- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bangladesh : Nakarina ny karama farany ambany any amin'ny sehatry ny fanenoman-damba

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Sendikà, Toekarena sy Fandraharahàna, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

Efa nanontany tena ve ianareo momba ny toerana anamboarana ny T-shirts sy ny pataloa anareo? Raha ao Amerika Avaratra ianareo na ao Eoropa Andrefana no mipetraka, maromaro kokoa ny vintana maha-avy any Bangladesh ny iray amin'ny akanjo anaovanareo. Tsy ao an-tsainareo mihitsy fa nyo vola miditra avy amin'ny fanondranan'ny firenena dia avy amin'ny fanondranana indrindra [1][amin'ny teny anglisy] ireo akanjo vonona ny hanaovana (VPP) izay eo amin'ny 75%-n'ny vola azo avy amin'ny fanondranana ao Bangladesh.

Fa tato ho ato, nisedra fifanenjanana teo amin'ireo mpiasa sy mpampiasa ny sehatry ny fanenomana lamba, nifantoka teo amin'ny olan'ny karama. Voafehy amin'ny resaka mpiasa manana fahaizamanao saingy mora karama ny tombontsoa fahafahan'i Bangladesh mifaninana, saingy ankehitriny, noho ny fiakaran'ny vidim-piainana dia lasa mampihomehy ny karama farany ambany indrindra. Vitan'ireo fikambanan'ny tompona orinasa mpanao lamba no nampikatso  nandritra ny fotoana maro ny fifampiraharahana momba ny fampiakarana ny karama farany kely indrindra tamin'ny fitazonana ny hoe, raha mampiakatra ny karama izy ireo, tsy afaka ny hitazona ny fifaninanany ary ho very tsena, indrindra amin'ity fotoanan'ny krizy ara-toekarena erantany ity. Ny fialàna olana iray hafa aroson-dry zareo koa dia ny hoe, satria manao ora fanampiny ny ankamaroan'ny mpiasa, mahazo in-dray sy tapany na in-droan'ny karama farany ambany indrindra izy ireo. Fa nampitombo ny fomba fanao ratsy atao amin'ireo mpiasa amin'ny fanerena azy ireo hampivangongo ora fiasana izany.

Mampiasa eo amin'ny mpiasa 3 tapitrisa eo ny orinasan'ny lamba ao Bangladesh  – izay vehivavy ny 80% – any aminà orinasa 5000 eo. Manolotra [2] (amin'ny teny bengali) ny tontolo  manodidina ity fifanolanana ara-tsosialy ity i Mahfuzur Rahman Manik :

সর্বশেষ ২০০৬ সালে বর্তমান বেতন কাঠামো নির্ধারণ করা হয়। সর্বনিম্ন বেতন স্কেলের জন্য তখন মজুরি বোর্ডের সুপারিশ ২৩০০ টাকা থাকলেও মালিক পক্ষের চাপাচাপিতে নির্ধারণ করা হয় ১৬৬২ টাকা। বর্তমান মূল্য ও মুদ্রা; দুইয়ের স্ফীতির এই বাজারে একজন শ্রমিকের নিজের পক্ষেই শহরতলীর বস্তিতেও দিনযাপন করা অসম্ভব। তিন বছর পার হলেও সে বেতনের আর পরিবর্তন হয় নাই।

Tamin'ny 2006 no farany nametrahana ny ambaratongan'ny karama. Nanolotra hevitra ny hametrahana ny karama farany ambany indrindra ho 2300 taka (25€) isam-bolana ny filankevitry ny fitantanana ny karama, fa taoriana fifampiraharahana mafy, nampidina izany ho 1662 taka (18€) isam-bolana ireo mpampiasa. Lasa sarotra ho an'ny mpiasa ny miaina miaraka amin'ny karama toa izany noho ny fihenan'ny sandambola sy ny fiakaran'ny vidim-piainana, na any amin'ireo tanàna mahantra na any an-drenivohitra. Nandritra ny telo taona be izao, tsy nisy fanovana ny karama farany ambany indrindra mihitsy.

