India, Sri Lanka: Fetiben'ny Tempoly tany amin'ny andaniny sy ankilan'ny andilan-dranomasin'i Palk

(Marihina fa tamin'ny 22 Aprily 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ampahany manan-danja amin'ny fiainan'ny Tamòla haindò, manerana ny firenena izay honenan'izy ireo ny fetiben'ny tempoly. Ity tatitra an-tsary manaraka ity dia ahitana ny fotoana vitsivitsy tamin'ireo fetibe ireo.

Ireto ny sarin'ny fetiben'ny fiara tempoly ao Rakwana any Sri Lanka izay avy amin'ny ‘Irakuwanai’ Nirshan. Iray amin'ny singa ifantohan'ny fetibe ny fiara tempoly- “Ny fiaran'ny tempoly dia kalesy ampiasaina hitaterana ireo mpanompo ny andriamanitra Haindò. Matetika amin'ny andron'ny fetibe no itarihana ny fiara ary  ahitana ireo olona marobe mitarika ny kalesy. “

rakwana1.jpg

rakwana2.jpg

rakwana3.jpg

rakwana4.jpg

rakwana5.jpg

Mamahana bilaogy momba ireo mpivarotra madinika izay mivarotra ny entany amin'ny fetibe tahaka itony i Surekha, ao Tamil Nadu, India manavatsava ny andilan-dranomasin'i Palk. Ahitana betsaka ny toekarena ao an-toerana tsara ny fetibe ara-pivavahana, toy ny fetiben'ny tempoly. Naka an-tsary ny fotoana niaraka tamin'ny tononkalo fohy amin'ny teny Tamòla izy. Noezahana natao ny fandikanteny teto.

surekha1_astrologer.JPG

கிளி எடுத்துத்தரும்
சீட்டைப்பாத்து
கிழவி குரலில்
டேப் ரெக்கார்டர்
பலன் சொல்ல,
வண்டியை போத்தியிருக்கும்
வாசகங்கள்
சிரிப்பை வரவழைக்க
பக்கத்துக்கடைக்காரர்
பீட்டர் இங்க்லாண்ட்
வாடிக்கையாளரை எதிர்பார்த்து..!
(அவரிடம் ஒரு சட்டை வாங்கினேன்)

Maminany ny hoavy ny boloky Tarrot
amin'ny feon'ny vavy antitra iray
avy amin'ny horonam-peo,
manonteny amin'ny tapa-damba mandrakotra
mitondra tsiky ilay fiara ,
raha ny mpivarotra eo amin'ny toerana
manaraka kosa miandry mpanjifa
efa zatra mividy ny lobaka Peter England.
Nividy akanjo avy taminy aho .

 

surekha2_bookshops.jpg

திடீர்க்கடைகளில்
திடீர் பக்தியும், திடீர் படிப்பும்..
சிறந்த நெட்வொர்க்கும்!
(இளையராஜா பாடல்கள் வாங்கினேன்)

Fanoloran-tena eo noho eo sy fahalalana eo noho eo
eto androany, ary tsy hita rahampitso.
Kanefa dia tena toerana tsara ho an'ny fifaneraserana.
Nividy ny bokin'i Ilaiyaraja aho.

surekha3_sweetstall.jpg

இந்த கோபுரங்களுக்குப்பின்னே
எத்தனை
கடன்கள்,
கவலைகள்,
எதிர்பார்ப்புகள்!
கோபுரங்கள்
அழிந்தால்தான்
வீட்டில்
மகிழ்ச்சி வரும்.
(சீனிக்காராச்சேவு வாங்கினேன்)

Ny fiandrasana ao ambadik'ireo tilikambo
alahelo betsaka,
fanantenana sy fanefana trosa.
Ny fanapotehana ireo tilikambo ireo
hitondra hafaliana
ao amin'ny tokantrano maro.
Nividy sev aho.

surekha4_sweetstall.jpg

சத்தியமாய் எனக்காக இல்லை!

வாழ்க்கை மீதுள்ள இவர்களது
நம்பிக்கைக்காக!

Nefa azo antoka fa tsy ho ahy izany!
Fa ho an'ny fanoloran-tenan'izy ireo ho amin'ny fiainana!!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.