- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ekoatora: Manadihady Ny Tatitra Nataon'ny Kaomisiona Misahana Ny Fahamarinana Ireo Blaogera

Sokajy: Amerika Latina, Ekoatora, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jona 2010)

[Rohy amin'ny teny espaniôla na anglisy ]
Tamin'ny May 2017, najoro tao Ekoatora araka ny didim-panjakana ny kaomisiona iray misahana ny Fahamarinana [1]  mba hanadihady sy hamory ireo vaovao mikasika an'ireo fanitsakitsahana zon'olombelona izay naha-tomponandraikitra ny polisy sy ny tafika tao anatin'ireo taona 25 lasa. Ny 7 May lasa teo, taorian'ny 3 taona nijoroany, nanolotra ny tatitra nataony [2] tamin'ny Filoha Rafael Correa ilay Kaomisiôna misahana ny Fahamarinana. 831 no isan'ireo nofaritany tamin'ireo 456 niharan'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona, teo anelanelan'ny 1984 sy 2008. Manadihady an'io tatitra io aminà zoro samihafa ireo blaogera.

Niaiky ny Filoha Correa hoe nametraka olana vitsivitsy [3] ny herisetra nisy teo amin'ny fitantanany, saingy nilaza tamin'ny polisy sy ny tafika izy fa tsy voatery hankato an'ireo baiko akory ireo olona ao aminy, baiko izay mety mifanohitra amin'ny  zon'olombelona. Araka ny lalàna, hisy fanadihadiana savaravina [4] hatomboka mialohan'ny tena fanadihadiana, hoy ny voalazan'ny Mpampanoa Lalàna, Washington Pesantez. Hametraka amin'ny toerany an'ireo andiana mpampanoa lalàna manokana sy tarika iray mpanao fanadihadiana ny Fanjakana mba hanadihadiana an'ireo heloka bevava navoitra ao anaty tatitra.

[5]

Ny filohan'ny Kaomisiôna misahana ny Fahamarinana ao Ekoatora amperinasa. Sary an'i Guillermo Sornoza nampiasàna lisansa Creative Commons.

Ny ankamaroan'ireo fandikandalàna fantatra (68%) dia notontosaina fony mbola teo amin'ny fitondrana ny governemanta mpifikitra ami'ny nentindrazana, Leon Febres Cordero [6] [ang] (1984-1988). Nanoratra tamin'ny blaogy Memory in Latin America [7] [ang] i Lillie Langtry fa very hevitra izy amin'ity “lazaina fa kaomisiôna misahana ny Fahamarinana [8]” ity [ang] izay resahan'ny Associated Press. Saingy ataony bango tokana ihany koa ireo hevi-dehibe ao amin'ity tatitra ity:

=> Teo anelanelan'ny taona 1984 sy ny taona 2008, nisy 456 ireo voaporofo fa niharan'ny fanitsakitsahana zon'olombelona tao Ekoatora (ny tena marina, mbola betsaka, saingy voafetran'ny ara-bola sy ara-potoana ilay kaomisiôna misahana ny fahamarinana, ary koa nomena iraka hanadihady momba ireo heloka bevava manokana – amin'ny tranga ankehitriny, mikasika indrindra ireo vono olona, ireo fanjavonana, ary ireo fampijaliana)
=> ny antsasa-manilan'ireo fanitsakitsahana no notanterahana nandritra ny fitondran'ny Filoha Leon Febres Cordero teo anelanelan'ny taona 1984 sy 1988.
=> 32 ireo tranga famonoana tsy nandalo fitsaràna hitan'ilay Kaomisiôna, 12 ny fikasàna hamono olona, 9 ny trangana fanjavonana, 214 no fanakànana tsy ara-dalàna tsy hisitraka ny fahalalahana ary 275 ireo niharan'ny fampijaliana.
=> Ny tatitra dia miampanga ny polisy ao anatin'ny 50%-n'ireo tranga, ny tafika amin'ny 28%, ireo mpiasan'ny governemanta amin'ny 10%, ireo mpiasan'ny fitsaràna amin'ny 6%, ary ireo mpiasa ivelany amin'ny 6%.
=> Tsapan'ilay Kaomisiôna fa tafahoatra loatra ireo fandrahonana ataon'ny governemanta amin'ireo vondrona mpikomy ary tsy tranga maningana ireo fanararaotana fa  vokatry ny tetikady tsy mitsahatra natao ho fanoherana fikomiana.

Milaza ilay parlemantera, Maria Paula Romo, [9] fa ity tatitra ity dia tsy mbola azo rassina ho fanapahankevitry ny fitsaràna, fa fotsiny fanangonana ireo vaovao sy angona mikasika ny ampahany amin'ny tantaran'i Ekoatora kosa. Izay tsy voalazany dia ny hoe ilay Kaomisiôna misahana ny Fahamarinana dia afaka nanatontosa tsara ny asany noho ny fiarahamiasan'ny tafika sy ny Filankevim-piarovana ao Etazonia, izay nanome tahirin-kevitra tsy latsaky ny 30 000 pejy [10] ho an'ilay Kaomisiôna, sy ny Polisy Nasionaly ao Ekoatora [11] koa, izay nandray anjara tamin'ny fanomezana pejy 250 000 hafa izay hatreo dia nijanona ho tsiambaratelon'ny Fanjakana.

