23 Jolay 2018

Tantara tamin'ny 23 Jolay 2018

Manome tanana ireo Syriana nafindra toerana ny Jordaniana na dia misisika hanidy ny sisintany aza ny governemanta

Dokotera 250 mahery, mpanampy mpitsabo sy vondrona mpitsabo no nanolo-tena an-tsitrapo sy mipetraka anaty trano lay ao Al-Ramtha mba hanampy izay mitady fitsaboana, ankoatra ny fiantohana ny tsy fiparitahan'ny areti-mifindra na viriosy amin'ireo Syriana nafindra toerana ao amin'ny sisintany. Nisy ireo marary sasany nalefa any amin'ny hopitalm-panjakana Jordaniana.

23 Jolay 2018

Rolling Stones sy U2 ao Arzantina

Ny ankamaroan'ny lohahevitra be mpiresaka amin'izao fotoana izao ao amin'ny bilaogy Arzantiniana dia mikasika ny mozika; tamin'io herinandro io ihany, nitsidika ity firenena ity ny tarika Rolling Stones sy U2 mba hanao fampisehoana roa tsirairay. Mazava ho azy, marobe ireo bilaogy nitantara ny zava-nitranga nandritra ny fampisehoana.

23 Jolay 2018

Voces Bolivianas: Nomem-boninahitra noho ny asa mafy nataon'izy ireo

Rising Voices

Faly ireo mpikambana ao amin'ny Voces Bolivianas nahazo fanamarihana fanomezam-boninahitra tamin'ny loka 2009 Prix Ars Electronica. Azo antoka fa hampitombo ny hafanam-pon'izy ireo amin'ny bilaogy izany fankatoavana iraisam-pirenena izany. Niarahaba ny ekipan'ny Hiperbarrio koa izy ireo noho ny fahazoana Nica Volamena tamin'ny sokajy fifandraisana nomerika tamin'ity lanonana ity ihany. 

23 Jolay 2018