EWAMT: Nahazo fampiofanana momba ny fampitam-baovaon'olontsotra ny vehivavy Yemenita miisa 112

(Marihina fa tamin'ny 9 Febroary 2010 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)
EWAMT Participants

Nahavita dingana lehibe tamin'ny fampiofanana momba ny fitaovan'ny media vaovao ho an'ireo vehivavy mpanao politika, mpikatroka, ary mpiasa ho amin'ny zon'olombelona ao Yemen ny EWAMT tetikasa tohanan'ny Rising Voices ‘Fanohanana ireo Vehivavy Mpikatroka amin'ny Teknikan'ny Media’ . Nitatitra ny lehiben'ny tetikasa Ghaida'a Al Absi fa vita ny dingana voalohany tamin'ny tetikasa. Na dia teo aza ny olana ara-teknika toy ny fahatapahan'ny herinaratra matetika sy ny aterineto milona dia nahavita nampiofana bilaogera vehivavy miisa 112 ny tetikasa izay nihoatra ireo mpandray anjara nokendrena miisa 100 tamin'ireo atrikasa miisa folo.

Nandray mpandray anjara miisa 20 ny atrikasa farany ny 25 Janoary. Tsy naniry fotsiny ny hianatra ireo zazavavy ireo fa nametraka fanontaniana marobe ihany koa izy ireo. NanamarikaFathi al-Dhafri , mpampianatra tamin'ny atrikasa teo aloha (24 Desambra 2009) hoe :

“training girls is tiring because they are asking a lot, and want to learn everything at the same time.“

“nandreraka  ny fampiofanana ny tovovavy satria nanontany zavatra betsaka ry zareo, sady tiany hianarana indray miaraka ny zava-drehetra .”

Nanazava i Ghaida'a:

This is true because of the social pressure on women; they are trying to prove themselves through getting a higher education and gaining new skills. For example, the rate of success among girls in the secondary education is higher than among boys.

Marina izany satria noho ny tsindry ara-tsosialy atao amin'ny vehivavy; Miezaka manaporofo ny tenany izy ireo amin'ny alalan'ny fahazoana fanabeazana ambony kokoa sy ny fahazoana fahaiza-manao vaovao. Ohatra, ambony kokoa noho ny an'ireo tovolahy ny tahan'ny fahombiazana eo amin'ireo ankizivavy ao amin'ny fampianarana ambaratonga faharoa.

Nasongadina tamin'ny gazetin'ny faha 14 Oktobra ihany koa ny tetikasa. Nanamarika ny tenin'i Ghaida'a i Bashir, ilay mpanao gazety nitsidika atrikasa iray:

She pointed out that the second phase of the project will commence in February next explained that the project is for women only on the grounds that the number of women professionals in this aspect is very small compared with the number of young people who operate extensively in this aspect.

Nomarihiny fa hanomboka ny volana Febroary ny dingana faharoa tamin'ny tetikasa, ary nohazavainy fa ho an'ny vehivavy irery ihany izany satria tena vitsy ny isan'ny vehivavy matihanina amin'ity sehatra ity raha oharina amin'ny isan'ny tanora miasa betsaka ao anatin'izany sehatra izany.

Notontosaina ny volana Febroary ny lanonana fizarana mari-pahaizana ho an'ireo bilaogera mavitrika. Navoaka ihany koa ny andiany voalohany tamin'ny “Gazetiboky Tadween “.

Ghaida'a lists the plans for the second phase:

Nitanisa ny lisitry ny drafitra ho an'ny dingana faharoa i Ghaida'a :

1- Train 88 ladies in blogging and social networking

2- Train 20 ladies in the art of writing

3- publish the second edition of Tadween magazine.

4- Make two workshops in two other localities.

1- Fampiofanana ny vehivavy miisa 88 amin'ny famahanana bilaogy sy ny tambajotra sosialy

2- Fampiofanana ny vehivavy miisa 20 amin'ny fahaizana manoratra

3- Famoahana ny andiany faharoa amin'ny gazetiboky Tadween.

4- Fanaovana atrikasa roa any amin'ny toerana roa  hafa.

ewamt participants

Ireto ambany ireto ny topimaso tamin'ny lahatsoratra nosoratan'ny bilaogera sasany:

Nanoratra momba ny fahalalahana i Bee ao amin'ny bilaogy Small Bee:

Freedom is not a decree issued by Parliament, it is made in us. It is the way we think and the way we feel and the means by opening our hearts to a new sense of our minds and wake up a creative idea. The most serious threats to our freedom is not .. Prison …. But the gallows in the depths of our concern.. fear of failure. (machine translation)

Tsy didim-panjakana navoakan'ny Parlemanta ny fahalalahana, fa isika no manao izany. Izany no fomba iray hisainantsika,  hahatsapantsika ary hampiasaintsika amin'ny fanokafana ny fontsika amin'ny fomba fijery vaovao momba ny fisainantsika ary hamoha ny hevitra famoronana. Ny tena loza mananontanona indrindra amin'ny fahafahantsika dia tsy ny .. Fonja …. akory. Fa ny vesatra ao anatin'ny fanahiantsika lalina.. ny tahotra tsy fahombiazana.

Niresaka momba ny andraikitry ny vehivavy ao amin'ny fiarahamonina Yemenita amin'ny vanim-potoana ara-tantara sy ankehitriny i Yemen Al Saeed ao amin'ny Happy Yemen .

“Moa ve isika mivelona ho an'ny tenantsika sa ho an'ny hafa ?” hoy i Hanan Attia nametra-panontaniana.

Nanoratra momba ny fahorian'ny fiainana sy ny fanantenana any amin'ny faran'ny tonelina i Make a difference by posting your comment.

Naniry ny fahombiazan'ny fihaonambe tao London i Kholoud ao amin'ny tetikasa Ambitious.

Efa manana tranonkala ankehitriny ny 24 tamin'i'ireo bilaogera miisa 112 niofana. Indro ny lisitr'ireo bilaogera izay azonao zohiana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.