- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Inona indray ny lahatsoratra nahasarika ireo mpamaky Global Voices tamin'ny herinandron'ny 2 Jolay- 8 Jolay 2018?

Sokajy: Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV, efitrano famoahambaovao, lingua
[1]

Be 'bout sumthin’ (Manakaiky ny zava-misy). Sary avy amin'ny mpisera Flickr carnagenyc. CC BY-NC 2.0

Mikaroka, manoratra, mamoaka lahatsoratra, ary mandika tantara ny vondrom-piarahamonina ato amin'ny Global Voices amin'ny tanjona hanohanana ny zon'olombelona sy hananganana ny tetezam-pifanakalozana manavatsava firenena, kolontsaina ary fiteny.

Tsy mamoaka lahatsoratra fotsiny izahay mba hahazo ‘kitika’ na hanaraka fironam-baovao fa manao izany kosa izahay satria tianay hatrany mba hisy fiantraikany manerana izao tontolo izao ny asa mafy ataonay.

Noho izany, ny fomba iray ilaina mba hamantarana izany dia ny fomba hamalian'ny mpamaky ny tantaranay sy ny fandikanteninay. Andeha hojerentsika ary hoe iza ireo mpamaky ary inona avy ireo lahatsoratra nahasarika ny sain'izy ireo nandritra ny herinandron'ny 02 Jolay ka hatramin'ny 08 Jolay 2018.

Aiza eto amin'izao tontolo izao no ahitana ireo mpamaky ny Global Voices?

Tamin'iny herinandro iny, nahasarika mpamaky avy amin'ny firenena miisa 203 ny tantaranay sy ny fandikanteninay! Ireto ny firenena miisa 20 lohalaharana tato amin'ny tranokalan'ny Global Voices:

1. Etazonia
2. Frantsa
3. Japana
4. Brezila
5. Filipina
6. Meksika
7. Arzantina
8. Espaina
9. Pero
10. Taiwan
11. Bangladesh
12. Kolombia
13. Rosia
14. Italia
15. India
16. Alemaina
17. Fanjakana Britanika
18. Indonezia
19. Madagasikara
20. Ekoadaoro

Saingy ampahany kely amin'ny fahasamihafana misy eo amin'ireo mpamaky ihany ireo. Andao ampiasaintsika ny True Random Number Generator [2] avy ao amin'ny Random.org ary hanao topi-maso kely ireo firenena vitsivitsy hafa ao amin'ny lisitra isika:

39. Soisa
149. Maorisy
57. Uruguay
70. Côte d’Ivoire
114. Timor-Leste

Global Voices amin'ny teny anglisy

Ny tranonkala amin'ny teny Anglisy no ahitana ny ankamaroan'ny votoaty mivoaka voalohany ato amin'ny Global Voices. Ireto ny lahatsoratra dimy voalohany be mpamaky indrindra tamin'ny herinandro lasa teo:

1.Kintan'ny football iray vao misandratra anisan'ny Uyghurs iray tapitrisa mahery alefa any amin'ny toby fanarenan-tsaina shinoa [3]

2.Nidina an-dalambe am-pilaminana ny Ogandey ho fanoherana ny famonoana olona manao ho lasibatra ny vehivavy [4]

3.Tafakatra ambony dia ambony mampanahy ny tahan'ny fampijaliana ankizy aty Madagasikara [5]

4.Manoloana ny fahafatesana nateraky ny herisetra manerana ny firenena, mitady fiarovana tsara kokoa ny Nizeriana [6]

5.Ireo vehivavy ao ambadiky ny “Revolisiona Vilory” ao Armenia [7]

Global Voices Lingua

Ny Lingua dia tetikasa iray handikanteny ireo tantara ato amin'ny Global Voices amin'ny fiteny hafa ankoatra ny teny Anglisy. Misy 30 eo ho eo ny tranonkala Lingua mavitrika. Ireto ambany ireto ireo tantara be mpamaky indrindra na nanaovana fandikanteny tao amin'ny tranonkalan'ny fiteny mavitrika tsirairay avy tamin'ny herinandro lasa teo.

Amharika

Arabo

Bangla

Shinoa (notsorina)

Shinoa (nentim-paharazana)

Tseky

Holandey

Esperanto

Frantsay

Alemà

Grika

Hongroà

Indoneziana

Italiana

Japoney

Koreana

Makedoniana

Malagasy

Nepali

Poloney

Portiogey

Punjabi

Rosiana

Serba

Espaniola

Swahili

Tiorka

Urdu