- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Goatemala: Ao anatin'ny kolontsaim-panatanjahantena, ireto misy bilaogy ara-kolontsaina fito

Sokajy: Amerika Latina, Goatemalà, Fanatanjahantena, Haisoratra, Hevitra, Mediam-bahoaka, Saripika, Zavakanto & Kolontsaina

(Marihana fa efa tamin'ny volana Jolay taona 2007 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Hatramin'ny naha “tao” ny isa fito, tiako ny hampiseho anao bilaogy fito mahaliana zatra miresaka sy manaparitaka kolontsaina any amin'ny zorontany rehetra any Goatemala:

1. Casa Cultural de San Martin Jilotepeque [ES]

Ity no bilaogin'ny foibe ara-kolotsaina mahafinaritra ao San Martin Jilotepeque, tanin'i Zompopos, izay toerana nisy azy, nandritra ny andro vitsivitsy, renivohitry ny faritra iray manontolon'i Amerika Afovoany. Afaka mahita tantara mahaliana momba ny toerana, ny lovany, ny asa tanana nentim-paharazana miaraka amin'ny obsidian, fantatra amin'ny hoe “chaye” na volamena mainty ianao ao.

2. Acerca Sumpango [ES]

Bilaogy mahavariana momba ny papangohazo, nohavaozina isaky ny volana Novambra izay hanaovana fankalazana ny fombafomba fanao isan-taona izany. Ny papangohazo dia fantatra amin'ny hoe “barriles” ary nilaza ity mpanoratra ity fa:

No son barriletes, sino mensajeros. Los barriletes de Santiago y Sumpango son mensajeros entre los ancestros y los vivos, según la cosmología kaqchikel.

Tsy tena papangohazo izy ireo, mpitondra hafatra izy ireo. Ny “barriles” an'i Santiago sy Sumpango dia mpampita hafatra eo anelanelan'ny razantsika sy ireo mbola velona, ​​araka ny fomba fijery ny izao hita rehetra izao jaqchikel.

3. Centro Cultural de España [ES] [1]

Bloggy Mary dia anarana mahafinaritra ho an'ny bilaogin'ny Centro Cultural de España ao Goatemala, izay tsy manome fanehoan-kevitra sy fanavaozam-baovao momba ny hetsika ataon'izy ireo ihany fa koa mitantara ny “anaty” anjoria sy ny ajoria ratsy niainan'ny ekipa..

4. Proyecto Cultural Sololateco [ES] [2]

Tetikasa ara-tontolo iainana sy ara-kolontsaina mahafinaritra miaraka amin'ny ankizy ao Sololà ity bilaogy ity.

5. Luna Park [ES] [3]

Sehatra mampiseho ny vaovao farany momba ny tetikasa ara-kolontsaina antsoina hoe  “Luna Park” any amin'ny tany avo ao Goatemala.

6. Cafe Momus [ES] [4]

Iray amin'ny bilaogin-kolontsaina iray mila jerena, mifantoka amin'ny lohahevitra tokana: opera.

7. Ary iray avy any ivelany avy amin'ny bilaogera Goatemalteka mianatra any Harvard, Kyle de Beausset, izay nilaza tao amin'ny Immigration Orange Blog [5]::

The BBC [6] has reported on this campaign to get people to vote on the Seven Wonders of the World. I can't help but point out how flawed the New Seven Wonders [7] are. If Chichen Itza [8] was chosen over Tikal [9] it illustrates more than I've ever known how flawed an internet voting system is”.

Nitatitra momba ity fanentanana ity ny BBC [6] mba hahatonga ny olona hifidy ireo Zava-mahatalanjona Fito Manerantany. Tsy afaka manampy aho fa hilaza ny tsy fahombiazan'ny Zava-mahatalanjona Fito Vaovao [7]. Raha voafidy ambonin'i Tikal [9] ny Chichen Itza [8], dia mampiseho mihoatra noho ny fantatro hatramin'izay mikasika ny tsy fahombiazan'ny rafi-pifidianana amin'ny aterineto “

Zava-dehibe ny manamarika fa ny tetikasa tsirairay dia somary lavitra ara-jeografika amin'ny hafa ao amin'ny faritra izay tsy dia manankarena loatra, saingy manankarena ara-pahasamihafana sy vakoka ara-kolontsaina. Manao zava-mahagaga izy ireo, any amin'ny firenena izay tsy laharam-pahamehana ny kolontsaina. Ho an'ireo laharam-pahamehana any Goatemalà, dia tsy maintsy alefa any amin'ny fanatanjahantena ny tsy latsaky ny 3% amin'ny tetibolam-panjakana. Tamin'ny gazety, ny sehatra natokana ho an'ny “fanatanjahantena” dia lehibe kokoa noho ny iray amin'ny “kolontsaina”. Na dia izany aza, ny zava-misy ao amin'ny bilaogy dia mampiseho antsika fa ny “fanatanjahantena” sy ny “kolontsaina” dia matetika mpiray dia mahaliana, araka ny lazain'ny Destinos [ES] [10] :

Cristiano Ronaldo, mpilalao baolina kitra Portiogey malaza ao amin'ny Manchester United nilaza fa nirehareha tamin'ny fanohanany ny fanentanana izy (mba hisafidy ireo zava-mahagaga fito eto amin'izao tontolo izao).