- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpikatroka iray ao Burkina Faso miatrika fitsarana noho ny fanehoan-keviny tao amin'ny Facebook

Sokajy: Afrika Mainty, Borkina Faso, Fahalalahàna miteny, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka
[1]

Pika avy amin'ny lahatsary YouTube ahitana an'i Naim Traoré manazava ny raharaha momba azy ao amin'ny Droit libre TV

Niakatra fitsarana tao amin'ny Fitsarana ady madio ao Ouagadougou Burkina Faso i Naïm Touré ilay mpikatroka sady mpanaporitsaka raharaha tsy mazava. Tamin'ny faran'ny fotoana, nitaky fampidirana am-ponja azy mandritra ny herintaona ny mampanoa lalàna, saingy tsy ho fantatra ilay didim-pitsarana raha tsy amin'ny 3 Jolay 2018.

Nosamborin'ny zandarim-pirenena izy ary nohidina tamin'ny Alakamisy 14 Jona 2018 noho izy naneho fahatezerana teo amin'ny pejy facebook-ny tamin'ny fahavoazan'ny zandary iray izay, iray volana taorian'ny naharatrany nandritra ny hetsika fanoherana ny fampihorohoroana [2] dia mbola miandry foana ny famindrana ara-pitsaboana azy any ivelany.

Mamerina [3] ny fiampangana ny tranonkala ouagalais netafrique.net, araka ny tenin'i Prosper Farama iray amin’ ireo mpisolovavany :

Il lui est reproché trois infractions : la première, il aurait participé à une opération de démoralisation des forces de défenses et de sécurité (FDS) par une publication sur sa page Facebook. La 2e infraction, c’est d’avoir proposé aux FDS de former un complot contre la sûreté de l’Etat. La 3e ; c’est incitation de troubles à l’ordre public

Heloka telo no niampangana azy: ny voalohany, noheverina fa nandray anjara tamin'ny hetsika fanakiviana ny fiarovana sy ny filaminana tamin'ny alalan'ny famoahany hevitra tao amin'ny pejy facebook-ny. Ny fanitsakitsahana faharoa: ny fanolorankevitra ny mpitandro ny filaminana hamorona tetika hanakorontanana ny Fanjakana. Ny fahatelo : Fandrisihana hikorontanan'ny filaminam-bahoaka

Nandritra ny fitsarana natrehan'ny mpisolovava ampolony dia nilaza i Touré fa tsy meloka izy, araka ny filazan'i Armand Kinda amin'ny infowakat.net:

Pour l’accusé, son poste en date du 13 juin sur le réseau social facebook n’avait pas pour but de « participer à une entreprise de démoralisation des Forces armées nationales » comme l’estime le procureur du Faso. Selon les explications données par Naïm Touré à la barre, « ce poste a été fait pour informer l’opinion et pour dénoncer l’attitude des autorités (actuelles) qui ont une lenteur administrative », en ce qui concerne le retard constaté dans la procédure d’évacuation du pandore blessé pendant l’opération de démantèlement du réseau de terroristes le 22 mai 2018 à Rayongo où le gendarme François De Salle Ouédraogo y a perdu la vie.

Ho an'ilay voampanga, tsy natao handraisana anjara amin'ny fanakiviana ny “vondro-tafika nasionaly” araka ny eritreritry ny mpampanoa lalàna ny lahatsorany tao amin'ny tambajotra sosialy facebook tamin'ny 13 jona. Araka ny fanazavana nomen'i Naïm Touré teo amin'ny hazomeloka, “natao hampahafantarana ny vahoaka ary natao hiampangana ny toe-tsain'ireo manampahefana (ankehitriny) izay manana fitantanana mitarazoka iny lahatsoratra iny” mikasika ny fahataran'ny fandefasana any ivelany ilay mpitam-basy naratra nandritra ny hetsika fandravana tambajotra mpampihorohoro tamin'ny 22 May 2018 tao Rayongo izay namoizan'ilay zandary François De Salle Ouédraogo ny ainy.

