- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Pakistan: Fanarahamaso bilaogy

Sokajy: Azia Atsimo, Pakistana, Mediam-bahoaka

(Marihana fa efa tamin'ny volana Febroary taona 2006 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tena ratsy ny mahita ny bilaogiko arahan'ny dot gov sy ny sehatra dot mil maso saingy mihevitra aho ankehitriny fa zohian'ireo olona antserasera somary ratsy saina aho rehefa miditra aterineto ka mitady lahatsoratra bilaogy mahaliana ho an'ny GV. Tsy maintsy manambara ampahibemaso aho eto, fa tsy mikendry manokana ny fitantanan'i Bush ny tsikerako, satria mpanesoeso ny fitovian'ny fanararaotana aho ary manasokajy ny lalaon'ny governemanta ho ara-drariny saingy tsy maintsy miaiky aho fa ny mponina 1600 ao Pennysylvania dia manome votoaty be indrindra ho an'ny haitraitra, vazivazy tafahoatra, sariitatra, esoeso, hanihany, fanambaniana, vazivazy, hala-tahaka am-panesoana, fanesoana, lalao, sketch, fanovana, fiaingana, fandokoana hiova ary sangisangy (fanahy).

Satria narahan'ny zanabolana GPS mampiahiahy maso ity lahatsoratra ity, tsy maintsy mampiseho haingana ny fifantenako ny lahatsoratra bilaogy Pakistaney tamin'ity herinandro ity aho.

Manoratra fanehoan-kevitra feno fahendrena tao amin'ny Evil Ideology [1] i Suspect Paki; Glasshouse maneho hevitra ao amin'ny continuing cartoon protest (tohizana ny sariitatra fihetsiketsehana) [2]; Miresaka momba ny fihetsiketsehana nivadika korontana [3] ihany koa i Me Here; Organic Brew koa mbola niresaka momba ny fihetsiketsehana tsy misy idirany [4]; Fountainhead manazava ny toetry ny tany [5]; ary farany, manazava zavatra miaraka amin'ny fitsinjovako mialoha izay mahazo ny Oscar [6] aho.

Eny, tsara kokoa raha mivoaka aho, mbola misy manara-maso aho. Hiverina aho amin'ny herinandro ho avy, hiova tahaka ny mpihaza izay mitifitra mpisolovava milionera ho an'ny fanatanjahatena.