Less than a $ a day = not good enough! Image by Flickr user Social Alterations // Visual Lab. CC BY-NC-SA [3]

Kely noho ny dolara 1 isanandro, izany no fahantrana fara-tampony! Sary avy amin'ny mpampiasa Flickr, Social Alterations // Visual Lab. CC BY-NC-SA

Manome ny tolokeviny [4] (amin'ny teny bengali) ho fanondrotana ny karama i Mohammad Golam Nabi  :

বেতন বৃদ্ধির দাবীতে গার্মেন্টস ফ্যাক্টরিগুলোর উত্তাল হয়ে উঠার বিষয়টি বেশি করে শুরু হয়েছে ২০০৭ সালের শেষ ভাগে। [..]

আমাদের গার্মেন্টস শ্রমিকদের একদিনের বেতন ৫৫ টাকা থেকে শুরু। এই টাকায় খাবে, ঘর ভাড়া দেবে, সাবান কিনবে, গোসল করবে আমরা কি করে আশা করি। [..] প্রজনন স্বাস্থ্যের যত্নবিহীন এই নারীরা যে সন্তান জন্ম দেবে, সেই সন্তান এই দেশের আগামী প্রজন্ম মনে রাখুন।

Niantomboka tany amin'ny faran'ny taona 2007 ireo hetsi-panoherana ho amin'ny fanondrotana ny karama. […]

Manomboka amin'ny 55 taka (60 cents) ny karama isanandron'ny mpiasa amin'ny orinasan-damba iray. Io karama kely io no tsy maintsy ampiasaina mba handoavana ny hofan-tranony, ny sakafony, ny saran'ny fitsaboana, sns. […]. Tsy hanan-tsafidy afa-tsy ny hiteraka zaza anatin'ny fepetra tsy ara-pahasalamana ireo vehivavy rehetra ireo, nefa ireo zaza ireo no ho andian-taranaka hoavy – noho izany, aoka hitandrina !

Mihevitra [5] i Sharif Kafi fa tsy mifototra eo amin'ny olan'ny karama ny anton'ireo fikorontanana tato ho ato eo anivon'ny indostrian'ny lamba fa eo amin'ny fanararaotana tsy ara-dalàna ataon'ny mpampiasa sasany amin'ireo mpiasa :

এসব ঘটনা ঘটার মূল কারণ শ্রমিকদের অত্যন্ত কম বেতন দেয়া, গার্মেন্টস মালিক কর্তৃক বেতন বকেয়া রেখে পরে তা শোধ না করা, বকেয়া বেতন ও বকেয়া ওভার টাইম এবং বকেয়া ভাতাদি পরিশোধ না করে হঠাৎ করে ফ্যাক্টরি বন্ধ করে দেয়া এবং ঈদের আগে সময় মত বেতন-বোনাসের টাকা পরিশোধ না করা অথবা না করে ফ্যাক্টরী বন্ধ করে দেয়া। অথচ এক শ্রেনীর গামেন্টস মালিকরা এসব ঘটনাকে বিদেশী চক্রান্ত বলে সবার চোখে ধুলো দেয়ার চেষ্টা করছে।

Betsaka no antony fototra mahatonga izany : tena ambany be ny karaman'ireo mpiasa, betsaka ny tsy fahavitàna mandoa ara-dalàna ny karaman'ireo mpiasa, tsy mandoa karama ny orinasa rehefa mikatona, na tombon-karama rehefa tonga ny fetin'ny aïd. Ankoatr'izay, miezaka ny hanambany ireo mpiasa ny tompona orinasan-damba sasany amin'ny filazana fa lafiny ara-politika ireo trangan-javatra ireo.

