- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mampiantrano ny lalaon'ny nosy ao amin'ny ranomasimbe Indiana i Madagasikara

Sokajy: Afrika Mainty, Madagasikara, Maorisy, Mayotte, Reunion, Seychelles, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy nivoaka tamin'ny volana Aogositra 2007)

jeux des iles

Manomboka ny Lalaon'ny Nosy Ranomasimbe Indiana ao Madagasikara ary mientanentana momba izany ny vahoaka.

Harinjaka manome antsika [1] sahady ny sombin'izay mety hitranga rehefa mody:

“C’est parti pour le 7 ème Jeux des îles de l’Océan Indien (JIOI).
La flamme olympique arrive aujourd’hui [2] au stade de Mahamasina (Tananarive) pour annoncer l’ouverture des 7èmes JIOI, qui se tiendront du 9 au 19 août à Tananarive.
Plus de 200 athlètes originaires de sept îles de l’océan Indien, à savoir les Comores, les Maldives, l’île Maurice, Mayotte, La Réunion, les Seychelles et Madagascar, participeront à 16 différents sports pour cette competition.[..]

j’ai pu ressentir l’excitation des malgaches dont l’émotion est vraiment palpable [3] [..]
Sachez quand même que 86 pays vivront en direct la plupart des compétitions. [4]

«Manomboka ny Lalaon'ny nosy faha-7 ao amin'ny Ranomasimbe Indiana (IOIG).
Tonga androany ao amin'ny kianjan'ny Mahamasina (Antananarivo) ny afo Olaimpika [2]mba hanamarihana ny fisokafan'ny JIOI faha-7, izay hotontosaina ny 9 hatramin'ny 19 Aogositra ao Antananarivo.

Atleta maherin'ny 200 avy amin'ireo nosy fito ao amin'ny ranomasimbe Indiana: Komoro, Maldiva, Maorisy, Mayotte, Reunion, Seychelles sy Madagasikara no handray anjara amin'ny fanatanjahatena 16 karazany hifaninanana. [.]

Tsapa ny fientanentanana teo amin'ireo vahoaka Malagasy izay azo tsapain-tanana ny fientanentanam-po noho ny lalao [3] [.]

Fantaro fa firenena 86 no afaka hanaraka mivantana ny ankamaroan'ny lalao [4].”

Nanampy tao amin'ny takelaka fanehoan-kevitra i Su fa tena zava-dehibe ny lalao satria nambara ho andro tsy fiasàna ny andro fisokafan'ny lalao [5]

( Ravi, sary biby famantarana ofisialy amin'ny Lalaon'ny Nosy Ranomasimbe Indiana. Sary: http://www.jioi2007.mg/ [6])