25 Jolay 2018

Tantara tamin'ny 25 Jolay 2018

Ejipta: Manabaribary Ny Herisetra Miseho Mandritra Ny Black Out-n'ny Haino Aman-jery Ny Mediam-Bahoaka (Sary Mahery Setra)

Nandritra ireo dimy andro nahatapahan'ny haino aman-jery sy ny fifaneraserana tao Ejipta, vitan' ireo mpikatroka ny namadika ilay sivana ary namoaka lahatsary naharitra ora maro, naharakitra ny herisetra niseho nandritra ilay ''revolisiona'' izany, lavitra ireo sehatra milamina amin'ny fifamoivoizana tsotra ao afovoan'i Kairo sy ny làlana tsy misy olona izay alefan'ny fahitalavi-panjakana nandritra ilay fotoana fandraràna. Mahery setra avokoa ireo lahatsary ireo tamin'ny voalohany. tsaratsara kokoa raha miafinafina ny mpijery..

Koety: Nankalaza ny faha 29 taonany ny tilikambo

Nanamarika ny faha-29 taonany tsy nisy fankalazana firy ny Tilikambon'i Koety, vakoka lehibe indrindra ao amin'ny firenena. Saingy tsy nanadino an'io fotoana io ny bilaogera iray araka ny nosoratan'i Abdullatif Al Omar izay mitondra antiksa ihany koa any amin'ny fihaonan'ny bilaogera... sy mizara amintsika ny zavatra hita tany amin'ny tranon-tsinema.

Tranom-barikan'i Dhaka

Rising Voices  25 Jolay 2018

Mitondra antsika hitety ny tranombarikan'i Dhaka (na ny ambany tanàna araka ny fiteny hafa) ny ekipam-bilaogeran'ny Nari Jibon, mamariparitra ny fiainan'ny Bangladeshita monina amin'ny faritra mahantra indrindra amin'ny renivohitra. Noho ny fandehanan'ny dikantsoratra haingana dia haingana, dia afindrako eto izany soratra izany.

Sava-lalana momba ny Iran Inside Out

Rising Voices  25 Jolay 2018

Shaghayegh Azimi no fehin'izay lazaina matetika ato amin'ny Global Voices ho "bridge-blogger" [bilaogera-tetezana fampitana]; olona mampiasa ny bilaoginy mampita na mampifandray kolontsaina roa na maro. Fa misy zavatra iray voamarika - tsy tena bilaogera i Azimi. Amin'ny maha-mpamokatra filma taloha azy tao Iran, ny lahatsary hatrany no nosafidianany ho fitaovam-panehoan-kevitra.

[Lahatsary] Sombin-tsarin'ny Iran Inside Out

Rising Voices  25 Jolay 2018

Atolotr'i Shaghayegh Azimi amintsika izay heverina fa hivoaka amin'ny Iran Inside Out, tetikasa eny an-kianja miara-miasa amin'ny videobilaogera iraniana ao an-toerana mba hamantarana izay tanora mpanatontosa sarimihetsika misandratra sy mampianatra azy ireo ny fomba izarana ny asany an-tserasera.

[Lahatsary] Dominika, ankizy eny an-dalambe

Rising Voices  25 Jolay 2018

Namokatra ity horonantsary fanadihadiana an'i Dominika, mpangataka eny an-dalambe ao Antananarivo ilay bilaogera ao amin'ny FOKO sady mpikambana Klioban'ny amin'ny Firenena Mikambana antsoina hoe Nombana. Nalefa tao amin'ny MySpace tamin'ny fifaninanana Alaivo horonantsary ny Lohahevitrao ( Film Your Issue) ny lahatsary.