Kanefa, mametra-panontaniana momba io tatitra io ireo vahoaka ao Ekoatora. Ny blaogera Victor Vizcaino ao amin'ny La [12] plegaria de un pagano  [12]mitanisa ny filohan'ny polisy teo aloha, ny jeneraly Edgar Vaca, izay mandà ho tsy nampijaly na iza na iza, ary milaza fa teo “ambany tsindry” no nanoratana ilay tatitra, ary ny fanadihadiana ataon'ny polisy mikasika ireo raharaha heloka bevava dia dingana ara-teknika ary ny fakàna am-bavany tsy midika ho fampijaliana.

Ampian'ilay blaogera amin'ny hoe misy fahasamihafana io amin'ireo kaomisiôna mitovy aminy napetraka any amin'ireo firenena hafa. Raha izay, araka ny voalazany, mitady ny hahazo be [13] ireo vondrona sasantsasany: hahazo tamby 50 000 dolara ireo mpiady anaty akata fahiny toa an-dry Alfaro Vive Varajo [14] [ang] sy i Montoneras Patria Libre [15], napetraka ho toy ny fenitra amin'ny fanonerana, mba hanadinoina ny fikasan'izy ireo hanenjika ny Fanjakana sy hangataka dolara an-tapitrisany.

Mieritreritra ihany koa ny blaogera, Saulo Ariel avy ao amin'ny La cueva de Saulo, [16] hoe mitongilana ilay tatitra sady manoratra ny antony tsy maintsy nananganana io kaomisiôna io taorian'ny fiafaran'ny fitondran'ny Filoha Correa. Ny Kaomisiôna misahana ny Fahamarinana an'i Correa, arak'i Saulo, dia tsy mitady afa-tsy ny hampibaribary ny marina avy amin-dry zareo fa tsy ny tena fahamarinana araka ny tokony ho izy. Mampieritreritra azy ny fahamendrehan'i Elisie Monge, filohan'ilay kaomisiôna, :

[Ella es] una persona que ha estado vinculada con las asociaciones y negocios socialistas o seudo comunistas dirigidos a proteger a sus brazos armados, a sus grupos de choque, en su enfrentamiento fratricida con los grupos violentos del conservadorismo. Persona que hace gala de un humanismo siniestro cuando se desgañita en favor de los derechos de los delincuentes contumaces, mientras ignora la violencia que sufren las víctimas inocentes; actividades inmorales encubiertas con el disfraz de activismo a favor de los Derechos Humanos. Una persona de ese calibre, nada tiene que hacer en una Verdadera Comisión Investigadora.

[Izy dia] olona voarohirohy niaraka tamin'ireo fikambanana sy ireo mpanao raharaham-barotra sosialista na miseho ho kaominista mba hiarovana an'ireo rantsany mitam-piadiana [sy] ireo tariny mahery setra ao anatin'ny ady ifamonoana mpiray tampo izay nifanaovany tamin'ireo tamin'ireo vondrona mahery setra mpifikitra amin'ny nentindrazana. Izy dia olona mirehareha ho mpandala ny maha-olona nefa sady miaro  ny zon'ireo mpanao heloka bevava mafy hatoka ary tsy miraharaha ny herisetra niaretan'ireo tràboina tsy manantsiny ; hita ireo asa vetaveta nafenina tambany aloky ny fikatrohana ho fiarovana ny zon'olombelona. Ny karazana olona iray toa izany tsy dia misy ilàna azy loatra anatin'ny Tena Kaomisiôna Mpanadihady.

Guillermo Sornoza [17] ao amin'ny blaogy El Ecuador de Hoy [18] dia tsy mpomba an'i Correa velively, saingy mihevitra izy fa noho io “herisetra ataon'ny Fanjakana” io no tsy iroboroboan'ny heloka bevava ao Ekoatora :

Honestamente hablando, gracias a esos “excesos”, no se permitió que germine la semilla del terrorismo aquí en el país. No me malinterpreten: no apruebo los métodos, no me gusta la violencia (solamente en los juegos de video), pero como dice Uribe: no eran angelitos.

Ampahatsorana no ilazana fa vokatr'ireo “zavatra tafahoatra” ireo no tsy ahafahan'ireo voa fampihorohoroana mitsimoka ato anatin'ny firenentsika. Aza diso hevitra ianareo: tsy mankasitraka an'ireny fomba ireny aho, tsy tiako ny herisetra (ao anatin'ireo kilalao amin'ny vidéo fotsiny), fa araka izay voalazan'ny filoha Uribe hoe: “tsy olomasina akory izy ireo”.