Voces Bolivianas: Nomem-boninahitra noho ny asa mafy nataon'izy ireo

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jiona 2009)

Voces Bolivianas Team. Photo by David Sasaki

Ekipan'ny Voces Bolivianas. Sary avy amin'i David Sasaki

Faly ireo mpikambana ao amin'ny Voces Bolivianas (Feo Boliviana) nahazo fanamarihana fanomezam-boninahitra tamin'ny loka 2009 Prix Ars Electronica. Azo antoka fa hampitombo ny hafanam-pon'izy ireo amin'ny bilaogy izany fankatoavana iraisam-pirenena izany. Niarahaba ny ekipan'ny Hiperbarrio koa izy ireo noho ny fahazoana Nica Volamena tamin'ny sokajy fifandraisana nomerika tamin'ity lanonana ity ihany.

Tao El Alto, Bolivia vao haingana ny talen'ny Rising Voices, David Sasaki mba hiarahaba ny ekipa ary niresaka momba ny tetikasa hafa an'ny Rising Voices. Mario Duran nandefa lahatsoratra momba ny 6 jiona niarahan'ny Voces Bolivianas. Ireto misy sary vitsivitsy.

Nanoratra momba ireo hetsika sy olana samihafa ao Bolivia ny sasany tamin'ireo mpikambana ao amin'ny Voces Bolivianas. Ity jery todika vetivety momba azy ireny.

Alberto Medrano nanoratra momba ny Fiesta de Jesús del Gran Poder (Jesoa Tsitoha), iray amin'ireo fankalazana lehibe ao Bolivia ivelan'ny karinavaly.

Gran Poder

Ny diaben'ny Gran Poder, sary avy amin'i Alberto Medrano

Christina Quisbert nandefa sary sasany ary nanoratra hoe:

About 58 groups participate in this parade starting in the neighborhood called Cementerio dancing kilometers and kilometers until to arrive to downtown. It generally starts early in the morning about 7:00am. and ends 2:00am. on Sunday. Each group of dancers aproximately dances about five or six hours from the beginning until the end of the route.

Vondron'olona 58 teo no mandray anjara amin'ity filaharambe manomboka ao amin'ny faritra manodidina antsoina hoe Cementerio, mandihy amina kilometatra maro mandra-pahatongany any afovoan-tanàna. Amin'ny ankapobeny dia manomboka amin'ny maraina amin'ny 7ora izany ary mifarana amin'ny 2 maraina ny alahady. Ny tarika mpandihy tsirairay dia mandihy mandritra ny dimy na enina ora eo ho eo hatramin'ny fiandohana ka hatramin'ny faran'ny lalana.

Ity ny lahatsary misy ny fankalazana:

Hugo Miranda namoaka hafatra sy sary tamin'ny twitter nampidirin'ny iray tamin'ireo namany @alvaromendez nitatitra ny nahaterahan'i Miguelito zanany lahy.

Christina Quisbert mampahafantatra ilay bilaogera Limachi Sabino:

Limachi With Bolivian Voices in late January this year we were able to find bloggers and bloggers of various cities in Bolivia Bolivian Voices Summit. Among them I had the fortune to meet Limachi Sabino, a member of the Puka Puka, Tarabuco in the department of Chuquisaca. On that occasion I commented on the music project that had begun with other young people from that community to form the group quechua de los Andes Puriy. Sometimes the distance or circumstances make initiatives like the community of Sabino remain invisible. However, we can put our bit to help this musical talent to proceed. The contact information for them is in the blog Progressive Indian.

Miaraka amin'ny Feon'ny Boliviana tamin'ny faran'ny volana janoary tamin'ity taona ity, afaka nahita bilaogera maro avy amin'ireo tanàna samihafa tamin'ny fihaonamben'ny Voces Bolivianas izahay. Anisan'izy ireo i Limachi Sabino, mpikambana ao amin'ny Puka Puka, Tarabuco ao amin'ny departemantan'i Chuquisaca. Tamin'io fotoana io no nanamarihako ny tetikasa mozika izay nanomboka tamin'ireo tanora hafa avy ao amin'io vondrom-piarahamonina io mba hanangana vondrona quechua de los Andes Puriy. Indraindray mahatonga ny tetikasa tahaka ny vondrom-piarahamonin'i Sabino ho tsy hita maso ny halavirana na ny toe-java-misy. Na izany aza, azontsika atao ny manampy ity talenta ara-mozika ity mba handroso. Ny fifandraisana amin'izy ireo dia ao amin'ny bilaogy Progressive Indian.

Manoratra momba ireo taranaky ny Afrikana izay tonga tany Amerika Atsimo nandritra ny andron'ny fanjanahan-tany ihany koa i Christina.

Rock Boliviano manohy mampiseho ny sehatra rock ao Bolivia. Manoratra momba ny fampisehoana tao amin'ny kianjan'ny Hernando Siles, izay hotontosaina androany izy:

concertConcert JUNTUCHA arises from the need to support, disseminate and publicize the new Bolivian musicians. On this occasion of its 5th year celebrations 22 bands will perform on Saturday, June 13, 2009.

Ny Fampisehoana JUNTUCHA dia teraka tamin'ny filàna fanohanana, fanaparihana sy famoahana ireo mpanakanto Boliviana vaovao. Amin'ity fankalazana ny faha-5 taonany ity, tarika miisa 22 no hanao fampisehoana amin'ny asabotsy 13 Jiona 2009.

(Natao tamin'ny fampiasana milina fandikan-teny ny fandikan-teny espaniola mankany amin'ny anglisy rehetra)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.