- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fandraketam-peo momba ny La Loma avy amin'ny HiperBarrio

Sokajy: Hiper-barrio, Mediam-bahoaka, Rising Voices

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny jiona 2008)

Nanomboka fandraketam-peo [1] ny ConVerGentes, vondrona tanora mpanao gazety avy ao San Javier La Loma izay mandrafitra ny HiperBarrio. (Misorata anarana amin'ny iTunes [2].) Ny fizarana voalohany [3], amin'ny teny Espaniola, dia mampiseho ireto lohahevitra manaraka ireto:

1.) Fampahafantarana ny ConVerGentes sy ny HiperBarrio avy amin'i Diego Ospina.
2.) Ny anarana sy ny bilaogy URLs an'ireo mpandraki-peo rehetra.
3.) Mampahafantatra ny Campus Party ny lehiben'ny tetikasa, Gabriel Montoya, ka handray anjara amin'izany ny maro amin'ireo olom-pirenena mpanao gazety ao amin'ny ConVerGentes.
4.) Inona no fahasamihafana eo amin'i Bogotá sy Medellín?
5.) Deneiber mampahafantatra ny Ay Amor, Cuando Hablad las Miradas avy amin'i Guayacán.
6.) Inona no fahasamihafana eo amin'ny La Loma sy ny ambiny ao Medellín?
7.) Eliana mampahafantatra ny Crimen avy amin'i Gustavo Cerati.
8.) Inona ny rafitra MetroCable ao Medellín?
9.) Catalina mampahafantatra ny Heart of Stone nataon'ny Rolling Stones.
10.) San Andres mampahafantatra ny Primer Día avy amin'i Julieta Venegas.
11.) Luisa Fernanda Alvarez mampahafantatra ny Autosuficiencia avy amin'i Parálisis Permanente.
12.) Inona no dikan'ny ‘Ave Maria'?
13.) Catalina mamintina ny fandraketam-peo voalohany.

convergentes