- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Teti-dratsin'ny tontolon'ny bilaogy Anglo-Venezoeliana

Sokajy: Amerika Latina, Venezoela, Fahalalahàna miteny, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Marsa 2006)

Amin'ity herinandro ity ny Peace Journalism (Asa fanaovan-gazety ho amin'ny fndriampahalemana) [1] mitondra lahatsoratra ho antsika miresaka fisarahan-kevitra ara-politika ao amin'ny aterineto sy ny bilaogim-baovaon'ny olom-pirenena Venezoeliana [2]. Tanora mpanao gazety be fanantenana hatrany nilaza hoe:

thanks to the majority being prone toward dialogue, bigger and better spaces for tolerance, inclusion, or at least acknowledging (…) of the other are being built.

noho ny ankamaroan'ny olona nitodika tamin'ny fifanakalozan-dresaka, natsangana ny sehatra lehibe kokoa sy tsara kokoa ho an'ny fandeferana, fampidirana anivon'ny fiarahamonina, na farafaharatsiny fankasitrahan'ny hafa

Roa andro monja lasa izay, nitsikera ireo bilaogy amin'ny teny Anglisy miresaka politika Venezoeliana ny milina fanoheram-baovao Enigmas Express [3], mihevitra azy ireo ho fitaovam-piadiana tsy talaky maso mivantana [4]. Khandika kosa namaly ny lahatsoratra mikasika ny VCrisis [5] [ny Vkrizy], Venezuela News and Views [6] [Vaovao sy fijery Venezoelà], The Devil´s Excrement [7] [Ny diky navelan'ny devoly], Caracas’ Chronicles [8] [tantaran'i Caracas] ary PBMcomments [9] ho toy ny lohalaharan'ny tontolon'ny bilaogy ara-politika Venezoelana [10].

Androany, gazety Venezoeliana malaza, Últimas Noticias [11] namoaka dokambarotra amin'ny pejy iray manontolo izay iampangana indrindra ny bilaogy nampangaina ery ambony ho anisan'ny teti-dratsy Anglo-Venezoeliana amelezana ny governemantan'i Chávez.

Ireo fanehoan-kevitra avy amin'ireo bilaogera nandray anjara:

Anglo-Venezuelan Connection Unite! [12]

Open Threat [13]

NAOR Never [14]

The Mysterious David Duquenal [15]