- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Maoritania: Mpanao Gazety Iray Voasambotra, Tranonkala Mpampita Vaovao Iray Nosakanana Ary Fihetsiketsehana Iray Nofaizina

Sokajy: Maoritania, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona, GV Mpisolovava

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Martsa 2009)

Abbass-Ould-Braham.jpeg [Amin'ny teny anglisy ireo rohy]

Nosamborina tamin'ny Alatsinainy 16 martsa 2009 i Abbass Ould Braham, maoritaniana iray mpanao gazety ety amin'ny Aterineto, noho ny lahatsoratra iray izay navoakany teo amin'ny vohikala Taqadoumy [1]. Ny Taqadoumy.com no nitatitra ny vaovao mikasika ny fisamborana azy ary naverin'ireo vohikala maoritaniana marobe izy io [1]. Resahan'ny lahatsoratr'i Abbass mitondra ny lohateny hoe “Miditra Lalina ao Maoritania: iray amin'ireo endrika ivelan'ny rafitra vaovao iray” (amin'ny teny arabo) ny fanonganam-panjakana tamin'ny 6 Aogositra [2] notanterahan'ny tafika, sy ny rafitra ara-politika maoritaniana..

Nosamborin'ny polisy ilay mpanao gazety miasa tena sady mpampianatra amin'ny anjerimanontolon'i Nouakchott, Abbass Ould Braham. Tao amin'ny trano fisotroana kafé tao Nouakchott izy niaraka tamin'ireo namany, no indro polisy roa niditra ary nanery azy hivoaka niaraka tamin'izy ireo. Tsy nampiseho taratasy akory ireo polisy ireo milaza ny fisamborana azy. Rehefa nanontany an'ireo polisy ireo namany mikasika izay antony nisamborana an'i Abbass, namaly azy ireo ny polisy fa nisy nifandraisany tamin'ireo lahatsoratra izay nosoratany tsy tapaka ho an'ny Taqadoumy.com izany, vohikalam-baovao iray izay mamoaka lahatsoratra mitsikera ireo mpanao politika ankehitriny, eo amin'ny fahefana vokatry ny fanonganam-panjakana. Mbola voatana any am-ponja i Abbass ary tsy misy vaovao mihitsy amin'izao fotoana izao milaza mikasika ny famoahana azy.

Nanandrana nikarakara fitokonana iray manoloana an'ireo biraon'ny Firenena Mikambana tao Nouakchott ireo mpanao gazety maoritaniana ampolony tamin'ny Alatsinainy teo ho firaisankina miaraka amin'ny mpanao gazety, Abbass Ould Braham, tamin'ny fotoana nanoheran'ny polisy maoritaniana ny fihetsiketsehan'izy ireo, nitifitra tamin'ny grenady mandatsa-dranomaso tamin'izy ireo ary nikapoka azy ireo tamin'ny kibay [3].manif_abass.jpg

Ireo mpanao fihetsiketsehana teny an-dalambe taorian'ny tifitra grenady mpandatsa-dranomaso nataon'ny polisy mpandrava korontana azy ireo nandritra ny fitokonana ho firaisankina amin'i Abbass Ould Braham, ilay mpanao gazety voasambotra (Loharano:Taqadoumy.com [4])

Noforonina teo amin'ny Facebook [5] ny vondrona iray ho firaisankina amin'i Abbass.

Tsy vao voalohany izao no nisamborana mpanao gazety amin'ny Aterineto tao Maoritania ; mpanao gazety iray hafa, avy ao amin'ny Taqadoumy.com, Cheikh Ould Ahmed, ihany koa no nenjehina [6] tany aloha tany noho ny fanalàna baràka ny senatera iray an'i Kankossa. Navoaka i Cheikh Ould Ahmed, saingy mbola ambany fanarahamason'ny fitsaràna.

Naharay baiko avy amin'ny Lehiben'ny Fampanoavana [7], Seyid Ould Ghailani, ireo roa goavana mpamatsy tolotra Aterineto ao Maoritania, Chinguitel sy Mauritel [8], mba hanakatona an'ilay vohikala mpilaza vaovao heverina ho faharoa goavana indrindra ao amin'ny firenena. Mauritel [8], orinasam-panjakana misahana ny fifandraisandavitra ao amin'ny firenena no nampihatra ny baiko hanakanana ilay vohikala tamin'ny fanakatonana azy [9]. Raha mbola nitohy io, dia izay no tranga voalohany [10] amina sivana atao amin'ny vohikala maoritaniana ao Maoritania (hatramin'ny fanonganam-panjakana tamin'ny taona 2005 [11]).

Tamin'ny novambra 2008 [12], vohikala maoritaniana roa fara-fahakeliny no voajirika. Samy mpanakiana ny fitondrà-miaramila notantanin'ny Général Mohamed Ould Abdel Aziz [13] ireo vohikala roa ireo:

Nobahanana nandritra ny iray na roa andro teo ho eo ny masoivoho mpilaza vaovao Sahara Media [14], izay heverina ho toy ny vohikala mpilaza vaovao voalohany ao Maoritania,  raha toa ny vohikala anbaa [15] tsy mba voabahana, saingy norobaina kosa ny biraony tao Nouakchott ary nangalarina ireo solosainany, araka ny voalazan'i M. Maloum, mpandrindra ny vohikala For Mauritania (Ho an'i Maoritania), vohikala iray mpikatroka.

Ny fanafihana ny vohikala Anbaa dia toa [15] misy fifandraisana amin'ny fikasàna hanao ampamoaka mikasika an'ireo tantara ratsy maha-voarohirohy an'ireo mpanao politika sy ireo mpiasam-panjakana ambony ao amin'ny firenena.