'ny asany ary voarara ho tsy mahazo manao asam-panjakana mandritra ny dimy taona ny mpikambana parlemanteran'ny CNRP.

Nahazo vato betsaka ny CNRP tamin'ny fifidianana ankapobeny tamin'ny taona 2013 sy tamin'ny fifidianana vaomiera eny ifotony tamin'ny taona 2017. Ny fanafoanana ny CNRP no hamotehan'ny antokon'i Hun Sen ireo antoko kelikely izay nomena fankatoavana handray anjara amin'ny fifidianana hoavy. Efa hatramin'ny taona 1985 i Hun Sen sy ny antoko mitondra amin'izao fotoana izao no teo amin'ny fahefana.

Ankilan'ny fanilihana ny antoko mpanohitra lehibe indrindra dia ampangaina ho manimba ny fampahalalam-baovao ihany koa ny Antokom-Bahoaka Kambodziana (CPP) izay mitondra amin'izao fotoana izao.

Fantsom-pampielezam-peo ampolony izay mampiely programa mitsikera ny politikan'ny governemanta ihany koa no noterena hitsahatra amin'ny asany rehefa nodarohana hetra midangana dia midangana tampoka. Famoahana hetra tahaka ihany koa no nanerena ny gazety mivoaka isan'andro Cambodia Daily hitsahatra amin'ny asany.

Ny fanenjehana ny mpanohitra sy ny gazety tahaka izany no nahatonga ny mpanadihady hamehy fa mety hanao fifidianana sarintsariny i Kambodza amin'ny 29 jolay ho avy io.

Manazava ny mahamety ny fanentanana “rantsan-tanana madio” i Sam Rainsy, mpitarika ny CNRP any an-tsesitany:

1/3 Tsy tokony hitady fahagagana ny antoko bitika miisa 19 mifaninana amin'ny CPP: Hevero fa, folo taona miainga amin'izao fotoana izao, misy iray amin-dry zareo mihangeza ka mampatahotra nu CPP. hofoanan'i Hun Sen izany, tahaka ny nanafoanany ny CNRP tamin'ny herintaona

Ny mpikambana ao amin'ny CNRP sy ny mpanohana azy ao anatiny sy ivelan'ny firenena no mampiroborobo ny fanentanana “rantsan-tanana madio”:

Tsy misy tena fifidianana rehefa tsy misy CNRP! tsy mifidy, tsy misy tanana maloto!

Ataovy madio ny rantsan-tanana, ataovy ankivy ny fifidianana.

Mandritra izany fotoana izany ny CPP mamaly izany amin'ny fampahatsiahivana ny olom-pirenena hifidy ao anatin'ny fandriampahalemana, fahamarinan-toerana ary ny fampandrosoana. Mandrisika ny mpikambana ao aminy ihany koa izy hamoaka sary ao amin'ny media sosialy mijoro manao ny adidim-pitiavan-tanindrazana handrotsa-bato amin'ny androm-pifidianana:

Nilaza i Samdech Techo Hun Sen fa isaorany ny vahoaka kambodziana tamin'ny fitokisany amin'ny fitarihan-dalany mahatonga an'i Kambodza ho mandry fahalemana sy mandroso toy ny amin'izao fotoana. Fidio CPP sns

Hifidy isika amin'ny 29 jolay 2018. Adidy amin'ny maha-olompirenena izany.

Hita na aiza na aiza eto Kambodza sy any ivelany ny CPP. Efa manakaiky ny 6 tapitrisa ny isan'ny mpikambana ao amin'ny CPP ary hifidy ireo amin'ny 29 jolay 2018. Hifidy ny fandriampahalemana sy ny fampandrosoana isika, aza mijanona any an-trano hanome vahana ny tombontsoan'ny mpamadika ny firenena sy ireo vahiny lehibeny.

Saingy tsy afa-po amin'ny fanaovana ny fanentanana an-tseraserany amin'ny fampahatsiahivana ny olom-pirenena hifidy amin'ny 29 jolay ny  CPP. Mandrahona ny hitory izay olona sy mpikamban'ny CNRP ao ambadiky ny fanentanana hanao ankivy ry zareo.

Namaly ny CNRP tamin'ny fandresen-dahatra fa tsy misy ny lalàna mandrara ny olompirenena tsy hitsipaka hifidy.

Namoaka fanambaràna ihany koa i Rhona Smith, iraka manokan'ny Firenena Mikambana mandrisika ny governemanta hanaja ny fanapahan-kevitry ny mpifidy efa mikasa hanao ankivy ny fifidianana:

I welcome recent Government calls to local authorities to avoid discrimination during the campaign and encourage the Government to condemn in very clear terms voter intimidation and to clarify that calling for a boycott in a non-compulsory vote is permitted.

Ankasitrahako ny antso vao haingana nataon'ny governemanta tamin'ireo manampahefana eny ifotony tsy hanavakavaka mandritra ny fanentanana ary ampirisihako ny governemanta hanameloka amin'ny teny mazava ny fandrahonana ny mpifidy sy hanadio fa azo atao ny miantso hanao ankivy amin'ny fifidianana tsy misy fanerena tsy maintsy hifidy.

Antsoantsoin'ny CNRP ny hanemorana ny fifidianana sy mitaky ny famotsorana an'i Kem Sokha, ny famerenana amin'ny toerany ny antoko mpanohitra, ary ny fanesorana ireo lalàna sy fitsipika manidy ny fahalalaham-pitenenana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.