- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Panama: Zavatra mahavariana eny amin'ny lalambe

Sokajy: Amerika Latina, Panamà, Mediam-bahoaka, Saripika

(Marihina fa tamin'ny 17 May 2007 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Indraindray rehefa mandeha fiara amin'ny làlan'i Panama dia mahita zavatra hafahafa tokoa. Raha tsy nisaraka tamin'ny fakantsary teny an-tanana i CaDs  dia nahazo ny sarin'ny lehilahy iray natory tamin'irony ‘hamac [1] (fatoriana mitsingevana) irony taorian'ny kamiao iray am-pandehanana izy.