Maro amin'ireo namany ao amin'ny Facebook, maherin'ny 34.000 izay mpikatroka ho amin'ny zon'olombelona no namaly. Mampitaha [4] ny zavatra voasoratra ao amin'ny Facebook amin'ny zavatra lazaina eo amin'ny mpiara-miasa sy ny namana momba ny toe-draharahan'ny fireneny i Rodolphe Somd

Des zélés en quête de postes de nommination ont induit nos autorités en erreur. Bien au contraire de mettre Naïm en prison, on aurait dû le remercier du fait qu'il desarme consciemment ou inconsciemment toutes entreprises des fds [Forces de sécurité] allant dans ce sens. Bien entendu son poste anticipe voire dejoue tout projet allant dans ce sens en ce qu il éveille un peu plus la vigilence des autorités sur un probable coup de force. Alors libérez ce morpion qui ne constitue aucune menace contre la sureté de l'Etat… Or facebook est un autre cabaret où ce qui s y dit ne devrait pas avoir plus d importance…

Namitaka ny manam-pahefanantsika hanao fahadisoana ireo mpitady toerana. Mifanohitra amin'ny nampidirana an'i Naim any am-ponja, tokony nisaotra azy isika noho izy ninia na tsy ninia nanala tao an-tsaina izay rehetra mety ho hevitra mankany amin'izany. Mazava ho azy fa nitsinjo mialoha, eny mety ho nahasoroka izay rehetra tetikasa mankany amin'izany zotra izany ny lahatsorany satria lasa mailo kokoa ny manampahefana amin'izay mety ho fisian'ny fanonganam-panjakana. Ka noho izany, avotsory io bibikely tsy mampidi-doza akory ny filaminam-panjakana io… Ary ny Facebook dia ilay toeram-pihirana sy fisotrosotroana iray hafa tsy tokony horaisina ho zava-dehibe…

Raha ny marina, araka ny zavatra nosoratany [5] izay nozaraina in-525 dia ho sarotra ny mamantatra ny antony hiampangana azy. Mahita [6] ny tranonkala kelgueka.wordpress.com fa tokony hiteraka fihomehezana izany fiampangana izany satria mila zavatra bebe kokoa noho izany vao miteraka fikomiana eo amin'ny miaramila

 De telles accusations pour des militaires déjà en rébellion, c’est l’hilarité. Quand aux causes des révoltes ou rébellions dans les armées, au Burkina comme ailleurs, elles sont pareilles pour la majorité des cas. En 2011 , les mutineries avaient été suscitées par l’humaine condition. Blaise Compaore recevant la troupe s’était rendu à l’évidence de la misère de celle-ci. Chez Ouattara en côte d’Ivoire, les révoltes ont eu pour cause essentielle les impayés de soldes.

Récemment au Sahel, les bruits des mécontentements étaient liés à la non tenue d’engagements pris par l’autorité en lien avec les conditions de vie et de travail dans cette mission périlleuse de la lutte anti terroriste. Jusqu’à preuve du contraire, outre la gestion de l’armée et très rarement les manipulations occidentales pour des visées politiques, l’armée ne s’est jamais mise en situation de révolte par le fait de l’opinion publique.

Fiampangana tahaka izany ho an'ny miaramila efa mikomy, tena mampihomehy. Raha ny antony mahatonga ny revolisiona na ny fikomiana ao amin'ny tafika, any Burkina tahaka ny any an-kafa, dia mitovy amin'ny ankamaroany. Noho ny faharatsian'ny toe-javatra iainanan'ny olombelona no nahatonga ny fiokoana. Tamin'ny nandraisan'i Blaise Compaore ny vondro-tafika no nahitany ny fahantran'izy ireo. Vokatry ny karama tsy voaloa no nahatonga ny fiokoana tao amin'i Ouattara ao Côte d'Ivoire.

Vao haingana tany Sahel, nisy ifandraisany tamin'ny tsy fitazonan'ny fahefana ny teny nomeny no nisian'ny ngonongonona, izay mifandraika amin'ny toe-piaina sy ny asa ao anatin'ilay asa miady amin'ny fampihorohoroana. Hatramin'ny fanamarinana ny mifanohitra amin'izany, ankoatra ny fitantanana ny tafika sy ny tranga tena vitsy fanodikodinan-tsaina ataon'ny tandrefana noho ny tanjona ara-politika dia tsy mbola nanao fikomiana avy amin'ny hevi-bahoaka ny tafika.

