- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Amerika Latina: Blaogera, Fiarakodia Ary Ny Zavamisy Amin'ny Fahitalavitra

Sokajy: Amerika Latina, Arzantina, Brezila, Ekoatora, Kolombia, Shily, Venezoela, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Tsidika, Zavakanto & Kolontsaina

on the road again(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aogositra 2008)

Vao avy nandefa vohikala iray ny Chevrolet sy ny National Geographic izay manfangaro dokam-barotra, fiarakodia, fizahantany, ‘gadgets’ ary fitazonana blaogy, manerana an'i Amerika Atsimo. Manaraka blaogera 6 amin'ireo firenena 6 amerikana tatsimo samihafa ny On The Road Again [1] [esp], izay manao fitsangantsanganana amin'ny fiarakodia sady mitantara ny zavatra niainan'izy ireo miaraka amin'ireo lahatsary alefa streaming, sary ary lahatsoratra eo amin'ny blaogin'izy ireo. Avy eo, haseho eo amin'ny vohikala an'ny National Geographic ao Amerika Latina ireo lahatsary misy an'ireo fitsangantsanganana ireo .

Leo Prieto [2] [esp], shiliana no mampiseho an'io hetdika io eo amin'ny blaoginy:

Durante las próximas 6 semanas, se irán publicando en el canal de YouTube de On The Road Again y serán transmitidos por NatGeo, los “webisodios” de cada uno de los blogueros. El programa comienza esta semana, con la transmisión de mi viaje por el norte de Chile. Luego continúa con Fabio Baccaglioni (Argentina), Inti Acevedo (Venezuela), Rafael Ziggy (Brasil), Rafael Bayona/Patton (Colombia), y un bloguero por definir en Ecuador.

Mandritra ireo herinandro 6 ho avy, havoaka eo amin'ny fantsona On The Road Again [3] [esp] -n'ny YouTube ireo “webisodes” notontosain'ireo blaogera tsirairay avy, ary alefan'ny National Geographic. Atomboka amin'ny fandefasana an'ireo diako nanerana an'i Chili avaratra io fandaharana io. Avy eo, hanohy amin'i Fabio Baccaglioni, [4] Arzantina [esp], Inti Acevedo [5] Venezoeliàna [esp], Rafael Ziggy, [6] Kolombiana [port], Rafael Bayona/Patton [7] [esp], ary blaogera Ekoatoriana iray.

Asehon'ny lahatsary manaraka i Leo Prieto izay mitsidika ny tanàna fitrandrahana efa haolo ao Chacabuco, ao amin'ny tanihay ao Atacama:

Manazava io tetikasa io ihany koa i Rafael Ziggy [8], Breziliana [port] :

Fui convidado para participar de um projeto chamado On The Road Again. Esse é o nome de um serviço que será lançado em breve pela Chevrolet para compartilhar fotos, vídeos e histórias de viagens online. É destinado a viajantes, aventureiros, enfim, pessoas que gostam de pegar o carro e botar o pé na estrada.

Nasaina aho mba handray anjara tamina tetikasa iray atao hoe On The Road Again. Anarana vovonana amin'ny tambajotra izy io, natomboky ny Chevrolet mba hizaràna ireo sary, lahatsary ary tantaranà fitsidihana. Io vohikala io dia natokana ho an'ireo mpandeha, ireo mpitsapatsapa fiainana, raha fehezia dia ho an'ireo olona amin'ny ankapobeny izay tia mampiasa ny fiarakodiany sy ny lalana..

Mamaly ny antso sahady ireo blaogera: mitsidika ny vovonana izy ireo, mamela an'ireo heviny, ary mitsidika ara-virtoaly avy amin'ny alalan'ireo blaogera 5 efa voafidin'ilay vohikala. Nijery ny iray tamin'ireo fizaràna ireo tamin'ny tambajotra i Matias Dutto [9] [esp] ary nahatsiaro ireo traikefa azony tamin'ny diany manokana.

