- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Te ho maritiora ve sa tsia

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Ady & Fifandirana, Fivavahana, Hevitra, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Tantara

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jiona 2006)

Ao Iran, misy olona milaza ny tenany ho te-ho martiora [1] ary manao hetsika ao an-tanàna mba haneho ny fahavononany ho faty ho an'ny Repoblika Islamika. Herinandro vitsy lasa izay, nanasa bilaogera maromaro manana fomba fijery samihafa mba hizara ny hevitr'izy ireo momba ireo te-ho maritiora i Mohammad Masih, bilaogera sady te-ho maritiora. Andeha hojerentsika fohifohy ny sasany amin'ireo adihevitra ireo ao amin'ny Blogestan!

Tsy sampiko i Harry Potter!

Mizara amintsika ny antony nahatonga azy te-ho maritiora i Mohammad Masih. Fantatray fa teraka tamin'ny andro farany tamin'ny ady Iran-Iràka  [2]izy, naratran'ny fitaovam-piadiana simika nandritra ny ady ny rainy ary nandany ny ampahany betsaka tamin'ny fahazazany tany amin'ny moske izy. Nilaza i Mohammad Masih fa ny mankany amin'ny sinema miaraka amin'ny dadatoany sy mijery horonantsarimihetsika adiady no tena fialam-boliny [3]. Hoy koa izy:

If Harry Potter is an idol for our kids today, for me a member of the Basij [4] forces who became martyr at the end of the film was an idol. My drawings were about war, martyrs or related subjects.

Raha sampy ho an'ny zanatsika ankehitriny i Harry Potter, ho ahy, ilay mpikambana tao amin'ny tafika Basij [4] izay lasa maritiora tamin'ny fiafaran'ny horonantsarimihetsika no sampy. Ny sarisary ataoko dia mikasika ny ady, maritiora na lohahevitra mifandraika amin'izany.

Ho faty sa ho velona ho an'ny foto-kevitra

Manana fomba fijery mifanohitra i Jadi. Nilaza ity bilaogera ity fa tsy te-ho martiora izy satria zavatra mora ny ho faty ho an'ny fitsipitsika sy ny foto-kevintsika saingy zavatra sarotra ny hiaina azy ireo [5]. Nilaza koa izy fa te-hanangana toerana tsara kokoa hiainana eto amin'izao tontolo izao ary nilaza fa nandray anjara tamin'ny tetikasa Make poverty history (Ataovy ho lasa tantara ny fahantrana) [6]. Hoy koa i Jadi nanampy:

In the world one billion people are hungry, in my country many are in prison, and members of the Bahai [7] faith have no right to go to universities….. I know people need more my useful work rather my death as a martyr… I believe world can become a better place and I can be helpful rather than run away to paradise as a martyr.

Olona arivo tapitrisa no noana eto amin'izao tontolo izao, any amin'ny fireneko, maro no any am-ponja, ary tsy manan-jo hiditra amin'ny oniversite ireo mpikambana ao amin'ny finoana Bahai [7] … .. Fantatro fa mila asa mahasoa kokoa ny olona fa tsy ny fahafatesako ho maritiora … Mino aho fa afaka ny ho tonga toerana tsara kokoa izao tontolo izao ary afaka manampy aho fa tsy mandositra any amin'ny paradisa ho lasa maritiora.

Adihevitra tranainy

Nilaza ny Sina Daily fa tsy zava-baovao ity resaka maritiora ity ary azontsika jerena nandritra ny ady iraisam-pirenena sasany ireo olona sasany nanao sorona ny ainy mba handratra fahavalo. Mihevitra ity bilaogera ity fa tsy tena mahomby ity karazana fanaovana sorona ny aina ity [8]. Hoy izy:

Strategic thinking and collective work is more efficient. I want somebody to show me the verses in Koran that justifies this kind of martyrdom actions!

Mahomby kokoa ny fiheverana ara-stratejika sy ny asa iombonana. Tiako hisy olona haneho ahy ireo andininy ao amin'ny Korany izay manamarina ireo karazana hetsika maritiora ireo!

Tsy lalana zotra tokana ny fiainana

Nick Ahang, mpanao sariitatra & bilaogera malaza, nanoratra antony maromaro hanehoana ny antony ny tsy maha-te-ho maritiora azy. Hoy izy :

Life is not a one way street to blow up ourselves in this restaurant in Israel and to send a few Jewish people to the other World… I am not a pawn to be played with in a Chess game.

Tsy lalana zotra tokana ny fiainana mba hanapoahana ny tenantsika ao amin'io trano fisakafoanana any Israely io ary handefa olona jiosy vitsy ho any amin'ny Tontolo hafa… Tsy vaton-dalao (pion) aho ka lalaovina amin'ny lalao fanorona.

Nilaza ilay bilaogera fa mba hiarovanao ny firenentsika, dia mila miady isika ary tsy misy olona mandà ny filantsika hery miaramila. Saingy rehefa mametraka ny marika te-ho maritiora ho an'ny tenantsika isika, dia manao sorona ny lojikantsika manokana ary manolo izany amin'ny lojikan'olon-kafa. Milaza amintsika ny fomba nanasàna ny aditohan'ireo namany tany amin'ny moske nandritra ny ady Iran-Iraka izy [9].