- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tanzania: Bodoin'i Obama Ny Tontolom-bolongana Swahili

Sokajy: Amerika Avaratra, Etazonia, Tanzania, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Novambra 2008)

Azo ambara ho no nibodo an'ireo blaogy swahili rehetra ny fandresena manan-tantara azon'i Obama nandritra ireo fifidianana filoham-pirenena amerikana . Ny blaogy Dira Yangu sy Fungua Jicho no nanambara ny fandresen'i Obama [1] [amin'ny fiteny swahili], fanambaràna narahin'ny anatra ho an'ireo filoha afrikana:

Seneta Obama hatimaye ameshinda urais wa Marekani na anakuwa rais wa Kwanza Mweusi kwa historia. John Mc Cain amekuwa wa kwanza kukiri kuwa ameshindwa kiungwana na kumpongeza mwenzake Obama. Hili limekuwa funzo lingine kwa wagombea wetu wa kiafrika na kitanzania wanaposhindwa si kukimbilia mahakamani bali ni kukubali.

Lasan'ny Senatera Obama ny fifidianana filoham-pirenena ary fotoana nampanjary azy ho filoham-pirenena mainty hoditra voalohany indrindra tamin'ny tantaran'i Etazonia. John McCain no voalohany niaiky ny fahareseny sy nanolotra fiarahabany an'i Obama, mpifanandrina taminy. Lesona ho an'ireo kandidà tanzaniana sy ireo firenena afrikana hafa io, izay tsy tokony ho maika ho any amin'ireo fitsaràna rehefa nambara ny faharesena fa tokony manaiky ny fandresen'ny mpifanandrina aminy.

Nanoratra tamin'ny lohateny lehibe i Chemi Che Mponda ao amin'ny Swahili Time [2] [amin'ny fiteny swahili] hoe “Nandresy Tamin'ny Fifidianana 2008 i Barack Obama“. Tohizany toy izao izany:

Barack Obama ni Rais Mteule wa Marekani!!!! Senator wa Delaware Joe Biden, atakuwa makamu wa rais. Mungu yu mwema! Waafrika na hasa sisi kutoka Afrika Mashariki Tujivunie!
OBAMA UBARIKIWE!

Voafidy ho filoham-pirenen'i Etazonia i Barack Obama!!! Ny Senatera an'i Delaware Joe Biden no ho filoha lefiny. Tsara Andriamanitra! Ireo Afrikana ary indrindra izahay avy ao Afrika Atsinanana dia tokony hirehareha. NOTAHIANA i OBAMA!!

Vao avy nametraka fanambantambarana ireo vaovao misongadina avy tamin'ireo gazety ho ety anaty tambajotra [3] i Issa Michuzi [amin'ny fiteny swahili], samy mampideradera ireo lohateny lehibe mikasika ny fandresen'i Obama, raha toa etsy ankilany, i Charahani  nandefa ireo sari [4]n'ilay filoha voafidy, Obama, sy ny fianakaviany, eo ampiarahabana ny vahoaka, ary koa ireo sary misy an'ireo olona mitomany, tamin'ny fanambaràna an'io fandresena manan-tantara io.

Tao anatina lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe Obama katoka mbali ati (Avy lavitra i Obama), nametraka an'ireo sarin'i Obama tamin'ny tambajotra [5] i Issa Michuzi [amin'ny fiteny swahili]. Amin'ny endrika sary fanadihadiana, i Mwaipopo nandefa ihany koa ireo sarin'i Obama hatramin'ny fahazazany ka hatramin'ilay andro lehibe. Fanampin'izany, manampy izy hoe:

Obama! Obama!
Kila mtaa hapa bongo watu wote ni Obama, Obama kufuatia ushindi wake wa kishindo huko Marekani. Kila baada ya sentensi mbili inayofuatia ina neno ‘Obama’. Pegine wakati wafuasi wake wali0tapakaa ulimwenguni wakishangilia, yeye anatafakari ni kwa namna gani ataitoa Marekani (na sehemu zingene za dunia) hapo zilipo na kuzipeleka pengine palipo bora zaidi. Blogu hii inamtakia kila la heri katika kazi yake hiyo aliyoiomba kwa juhudi zote.

Obama! Obama!
Manerana an'ireo araben'i Bogo (anaram-bositr'i Tanzania), miresaka an'i Obama avokoa ny rehetra, taorian'ny fandreseny nahatalanjona tao Etazonia. Mipoitra any anatin'ireo resadresaka mahazatra isanandro foana ny anarana “Obama”. Azo heverina fa raha manome voninahitra azy manerana izao tontolo izao ireo mpomba azy, izy kosa amin'izao eo ampiketrehana an'ireo tetikady hitondrana an'i Etazonia (sy ireo ampahany hafa erantany) ho amina ho avy mamiratra. Ity blaogy ity dia manolotra ny firariantsoa ho azy ho an'ny asa nanolorany tena.