El episodio de Leo Prieto [10] en la campaña On the Road Again [11], me hizo recordar uno de los lugares mas espectaculares: se trata de un escenario fantástico, casi irreal: San Pedro de Atacama. Ahí me quedé sin moverme casi una semana, porque se cortó el Paso de Jama – frontera con Argentina – por mal tiempo (me tocó pasar justo el invierno Boliviano) Gracias a la buena ayuda de un camionero chileno pude regresar a Jujuy, aquí mi cara de alegría y frío al mismo tiempo:

Mamerina indray ny fahatsiarovako ny iray tamin'ireo toerana tena mahafinaritra indrindra ny fizaràna avy amin'i Leo Prieto [10] [esp] ny andiany On The Road Again [11] [espaniôla sy portiogey]. Zava-boahary mahafinaritra izy io, tena tsy misy toa azy: San Pedro de Atacama. Nijanona tao aho, tsy niala nandritra ny efa ho herinandro, satria ny Col de Jama, manasaraka amin'i Arzantina dia nihidy, noho ny andro ratsy (nandritra ny ririnina tao Bolivia izany). Noho ilay shiliàna iray mpitondra kamio,  afaka niverina tany Jujuy ihany aho, ary ity ny sari [12]ko iray mitsiky sady mipararetra.

Ireo blaogera hafa, Kolombiana mientanentana manaraka [esp] an'i Patton [7],, ilay mpiray tanindrazana amin-dry zareo eo amin'ny vohikala Qik [13] misy an'ireo lahatsary alefa streaming, mivantana eo noho eo, satria efa voaomana tamin'ireo vaovao nampitaina tao amin'ny twitter [14].

Ohatra, miaraka amin'ity bitsika ity [15] [esp], milaza izy fa nitsidika ny trano izay nahaterahana sy nonenan'i Carlos Valderrama [16], ilay olo-malazan'ny lalao baolina kitra kolombiana, sady nalefany ny lahatsarin'ny fihaonany tamin'ny rain'i Carlos:

Barrenar en el Tayrona. Hecho. Conocer la casa y el padre del pibe. Hecho. Jugar fútbol en pescaito y hacer un gol… No tiene precio.

Manao ity fanehoankevitra ity ao amin'ny blaoginy [espaniôlà] ilay blaogera kolombiana El Gerente [17]:

En fin, adivinen quen fue el blogger colombiano escogido…

noo no soy yo, ya hubiese querido, pues es Patton [7], mentor bloguero de este espacio, el mismo que me ha dado consejos desde el comienzo y con quien se ha forjado una buena amistad…

Mba hamaranana azy, vinanio iza no kolombiana blaogera voafidy… tsiiia, tsy izaho, sitrako indrindra, saingy i Patton [7] [espaniôlà], ny mpanoro hevitra ahy ho an'ny blaogiko, ilay nanoro hevitra ahy hatrany am-boalohany sady lasa namako.

Vehivavy kolombiana blaogera iray hafa maneho hevitra i Maria() [18] [espaniôlà] amin'ny fizaràna ny faniriany:

Por eso cuando en la blogocosa colombiana se supo que el mentado Patton se iba de viaje durante una semana por cuenta de Chevrolet, la gran mayoría de nosotros no pudo hacer más que morderse un codo de la envidia y desearle lo mejor en su expedición.

Izany no mahatonga ny hoe rehefa fantatry ny tontolom-bolongana kolombiana fa nandeha nitsangantsangana nandritra ny herinandro ho an'ny Chevrolet i Patton malaza, ny ankabeazanay dia tsy manao afatsy ny nitsiriritra azy ary nirary azy ho tsara mandroso tsara miverina.

Hita sahady eo amin'ny fantsona YouTube ireo sedram-piainan'i Leo Prieto [10] [esp] tao Chili sy Fabio Baccaglioni [4] [esp] tao Arzantina, ary hita eo amin'ny Flickr. [19] ihany koa ny sarin'izy ireo

Mampiseho an'i Fabio Baccaglioni izay manao fidinana ny hantsana mivelatra eo an-tongotry ny Andes  [20][esp] ity lahatsary farany ity: