- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Malayzia: Namely ny atsimon'i Malayzia ny onjan-tondradrano faharoa

Sokajy: Azia Atsinanana, Malezia, Mediam-bahoaka, Voina, Vonjy Voina

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jiona 2009)

Andro vitsy taorian'ny nanombohan'i Malezia ny Visit Malaysia Year 2007 [1], niharan'ny oram-be mivatravatra ny fanjakana Atsimon'i Malezia  Johor [2] izay nitarika azy mankany amin'ny onja tondradrano.


Mpisera Youtube debbieseraphina  [3]naka sary ny tondradrano avy eny amin'ny varavarankeliny

Hatramin'ny fotoana nanoratana, nitatitra ny fanaraina SMS alefan'ny The Star [4], iray amin'ireo gazety malaza mpivoaka isan'andro ao Malezia fa nitombo avo roa heny [5] hatramin'ny 50.172 tao amin'ny foibe fanampiana miisa 208 ny isan'ireo niharam-boina tamin'ny tondradrano tao Johor. Ny faritra manodidina ny renivohi-panjakana Johor Baru [6] no tena anisan'ny voa mafy [7], izay olona maherin'ny 20.000 no nafindra toerana.

Nanome toky ny praiminisitra Abdullah Ahmad Badawi fa hanao izay rehetra azony atao ny governemanta mba hanomezana fanampiana ho an'ireo niharam-boina tamin'ny tondradrano, nampanantena fanampiana fanampiny RM500 [8](142,245 dolara) ho an'ny fianakaviana tsirairay voakasika. Napetraka ny programa tanàna fandraisana [9] natao hanampiana ireo tra-boina noho ny tondradrano ary antsoina ny Maleziana mba hanampy am-pitiavana [10].

Tafahitsoka [11] tao  Kota Tinggi [12], iray amin'ireo faritra voa mafy indrindra ilay bilaogera antsoina hoe xpyre mandrapanadiovan'ny manampahefana ny iray tamin'ireo fivoahana mba hampizotra ny fifamoivoizana. Nanesy ireo toe-javatra mitranga [13] ilay bilaogera Linken Lim izay tafahitsoka koa tao amin'ny iray amin'ireo faritra voakasika ary namoaka fangatahana fanampiana amin'ny vahoaka [14] avy amin'ilay bilaogera hafa Marina Mahathir.

Nalahelo noho ny tondradrano [15] i Mom's Daily ary nanazava ny antony mahatonga ny FTMF (ONG) sy ny fikambanana maro te-hampiroborobo ny fampinonoana zaza mba hiantohana ny fahaveloman'ny zaza na dia ao anatin'ny loza mahatsiravina indrindra tahaka izao aza. Na dia ilay mpananihany mahazatra Rojaks Daily aza mba nanome voninahitra [16]an'ny kukujiao.com noho ny fanoloran-tenany hanampy ireo niharan'ny tondra-drano tamin'ny alalan'ny hetsika tena izy [17]. Mila samaritana tsara tahaka azy i Malezia!

Mandritra izany fotoana izany, miantso ny vahoaka ankapobeny ny Fikambanana Volatsinana Mena Malayziana [18] (MCRS), anisan'ireo antsoina ny sehatra tsy miankina, orinasa, fikambanana mba halala-tanana hitondra anjara biriky ao amin'ny  Tahirim-bolan'ny Volatsinana Mena Maleziana [Vokovoko Mena ihany fa satria firenena betsaka miozolomana i Malayzia no iantsoana ilay fikambanana ho Volatsinana] izay natsangana mba hanomezana fanampiana ara-bola sy fanavotana ireo olona voakasiky ny tondra-drano vao haingana.

Tsy iharan'ny hetra ny fandoavam-bola rehetra ary azo aloa ao amin'ny:

“Malaysian Red Crescent Society” na Maybank A/C No – 5144 2210 3788 na antsoy ny laharana  Tel: +603 – 4257 8726, Fax: +603 – 4257 3537 (Operations Room) raha mila fanazavana fanampiny.