Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Fisamonin'ny bilaogin'i Bangladesh

(Lahatsoratra teny anglisy nivoaka tamin'ny aogositra 2006)

Inona no nolazain'ny bilaogy Bangladeshita:

* Fizahantany: Razib ao amin'ny South Asia Biz nandahatra ny antony 12 tokony handehananao ao Bangladesh -tanin'ny zava-maitso.

* Fanabeazana: Rajputro manazava ny antony ao ambadiky ny fihetsiketsehan'ny mpianatra ao amin'ny Oniversiten'ny Famorona-milina (Injeniera) sy ny Teknolojia ao Bangladesh, toeram-pianarana nandalovany.

* Fihariana: South Asia Biz nitatitra fa any Sitaranpur, tanàna kely iray ao Bangladesh, fianakavian'olombelona mihitsy no manolo-tena manamboatra akanim-borona fa tsy ny vorona izay haondrana any ivelany.

* Politika: Salam Dhaka mitsikera ny fisarahan-kevitra teo amin'ny Filoha Mpanatanteraky ny Filankevi-Pitantanan'ny Fampiasam-bola (BOI) ao Bangladesh sy ny Foiben'ny Fifampiresahana Politika (fanaovan-dalàna) (CPD), fifandaminam-pikarohana mahaleotena iray.

Shafiur ao amin'ny imperfect | world | 2006 milaza ny ataon'ny Filohan'ny BOI ho fomban'ny any Singapaoro hanintsanana ny mpanohitra.

Nazim Farhan Choudhury ao amin'ny Conversations with an Optimist miampanga ny fiarahamonim-pirenena ho tezitra sy mitsikera hatrany araka izay azo atao amin'izay fampivoarana ataon'ny hafa. Tsy mahita holazaina hatrany ny fiarahamonim-pirenena Bangladeshita amin'ny vahaolana tokony ampiharina.

* Tamberina: ‘Ny zavabitan'ny tena manaraka ny lalan'ny Fitiavana sy ny famindram-pon'Andriamanitra tsy misy fiafarany’ – izany no lohahevitry ny boky ‘Master of the Jinn’ (mpifehy ny Jinn [fanahy?] nosoratan'i Irving Karchmar nanaovan'i Sadiq avy ao amin'ny Inspirations and Creative Thoughts jery todika.

* Mari-panondroana: Sid H Arthur avy ao amin'ny Serious Golmal mandray anjara fifanakalozan-kevitra amin'ny resaka mari-panondroan'ny Bangladeshita.

* Ady: Tazzy ao amin'ny A sunshine too brief  nanam-panontaniana maromaro rehefa nahare ny ho fitsaharan'ny ady ao Afovoany Atsinanana.
Haharitra ve izany?
Hamarana zavatra maro ve?

* Literatiora: Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany i Shamsur Rahman, poeta malaza indrindra ao Bangladesh. Misaona miaraka amin'ny firenena tamin'ny fahafatesany ny tontolon'ny bilaogy. Shahriar Karim avy ao amin'ny Khero Khata mitaraina fa na ny praiminisitra na ny lehiben'ny mpanohitra, eny fa na ny filoha aza, tsy mba nanam-potoana hitsidika ilay poeta teo amin'ny fandrianam-pahafatesany.

* Kolontsaina: Razib avy ao amin'ny South Asia Biz miteny ny fomba fanaovana dite amin'ny ankapobeny eny amin'ireo toeram-pisotroana dite manaraka ny lalan'i Bangladesh.

* Toetrandro: bilaogy Akash & Nila any amin'ny firenenkafa misokitra ny lisitry ny fomba itoerana mangatsiatsiaka mandritra ny vanim-potoana mafana ao Bangladesh.

* Bilaogy miteny bangla: Mihamatanjaka hatrany ny sehatra famahanam-bilaogy amin'ny teny bangla Bandh Bhangar Awaaj amin'ny fahazoana jeripejy mihoatra ny 50000 isan'andro. Mavitrika tokoa amin'ny fananana ireo mpisera mihoatra ny 2500 misoratra anarana ao aminy mamoaka isan'andro vaovao, hainteny sy poezia ary maro koa ny fanehoan-kevitra sy ny tsikera. Hitanao avokoa ny lohahevitra rehetra toy ny politika, fivavahana, fehim-pitantarana dia lavitra na sinema. Raha mahay ny fiteny bengali ianao dia tsy tokony hanlao fotsiny ilay habaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.