- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shily: Nifarana ny fitokonanana tsy hihinan-kanina nataon'ireo gadra Mapuche rehetra

Sokajy: Amerika Latina, Shily, Fanoherana, Foko sy Fiaviana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Teratany, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Oktobra 2010)

Tonga tamin'ny fiafarany androany ny fitokonanana tsy hihinan-kanina faobe nataon'ireo gadra Mapuche [1]voaheloka teo tamin'ny lalàna iadiana amin'ny fampihorohoroana. [2]

Araka ny nampahafantarin'ny Global Voices teo aloha [3], maro tamin'ireo gadra no namarana ny hetsi-panoheran'izy ireo tamin'ny 2 Oktobra, saingy nanohy kosa ireo gadra tao an-tanànan'i Angol, Victoria ary Cholchol. Ny faran'ny 8 Oktobra, namarana ny fitokonany tsy hihinan-kanina taorian'ny fifanarahana tamin'ny governemanta  [4]ireo gadra tany Angol sy Victoria. Namarana ny fitokonana ihany koa androany ny tanora Mapuche mitokona tsy hihinan-kanina ao amin'ny foiben'ny famonjàna tanora ao Cholchol [5], ka namarana tanteraka ny fitokonambe izany.

[6]

Sainam-pirenena Mapuche. Sary avy amin'ilay mpisera Flickr Donmatas1, lisansa Attribution-NonCommercial-ShareAlike 2.0 Generic Creative Commons.

Toy ny mahazatra, sehatra ho fizarana fihetseham-po ny Twitter. Ny sasany nihevitra fa tsara ny fiafaran'ilay fitokonana [7], raha manantena ho avy tsy dia ihenan'ny fanavakavahana [8] kosa ny hafa. Iglesia Joven (Fiangonana Tanora) (@pjantofagasta) naneho ny hafaliany amin'ny vaovao [9]:

Felices x fin total de huelga de hambre mapuche, damos gracias a dios por la vida d los comuneros mapuche, rezamos y trabajamo x soluciones

Faly noho ny fiafaran'ny fitokonana tsy hihinan-kanina nataon'ny Mapuche. Misaotra an'Andriamanitra izahay noho ny fiainan'ireo Mapuche “comuneros”, mivavaka ary miasa mitady vahaolana. [Amin'ny teny espaniôla, ny teny hoe “comuneros” dia midika hoe “mpikambana ao amin'ny fiarahamonina.” Ao Shily, ny teny hoe “comuneros” dia ampiasaina matetika mba hanondroana ireo mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina Mapuche manokana. Noho izany, miantso ireo gadra mitokona tsy hihinan-kanina ho “comuneros” amin'ny fitokonana tsy hihinan-kanina ihany koa ny olona.]

Nahatsiaro faly i Miguel J. Pedreros (@mjpedreros) saingy naneho ahiahy mikasika ny fampanantenan'ny governemantan'ny filoha Piñera [es] [10]:

http://bit.ly/bRAD3E [11] Fin total de huelga de hambre mapuche. Piñera promete mucho (cambiar la historia de negacion a mapuches) ojala cumpla

http://bit.ly/bRAD3E [11] Fiafarana tanteraka amin'ny fitokonana tsy hihinan-kanina Mapuche. Mampanantena zavatra betsaka (hanova ny tantaran'ny fifampiraharahana amin'ny Mapuche) i Piñera . Manantena aho fa hanatanteraka io fampanantenana io izy.

Partido Igualdad [es] [12] (Antokon'ny Fitoviana) nampahafantatra bebe kokoa momba ny fiafaran'ilay fitokonana [es] [13]:

“Si bien es cierto se ha llegado a un acuerdo, no es totalmente satisfactorio para nuestros hermanos. Desde un principio dejamos claro que no eran suficientes las demandas, pero claramente aquí se tomaron consideraciones de carácter humanitario y el avance en varios puntos”, expuso el werken Jorge Huenchullán. Finalizó adelantando que “consideramos que algunos gestos que hizo el Gobierno, como liberar a algunos comuneros, daba para bajar la huelga de hambre. Continúa la mesa de diálogo para tratar otros temas pendientes, como por ejemplo, el derecho a territorio.”

Na dia marina aza fa efa nahavita fifanarahana isika dia tsy mahafa-po tanteraka an'ireo rahalahintsika [gadra mitokona tsy mihinan-kanina] izany. Hatramin'ny voalohany, dia nanazava tsara isika fa tsy voavaly tanteraka ny fangatahantsika, saingy nijery ny antony maha-olombelona sy ny fandrosoana amin'ny sehatra maro ” isika, hoy i Jorge Huenchullán [mpitondra hafatra any Mapudungún [14]]. Nofaranany tamin'ny filazana hoe: “Nieritreritra izahay fa ampy hampitsaharana ny fitokonana tsy hihinan-kanina ny fihetsika sasany avy amin'ny governemanta, toy ny famotsorana ireo comuneros sasany. Hitohy hiresaka momba ireo olana hafa sisa, tahaka ny zo hanana tany ny fifampiraharahana ambony latabatra.

Nandroso nanomboka tamin'ny volana Jolay ny fitokonana tsy hihinan-kanina ary nahatratra ny tongotra mby an-dakana. Na dia tapitra aza ny fitokonana tsy hihinan-kanina, mbola ho ela vao ho tapitra ny fifandonana [15] eo amin'ny Mapuche, ny orinasa miahy tena mitrandraka hazo [16] ary ny governemanta ao atsimon'i Shily.