Andro vitsivitsy talohan'ny nandraisan'ny renivohitra burkinabe ny vovonana faharoa ny Ligy afrikanina amin'ny bilaogera sy mpikatroka an-tserasera ho amin'ny demokrasia (Africtivistes) faharoa [7] tamin'ny 22 sy 23 jona 2018 no nitranga ny fisamborana an'i Naim Touré.
Tao amin'ny lahateniny fanokafana nataony, nanazava ny safidiny an'i Ouagadougou mba handraisana ny fihaonambe faharoa i Cheikh Fall, mpandrindra ny afriktivista, telo taona taorian'ny andiany voalohany izay natao tany Dakar, ary tsy adino ny namoaka [8] ny raharaha Naim Touré

Pour lui le choix de Ouagadougou se justifie par le rôle que les activistes ont joué dans les différentes crises socio politiques notamment la résistance au putsch de septembre 2015. Puis il s’est attardé sur la situation difficile que vivent les activistes sur le continent africain. Pour lui, pression, exil, prison vont partie des difficultés auxquelles les activistes africains sont confrontés.

C’est pourquoi il a souhaité que le chef de l’Etat soit le porte-parole auprès de ses pairs. « Cette tribune est pour nous, Monsieur le Président, une occasion pour vous demander au nom de tous les Africtivistes, d’être notre porte-parole auprès de vos pairs pour une clémence pour toutes ces personnes notamment Naim Touré du Burkina Faso » a indiqué le célèbre activiste sénégalais.

Ho azy voamarina ny safidy an'i Ouagadougou amin'ny anjara toeran'ny mpikatroka tao anatin'ireo krizy ara-tsosialy sy politika, indrindra fa ny fanoherana ny fanonganam-panjakana ara-miaramila tamin'ny septambra 2015. Avy eo izy nitantara lava ny toe-javatra sarotra niainan'ireo mpikatroka ao amin'ny kaontinanta Afrikana. Ho azy, tafiditra ao anatin'ireo fahasarotana iainan'ireo mpikatroka afrikanina ny teritery, ny sesitany, ny figadrana.

Izany no antony naniriany mba ho mpitondra teny any amin'ireo namany ny filoham-panjakana, “natao ho antsika ity sehatra ity, Atoa filoha, fotoana anararaotana angatahanay amin'ny anaran'ny Afriktivista rehetra mba ho mpitondrateninay any amin'ireo namanao ianao mba hisy famindram-po ho an'ny olon-drehetra, indrindra amin'i Naim Touré avy ao Burkina Faso” hoy ilay mpikatroka malaza senegaley.

Mahita [9] i Luandino Vieira fa mampikorontana ny fisamborana ny iray amin'ireo olomanga burkinabé amin'ny fikatrohana an-tserasera, indrindra amin'ny fotoana izay ahatongavan'ireo mpikatroka manerana ny kaontinanta mankao Ouagadougou.

Alors que dans deux jours on va réunir la crème des cyberactivistes africains, avec l’onction du gouvernement burkinabé, ça fait désordre d’arrêter une des icônes du cyberactivisme burkinabè. Naïm, n’a jamais été pris à défaut sur les informations qu’il a livrées. Que lui reproche-t-on donc de dire les choses avec un certain ton. On veut le domestiquer. Or, du peu que je sais de lui, c’est peine perdue. Les autorités burkinabè devraient plutôt le considérer comme un allié et en tant que lanceur d’alerte le protéger au lieu de chercher à le museler. Libérer Naïm Touré !

Kanefa afaka roa andro dia hampihaonina ireo sangany amin'ny mpikatroka an-tserasera afrikanina, mahazo ny tso-dranon'ny governemanta burkinabe, toa manakorontana ny fisamborana ny olomangan'ny fikatrohana an-tserasera burkinabe. Tsy diso mihitsy tamin'ny torohay nomeny i Naïm. Inona no anatsiniana azy milaza zavatra amin'ny fomba hafa? Tadiavina hofehezina izy. Anefa raha ny kely fantatro momba azy dia ho very maina izany. Tokony mihevitra azy ho mpiray dina sy mpandefa fanairana hiaro azy anefa ny manam-pahefana Burkinabe fa tsy mitady hanakombom-bava azy. Avotsory i Naim Touré!

Nahasarika fanohanana maro [10] avy amin'ny fiarahamonim-pirenena izy. Nampahatsiahy [11] i Safiatou F. LOPEZ ZONGO izay filoha lasitry ny fihaonambem-pirenena aoamin'ny firaisamonim-pirenena fa zo araka ny lalàmpanorenana ny fahalalahana miteny.

