- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Antsafa niarahana tamin'i Pavel Kutsev ao amin'ny Drop-In Center

Sokajy: Mediam-bahoaka, Drop-in Center, Rising Voices

(Lahatsoratra teny anglisy nivoaka tamin'ny 285 oktobra 2009)

Mila Flash 8 (na ny ambonin'izay) [1] sy fitety misokatra amin'ny javascript ianao raha hijery ny lahatsarinay.


Pavel Kutsev dia mpiara-manorina ny Drop-In Center [2], fikambanana Okrainiana iray izay manandra-teny amin'ny zo fampitàn-dresaky ny mpampiasa rongony (na fanafody?) amin'ny alalan'ny tsindrona sy mba isian'ny politikam-pirenena mifandraika amin'ny fomba fitsaboana hafa [3]. Ao amin'io lahatsary io no anolorany amintsika ny savaravina tsotra amin'ny hetsika “fampihenana fanaintainana avy amin'ny fampiasana tsindrona fanafody (na rongony)”, sy hamintinany ny vokatry ny kaoferansy tao Dnepropetrovsk, Okraina izay mitady ny hanorenana tambajotram-pirenena hoan'ireo mpikatroky ny fampihenana fanaintainana.