Taorian'ny fotoana lavabe nifampiraharahana teo amin'ny mpampiasa sy mpiasa, nanapa-kevitra ny hampiakatra [6] ny karama farany ambany ihany ny fanjakana [6] ny farany mba hametrahana izany ho 3000 taka (33€), izay in-droan'ny karama ankehitriny. Nambara tamin'ny 29 jolay [7] ny ambaratongan'ny karama.

Manolotra FSV (Fanontaniana Sy Valiny) momba ny karama sy ny indostrian'ny lamba i Arif Jebtik , blaogera, mpanoratra sady mpandraharaha tamin'ny fipetrahana amin'ny toeran'ny mpitantana orinasa. Ahitàna sombiny [8] amin'ny lahatsoratra nosoratany ao amin'ny tranonkala  Sachalayatan :

* নতুন বেতন যদি নূন্যতম বেতন ৩০০০ টাকা করা হয়, তাহলে এই সেক্টরে কী সমস্যা দেখা দিতে পারে ? গার্মেন্ট শিল্প কি বন্ধ হয়ে যাবে ?

: নাহ, আদতে তেমন কোনো ক্ষতি হবে না। কারন তখন সব গার্মেন্টই বেতন বাড়াতে বাধ্য হবে, সুতরাং তারা মূল্যও বেশি দাবি করবে। বায়ারদের হাতে এই মুহুর্তে কোনো বিকল্প নেই, তাই তারা বেশি দামেই কাপড় কিনতে বাধ্য হবে। মনে রাখতে হবে আমরা যে কাপড় সেলাই করি, সেটি খুবই বেসিক এবং কম দামের, সুতরাং এই কাপড়ের চাহিদা দুনিয়াতে থাকবেই।

* নতুন বেতন বৃদ্ধিতে গার্মেন্টের লাভ কমে যাবে বলে অনেকেই ধারণা করছেন। গার্মেন্ট শিল্পগুলো কিভাবে চলবে তখন ?

: আসলে বেতন বৃদ্ধি আমাদের জন্য এক ধরনের আশীর্বাদ হিসেবে আসবে বলে আমার ধারণা। এখন গার্মেন্টগুলো বাধ্য হবে নতুন প্রযুক্তির প্রচলন করতে এবং বৈজ্ঞানিক পদ্ধতিতে উৎপাদন ব্যবস্থাপনা করতে। এটি এই শিল্পের জন্য ভালো হবে। প্রোডাকশন ইঞ্জিনিয়ারিং চালু হবে, দক্ষ শ্রমিক ও মিড লেভেল ব্যবস্থাপনা তৈরীর জন্য প্রশিক্ষনের ব্যবস্থা করতে হবে।

*Raha misondrotra ho 3000 taka ny karama farany ambany indrindra, olana inona no ho atrehan'ity sehatra ity ? Orinasa maro ve no hikatona?

- Tsia, tsy mahita orinasa hiroboka amin'ny faty antoka lehibe aho. Satria samy hampiakatra ny karamany avokoa ny orinasa rehetra eo amin'io sehatra io, hiakatra toy izay ihany koa ny vidin'entana. Tsy dia manana fahefa-mividy be ny mpividy, tsy maintsy hanaraka ity fisondrotan'ny vidin'entana ity izy ireo. Mila saininareo fa raha ny mahazatra, akanjo tena ilaina sy tsy dia lafo vidy no vokarintsika, noho izany, hanaraka ihany koa ny fangatahana eran-tany

* Milaza ny sasany fa hihena ny tombontsoa azon'ny orinasa ary hiteraka ny fikatonan'izy ireo izany. Ahoana no hahafahan'izy ireo hivelona aminà masonkarena  lafo be ?

- Mihevitra aho fa ho fitahiana ny fanondrotana karama. Mila mampihatra teknolojia sy fomba famokarana ara-tsiansa vaovao ny orinasa. Hahazoan'ny indostria tombony izany. Homena aina vao indray ny sehatra toy ny teknika indostrialy, mila mandray anjara amin'ireo fampiofanana ireo ny mpiasa manana ny fahaizamanao sy ireo mpifehy.