- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Dimy minitra miaraka amin'i Lova Rakotomalala

Sokajy: Antsafa, Mediam-bahoaka, Rising Voices

(Marihina fa tamin'ny 15 Martsa 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Mila Flash 8 (na ambony kokoa) [1] sy javascript ianao mba ahafahanao mijery ny horonantsary.

Tao amin'ny We Media Miami [5] no nahafahako nipetraka sy niresaka tamin'i Lova Rakotomalala [6], iray amin'ireo mpandrindra ny fandaharan'asan'ny bilaogy fanentanana FOKO Madagascar [7] Noraketinay ity antsafa fohy ity izay namaritan'i Lova ny fiandohan'ny FOKO sy ny fomba fiasan'ny fikambanana amin'ny fanatanterahana ny iraka ataony.