- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fisamonin'ny bilaogin'i Bangladesh

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Ady & Fifandirana, Fifindràmonina, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Sarimihetsika, Toekarena sy Fandraharahàna, Tsidika, Zavakanto & Kolontsaina

(Lahatsoratra teny anglisy nivoaka tamin'ny aogositra 2006)

Inona no nolazain'ny bilaogy Bangladeshita:

* Fizahantany: Razib ao amin'ny South Asia Biz nandahatra [1] ny antony 12 tokony handehananao ao Bangladesh -tanin'ny zava-maitso.

* Fanabeazana: Rajputro manazava [2] ny antony ao ambadiky ny fihetsiketsehan'ny mpianatra ao amin'ny Oniversiten'ny Famorona-milina (Injeniera) sy ny Teknolojia ao Bangladesh, toeram-pianarana nandalovany.

* Fihariana: South Asia Biz nitatitra [3] fa any Sitaranpur, tanàna kely iray ao Bangladesh, fianakavian'olombelona mihitsy no manolo-tena manamboatra akanim-borona fa tsy ny vorona izay haondrana any ivelany.

* Politika: Salam Dhaka mitsikera [4] ny fisarahan-kevitra teo amin'ny Filoha Mpanatanteraky ny Filankevi-Pitantanan'ny Fampiasam-bola (BOI) ao Bangladesh sy ny Foiben'ny Fifampiresahana Politika (fanaovan-dalàna) (CPD), fifandaminam-pikarohana mahaleotena iray.

Shafiur ao amin'ny imperfect | world | 2006 milaza [5] ny ataon'ny Filohan'ny BOI ho fomban'ny any Singapaoro hanintsanana ny mpanohitra.

Nazim Farhan Choudhury ao amin'ny Conversations with an Optimist miampanga [6] ny fiarahamonim-pirenena ho tezitra sy mitsikera hatrany araka izay azo atao amin'izay fampivoarana ataon'ny hafa. Tsy mahita holazaina hatrany ny fiarahamonim-pirenena Bangladeshita amin'ny vahaolana tokony ampiharina.

* Tamberina: ‘Ny zavabitan'ny tena manaraka ny lalan'ny Fitiavana sy ny famindram-pon'Andriamanitra tsy misy fiafarany’ – izany no lohahevitry ny boky ‘Master of the Jinn’ (mpifehy ny Jinn [fanahy?] nosoratan'i Irving Karchmar nanaovan'i [7] Sadiq avy ao amin'ny Inspirations and Creative Thoughts jery todika.

* Mari-panondroana: Sid H Arthur avy ao amin'ny Serious Golmal mandray anjara fifanakalozan-kevitra [8] amin'ny resaka mari-panondroan'ny Bangladeshita.

* Ady: Tazzy ao amin'ny A sunshine too brief  nanam-panontaniana maromaro [9] rehefa nahare ny ho fitsaharan'ny ady ao Afovoany Atsinanana.
Haharitra ve izany?
Hamarana zavatra maro ve?

* Literatiora: Nodimandry [10] teo amin'ny faha-77 taonany i Shamsur Rahman, poeta malaza indrindra ao Bangladesh. Misaona miaraka amin'ny firenena tamin'ny fahafatesany ny tontolon'ny bilaogy. Shahriar Karim avy ao amin'ny Khero Khata mitaraina [11] fa na ny praiminisitra na ny lehiben'ny mpanohitra, eny fa na ny filoha aza, tsy mba nanam-potoana hitsidika ilay poeta teo amin'ny fandrianam-pahafatesany.

* Kolontsaina: Razib avy ao amin'ny South Asia Biz miteny [12] ny fomba fanaovana dite amin'ny ankapobeny eny amin'ireo toeram-pisotroana dite manaraka ny lalan'i Bangladesh.

* Toetrandro: bilaogy Akash & Nila any amin'ny firenenkafa misokitra ny lisitry [13] ny fomba itoerana mangatsiatsiaka mandritra ny vanim-potoana mafana ao Bangladesh.

* Bilaogy miteny bangla: Mihamatanjaka hatrany ny sehatra famahanam-bilaogy amin'ny teny bangla Bandh Bhangar Awaaj [14] amin'ny fahazoana jeripejy mihoatra ny 50000 isan'andro. Mavitrika tokoa amin'ny fananana ireo mpisera mihoatra ny 2500 misoratra anarana ao aminy mamoaka isan'andro vaovao, hainteny sy poezia ary maro koa ny fanehoan-kevitra sy ny tsikera. Hitanao avokoa ny lohahevitra rehetra toy ny politika, fivavahana, fehim-pitantarana dia lavitra na sinema. Raha mahay ny fiteny bengali ianao dia tsy tokony hanlao fotsiny ilay habaka.