Je viens d’apprendre l’arrestation du cyber-activiste NAÏM TOURÉ et sincèrement, je suis dépassée, le pouvoir creuse sa tombe chaque jour un peu plus et c’est désolant. La liberté d’expression est un droit Constitutionnel dans notre pays, chers Mogho puissants du moment, libérez le petit NAÏM TOURÉ. C’est tout simplement un abus de pouvoir et tôt ou tard le pouvoir sera entre les mains d’autres personnes et ça risque d’être compliqué pour certains d’entre vous. …

Alors, si consciencieusement vous savez que le peuple est déçu, il n’y a qu’une seule chose à faire, changez votre fusil d’épaule, au lieu de la chasse aux sorcières, travailler à gagner du crédit auprès du peuple qui vous a fait confiance…

Vao avy nandre ny fisamborana an'i NAÏM TOURÉ izay mpikatroka an-tserasera aho, ary amin-kitsim-po no ilazako fa tena nalahelo aho, mandavaka ny fasany isan'andro isan'andro ny fitondrana, tena mahonena izany. Zo ara-dalàmpanorenana ao amin'ny firenentsika ny fahalalahana hiteny, Atoa Mogho matanjaka amin'izao fotoana izao, avotsory i NAÏM TOURÉ kely. Fanararaotam-pahefana fotsiny ihany izany ary na ho ela na ho haingana dia ho eo ampelan-tanan'olonkafa indray ny fahefana ka mety hampananosarotra amin'ny sasany aminareo…
Noho izany, noho izany raha fantatrareo tsara fa diso fanantenana ny vahoaka, tsy misy afa-tsy zavatra iray ihany atao, manova ny basy eny an-tsorokao, raha tokony hanao [hazalambo], dia miasa mba hahazoan-toky bebe kokoa avy amin'ireo olona izay natoky anareo …

Nahatsiaro ny zavatra nolazain'i [12] Naim Touré azy indray andro i Paz Hien :

Un jour, Naïm Touré [13] m'a dit ceci : “les gens me guettent. Certains mêmes me l'ont dit ouvertement qu'à la première occasion ils vont me mâter. Mais ça ne m'inquiète pas. Plus ils me menacent, plus je suis engagé. Et s'il arrivait que je meurs un jour, svp ne trahissez pas la lutte. Souvent certains pensent que je suis contre eux, et finalement ils se rendent compte que c'est pour eux que je me suis battu car moi je n'y gagne rien directement. Nous avons un devoir d'honnêteté mon frère”.

Ces propos sonnent en moi depuis hier!
LIBEREZ NAÏM TOURE.

Indray andro, nilaza an'izao tamiko i Naim Touré [13]: “Mitsikilo ahy ny olona, ny sasany amin'izy ireo dia nilaza tamiko am-pahibemaso fa amin'ny fotoana voalohany ahafahany no hamono ahy izy ireo. Fa tsy mampatahotra ahy izany. Arakaraka ny andrahonan'izy ireo ahy no vao maika irotsahako. Ary raha sendra maty aho indray andro any, iangaviako ianareo mba tsy hamadika ny tolona. Matetika ny olona sasany mieritreritra hoe manohitra azy ireo aho, ary amin'ny farany, fantatr'izy ireo ihany fa ho azy ireo ny antony hitolomako fa izaho tsy mahazo tombony mivantana. Manana adidy amin'ny fahitsiana isika ry rahalahiko”

Miteniteny ato amiko ireo teny ireo hatramin'ny omaly!

AVOTSORY I NAIM TOURE

C'est la troisième fois que Naim Touré comparait devant les juges pour des publications sur sa page Facebook [14]. En 2016, toujours pour avoir cherché à attirer l'attention des pouvoirs publics sur le cas d'un autre militaire blessé, l’adjudant-chef Moussa Nébié dit Rambo, et en 2017, pour “diffamations et injures publiques” à l'endroit du conseiller du président de l’Assemblée nationale d’alors, Elisée Antoine Zong Naba.

Efa fanintelony izao no niseho teo amin'ny fitsarana i Naim Touré mikasika ny fanehoan-keviny tao amin'ny pejy facebook-ny [14]. Tamin'ny 2016, mbola mikasa ny hisarika ny sain'ny manampahefana amin'ny raharaha miaramila hafa maratra; dia ny adjidà-sefo Moussa na antsoina hoe Rambo, ary tamin'ny 2017, noho ny “fanalam-baraka sy fanivaivàna imasom-bahoaka” tamin'ny mpanolotsainan'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena tamin'izany fotoana izany, Elisée Antoine Zong Naba.