- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Koety: Nankalaza ny faha 29 taonany ny tilikambo

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Koety, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Sakafo, Saripika, Zavakanto & Kolontsaina

(Marihina fa tamin'ny 13 Martsa 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)
Kuwait Towers
Nanamarika ny faha-29 taonany tsy nisy tabataba firy ny Kuwait Towers [1],[Tilikambon'i Koety]  toerana lehibe manamarika ny firenena. Saingy tsy nanadino an'io fotoana io ny bilaogera iray.

Nanamarika izany niaraka tamin'ny teny fanamarihana iray i IntlXpatr [2] . Hoy izy nanoratra:

In today’s Kuwait Times is a notice that today, the Towers turn 29 years old

Tao amin'ny gazety Kuwait Times androany dia nisy ny fanamarihana fa 29 taona androany ny Tilikambo.

Nandritra izany fotoana izany, nanaraka ny raharaha mikasika ilay mpamoaka vaovao an'aterineto izay nahazo laza tamin'ny raharaha ara-pitsarana iray i Forzaq8 [3], . Hoy izy nanoratra:

they haven’t published the final report , but it would mean that online publishing does not fall under the publishing law YET

Tsy namoaka ny tatitra farany izy ireo, kanefa midika kosa izany fa tsy MBOLA eo ambanin'ny lalànan'ny famoaham-baovao ny famoahan-dahatsoratra an-tserasera.

Nanoratra momba ny fivorian'ny bilaogera Koesiana ihany koa i Forzaq8 [4]  . Hoy izy:

Well as always , it seem only the useal come to the blogger meeting ( why too many complain we don’t meet yet when we meet we don’t see anyone )

attending this meeting
* TaTtheddon
* Mr Chocolate
* exzombie
* ducatiq8i

some sample of topic that were discussed

* Current affairs of Kuwait bloggers
* Female Kuwaiti bloggers , whats the problem with them ?
* Did the US economy enter recession stage or not and is bernanke to blame
* Sectarian strife among Kuwaiti bloggers
* future of Safat , more idea for improving

and there was many more

i hope we get more attendance next meeting

 

Tahaka ny mahazatra, toa ireo olona mahazatra ihany no tonga tao amin'ny fivorian'ny bilaogera (nahoana no be dia be no mitaraina fa tsy mbola misy ny fihaonanay kanefa rehefa mihaona izahay dia tsy hita ny olona)

Ireo nanatrika io fihaonana io
* TaTtheddon
* Mr Chocolate
* exzombie
* ducatiq8i

Ireo lohahevitra sasantsasany nodinihina

* Raharaha momba ny bilaogera ao Koety
* Vehivavy bilaogera Koesiana, inona ny olana momba azy ireo?
* Moa ve ny toekaren'i Etazonia miditra amin'ny dingana fihemorana sa tsia ary tokony homen-tsiny ve i bernanke
* fifandonana teo amin'ireo bilaogera Koesiana momba ny fivavahana
* ny hoavin'i Safat, hevitra bebe kokoa amin'ny fanatsarana

ary mbola nisy ihany koa ireo maro hafa

Manantena aho fa ho maro kokoa isika no hanatrika amin'ny fivoriana manaraka

Nitaraina momba ny horonantsary izay nalefa tany amin'ny trano fijerena sarimihetsika i Outlawq8 [5] , ny saran'ny tapakilan'ny sinema sy ny sakafo izay lafovidy ao amin'io lahatsoratra io. Hoy izy nanoratra:

the movies are mostly late and show old movies that some times been over a year since the movie is released in the US, and pick the silliest movies ever i don't know why! and they'll give you a movie discount,,, i know you're wondering how's that?! if the movie's runtime is 120 minute you can see it in 60 minute only in Kuwait 😀 now how about that? no other country can serve that kind of offers to the viewers 😛

lately they've increased the price of the tickets from 2.5 KD to 3 KD, and in Monday's 1.5 KD i guess they knew there's going to be salary increasing BUT WHY THE HELL WOULD THEY SELL A CHOCOLATE FOR 500 FILS?! i mean com on : a pack of Maltesers for 500 fils? the prices are getting ridiculously high and someone gotta stop this

 

Matetika no tara ny sinema ary ireo sarimihetsika tranainy no alefa izay indraindray efa ho herintaona taorian'ny nivoahan'ilay sarimihetsika tany Etazonia, ary ireo sarimihetsika tena tsy misy dikany indrindra no nosafidiana izay tsy fantatro ny antony! ary omeny anao ny fihenam-bidy amin'ny sarimihetsika ,,, fantatro fa hoy ianao hoe ahoana ary izany ?! Raha toa ka maharitra 120 minitra ny sarimihetsika dia ao anatin'ny 60 minitra fotsiny no ahitanao izany ao Koety: Tsy fantatro ny mahatonga izany? Tsy misy firenena hafa manome karazana tolotra tahaka izany ho an'ny mpijery: P

Vao haingana izy ireo no nampiakatra ny vidin'ny tapakila 2,5 KD ho lasa 3 KD, ary 1,5 KD rehefa alatsinainy, hoy aho hoe angamba fantatr'izy oreo fa hisy ny fisondrota-karama kanefa NAHOANA IZY IREO NO MIVAROTRA SOKOLA AMIN'NY VIDINY 500 FILS? Ny tiako lazaina dia hoe: 500 fils ve ny vidin'ny Maltesers iray? Tena midangana be ny vidiny ary tokony hisy olona hampitsahatra izany

Tsy faly ihany koa i Babbler [6] – ary toa tsy nahita ny oliva izay tiany teny an-tsena. Nanazava izy:

I think that there is a serious olive crisis in Kuwait. I always thought that Kuwaiti super-markets have good reserves of nice olives. This notion remained there, albeit it was getting increasingly difficult to find the same quality olives everywhere. With the current increase in products prices, good olives seem to have disappeared completely.
A couple of days ago, I was completely disgusted when my significant-other pointed out that the olives he purchased, though were fine to eat, were preserved in cooking oil! I got so turned off that I binned them the next day.

Mino aho fa misy krizin’ oliva eto Koety. Nieritreritra foana aho fa manana tahiry maro ho an'ny oliva tsara ireo tsena goavana Koesiana. Saingy mijanona eo io hevitra io, na dia mihasarotra kokoa aza ny mahita oliva mitovy hatsarana na aiza na aiza. Amin'ny fisondrotry ny vidin-javatra amin'izao fotoana izao dia toa nanjavona tanteraka ny oliva tsara.
Roa andro lasa izay, tena kiriko aho rehefa nilaza ny vadiko fa notahirizina tao anaty menaka fahandro ireo oliva izay novidiany, na dia tena tsara hohanina aza izany! Tena kiriko aho ka nariako izy ireo ny ampitson'iny.

Ary farany fa tsy ny kely indrindra, nanoratra momba ny fifaninanana fakana sary tao Koety i Chillnite [7] .

Areas of competition:

* Photography of Kuwait
* Journalistic photography
* Interpolated pictures

Sehatra fifaninanana:

* Saripikan'i Koety
* Sary fanao an-gazety
* Fanovanana sary