- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanapahan-kevitra ara-politika mafonja tao Khatmandu

Sokajy: Azia Atsimo, Nepal, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

(Marihana fa efa tamin'ny volana Aprily taona 2006 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ao anatin'ny fihetsiketsehana “hampiova zavatra” hanonganana ny fitondrana tsirefesimandidy ao Nepal ny fifamatoran'ny antoko fito any Nepal, niharan'ny fanoherana tsy mbola nisy toy izany nataon'ireo mpitandro ny filaminana ny programan'ny fihetsiketsehana.

Manana fitantarana miavaka toy ny mahazatra ny United We Blog [1]Andron'ny Fitokonana Faobe nosoratako [2], An-tsary: Fitroarana volana Aprily [3], Fanafihan'ny Maoista tao Sarlahi [4], Andro mialoha ny Fitokonana faobe [5], Voasambotra ireo mpitarika & matihanina [6], Tombontsoan'ny foibem-pahefana [7], Fitroarana Aprily: Inona no andrasana? [8]

Nanolotra ny fanadihadiany ara-politika tahaka ny mahazatra ny Democracy For Nepal [9], DFN, ary mitaky hetsika eo amin'ireo demokraty Nepaley manerantany: 9 Aprily [10], Revolisiona Aprily: Mandrakitra ny Habibiana rehetra [11], Ny Fasista ao Kathmandu [12], Lalàna farany: Aza manaiky ny tsy fahazoana mivoaka amin'ny alina (couvre feu) [13], 6,7,8,9 Aprily, 16,17,18,19 Aprily, 26,27,28,29 Aprily [14], Manoratra any amin'i Bush, Condi alohan'ny Famoretana mety hisy [15], Nazi i Kamal Thapa [16], Gadraina i Kamal Thapa, teraka amany i Kamal Thapa [17].

Nitantara momba ny fitsidihan'ny Praiminisitra Sher Bahadur Deuba in-telo tany New York ihany koa ny DFN. Misy ny sarimihetsika sy sary: ​​Deuba Off To DC [18], Deuba In Jackson Heights [19], Deuba At Hotel Pennsylvania [20], Deuba At Columbia [21]..

Nilatsaka tamin'ny sokajy maromaro ny antson'ny DFN hanao hetsika. Ny voalohany dia ny asa natao mba hanombohana ny fandaminana eo amin'ireo Nepaley manerantany mba hanampy ny revolisiona ho amin'ny demaokrasia. Hamro Nepal All Set To Be Launched [22]. Ahitana fanadihadiana an-dahatsary lalindalina kokoa miaraka amin'i Dinesh Tripathi, Mpisolovava ao amin'ny Fitsarana Ambony ao Nepal, izay niasa mafy tsy tahaka ny olon-kafa mitady vahaolana ara-pitsarana amin'ny anaran'ny hetsika ihany koa ny bilaogy: Dinesh Tripathi, Ny nofinao tena ratsy indrindra [23].

Miresaka i Samudaya [24] mba hamotsorana ireo izay nosamborina: Tsy azo foanana ilay hetsika [25].

Eto i Mero Sansar [26] miaraka amin'ny United We Blog amin'ny resaka fitantarana. Jereo fotsiny ity bilaogin-tsary ity [27]….