- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fijoroana Kiorda: vaovao isan-karazany

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràka, Iràna, Syria, Tiorkia, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny Febroary 2006)

Miarahaba ny rehetra! tafaverina ihany aho ary nanambady. Ny mpandresy tamin'ny fifaninanana “Lohatenin-dahatsoratra Kiorda GV “ [1] dia i Metin avy ao amin'ny Talk Turkey [2], ary ankafiziko manokana ny esoeso fa lehilahy Tiorka tsara fanahy no tonga niaraka tamin'ny anarana madio indrindra ho an'ny gazety Kiorda mpivoaka isan-kerinandro, mampiseho fotsiny ny fahatsapana firindrana sy fisokafana lehibe izay inoako fa ifantohan'ny Global Voices izy. Na izany aza, ireto ny fanavaozam-baovao ao amin'ny tontolon'ny blaogy Kiorda nandritra ny roa herinandro farany:

Manohy mitantara ny zava-niainany tamin'ny fampianarana tao Avaratr'i Iraka/Atsimon'i Kiordistana [3] i Talk about the Passion. Miteny mafy i Thunder [4] ao amin'ny toerana onenany ankehitriny ary manana voalavo  [5]izy saingy toa mankafy ny fitoerany ary hankalaza ny herintaona nampianarany tao Kiordistan [6].

Save RojTV kosa manohy ny ezak'izy ireo ho afa-miasa hatrany ary nanangona taratasy sy lahatsoratra avy amin'ny vondrom-piarahamonina Kiorda sy Eoropeana [7], avy amin'ny Vladimir fa tsy iza akory ny iray tamin'ireo lahatsoratra nalefa tamin'ity herinandro ity,  [8]izay manoratra ao amin'ny From Holland to Kurdistan (aseho isan-kerinandro eto).

Manohy manolotra ny tenany ho toy ny toeram-pivarotana iray tsy mitsahatra ho an'ny filàm-baovao Kiordistana Tatsinanana [9] ny East of Kurdistan

The Is-Ought Problem kosa tafaverina antserasera miaraka amin'ny fanohanana ny Danoà [10].

Atolotry ny Pearls of Iraq tamin'ity herinandro ity ny vaovao farany momba ny gripam-borona ao Kiordistana [11]. Misy ihany koa ny fandefasana lahatsoratra mahafinaritra momba ny adihevitra mikasika ilay sariitatra mampiadihevitra [12].

Ao anatin'izany ihany, manana lahatsoratra mahafinaritra momba ny Islamo, Mohammad sy ny mpisikera [13] azy izay mijery ny fiantraikany ara-tantara i Roj Bash!. Ankoatra izany dia misy ny lahatsoratra mahafinaritra momba ny fandikan-teny ataon'ilay bilaogera Kiorda hafa izay manoratra voalohany indrindra amin'ny teny Kiorda [14] momba io lohahevitra io ihany.

Manoratra momba ny hadalan'ny lahatsoratra an-gazety Tiorka vao haingana mitaky ny fanombanana indray ny Raharaha Kiorda ao Torkia  [15]i Rasti. Tamin'ireo lahatsoratra, nisy ny momba ireo mpikatroka Kiorda tahaka an'i Kani Xulam [16] avy ao amin'ny Tambanjotram-baovao Kiorda Amerikana [17]. Noresahana ny famonoana Kani hafa, Kani Yilmaz [18] satria dòna ho an'ny vondrom-piarahamonina Kiorda ny zava-nitranga.

Nandefa filazana manjò momba an'i Kani Yilmaz [19]ihany koa i Hiwa Hopes. Mamaly ny tsikera voarainy nandritra ny fifidianana tamin'ny fifidianana Irakiana [20] izy. Namoaka momba ny fahombiazan'i Darin, mpihira Kiorda any Soeda [21] ihany koa izy.

Hakatontsika amin'ny vaovao avy amin'ny From Holland to Kurdistan izay nanoratra lohahevitra samihafa, anisan'izany ny horonantsarimihetsika momba ny ady anti-Amerikana  [22]Valley of the Wolves-Iraq [22]. [22] Manoratra momba ny fihetsiketsehana Kiorda tamin'ny Tiorka [23] sy ny fihetsiketsehana Kiorda amin'ny sariitatr'i Mohammad [24] ihany koa izy. Ary amin'ireo vaovao mahafaly sy mampalahelo indrindra, manana lahatsoratra mahatalanjona momba ny lohahevitra tsy raharahiana eo amin'ny politika Kiorda i Vladimir, dia ny mombamomba ireo Kiorda ao Kurdistan Andrefana, Syria sy ny fiampangana ny governemanta ho mandevona ireo Kiorda velona [25] ary avy eo eo amin'ny lafiny mifanohitra amin'ny lahatsoratra momba ireo miaramila Amerikana lasa naman'ireo Kiorda any Avaratr'i Irak/atsimon'i Kiordistana. [26]