Mamerina mamoaka ireo kabary voalohany rehetra an'i Obama taorian'ny fanambaràna ny fandreseny ny Nkwazi Nkuzi Muhango ao anatin'ny blaogy Mpayukaji [6] [amin'ny fiteny anglisy], Dira Yangu ao anatin'ny Fungua Jicho [7] [amin'ny fiteny anglisy] ary Nukta77 [8] [amin'ny fiteny anglisy sy swahili].

Nandefa [8] imailaka iray an'ireo mpamaky azy ihany koa ny Nukta77 [amin'ny fiteny swahili], izay manome ny heviny momba izay tokony ataon'i Obama amin'i Afrika:

Obama angehutubia AU na awatake viongozi wa Afrika walifanye bara hili kuwa business patner na sio dampo la majaribio ya sera za mataifa makubwa na misaada”.

Kwa wale wanaotegemea misaada kutoka kwa Obama, ninamshauri Obama asitoe misaada kwani katika kusoma kwangu sijawahi kusikia taifa lolote lile ulimwenguni ambalo limetajirika kwa misaada. Maendeleo hayaletwi kwa wingi wa pesa bali kwa ubunifu, maarifa na kazi. Fedha na misaada ni nyenzo na sio mhimili wa kuleta maendeleo.

Nasikitika kuona kuwa vijana wasomi wetu hawaonyeshi kujifunza kutokana na ushindi wa Obama. Wale vijana wa Vyuoni wamebaki kucheza ‘twist’ wakati muziki unaopigwa ni ‘bongo flava'!

Tokony miantso ny Fikambanambe Afrikana i Obama ary manery an'ireo filoham-pirenena afrikana mba hanova ny tanibe ho mpiara-miasa ara-barotra fa tsy ho toerana fotsiny  fanaovana andrana tsy marintoerana ain'ny resaka fiarahana miasa sry ireo politikan'ny firenena matanjaka.

Manoro hevitra ny filoha Obama aho mba tsy hanaiky fanampiana an'ireo izay miandry izany, satria mbola tsy nahita mihitsy aho, tanatin'ireo novakiako, tantaran'ireo mahantra izay lasa nanankarena noho ny fanohanana. Ny fampiroboroboana dia tsy vokatry ny vola fa ny famoronana, ny fahalalana sy ny asa mafy. Fitaovana fotsiny ihany ireo vola sy ireo fanampiana fa tsy andry ho an'ny fampandrosoana.

Tena malahelo aho mahita fa ireo tanorantsika nahavita fianarana tsy misy nahazo lesona avy amin'ny fandresen'i Obama. Mbola mandihy ny “twist”  hantrany ireo zatovo mpianatra amin'ny dingana voalohany eny amin'ny anjerimanontolo, raha toa ankehitriny, ny ‘bongo flava’ no mozika lamaody (hip hop swahili)!

Mba hankalazàna an'io tranga manan-tantara io miandrandra ny hampidirana ny sarisokitr'i Obama mba ho eo amin'ny Mont Rushmore i Chemi [9] [amin'ny fiteny anglisy]. Miantso fifehezantena kosa ny mpamaky iray:

Pamoja na kuwa shabiki wa Obama lakini ni bado mapema sana kwake kuwa mmoja wa marais mashuhuri Marekani.Dada Chemi inabidi athibitishe katika mandate period na ikiisha ndio tuzungumzie hilo.Hao waliopo kwenye Mt Rushmore waliwekwa pale baada ya kumaliza uatwala wao.

Na manohana an'i Obama aza aho, heveriko fa mbola aloha loatra izao ny hisainana ny fampidirana azy ho ao anaty lisitr'ireo filoham-pirenena amerikana lehibe indrindra. Ry Chemi anabaviko, mila manaporofo izany izy mandritra ny fotoana itondrany ary aorian'izay isika vao afaka hiresaka an'io.

Naka ny sarin'ireo mpanohana manao ambonin'akanjo misy sarin'i Obama [10] [amin'ny fiteny swahili] i Issa Michuzi, avy ao Dar Es Salaam. Saingy naka ny endriny rehetra ny Obamamania, na talohan'ny naha-voafidy azy aza, rehefa lany avokoa ireo ambonin'ankanjo nataon'i Mayunga, artista teo an-toerana, sy ny boky Mayunga, mikasika an'i Obama, nosoratana tamin'ny fiteny swahili, tahaka izay asehon'i CNN ao anatin'ny lahatsariny, eo amin'ny blaogy Nukta7.

https://edition.cnn.com/videos [11]