- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miangaly rap momba ny fampahalalam-baovaon'olontsotra i Jorge Jurado

Sokajy: Hiper-barrio, Mediam-bahoaka, Rising Voices

(Marihina fa tamin'ny 19 Febroary 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Mila Flash 8 (na ambony kokoa) [1] sy javascript ianao mba ahafahanao mijery ny horonantsary.

Fantatro fa toa somary dedaka kely izany – olona mihira rap momba ny famahanana bilaogin-dahatsary – kanefa tsy tononkalo fotsiny ihany ny tononkiran'ny hiran'i Jorge Jurado ‘ConVerGentes’  fa maneho ihany koa ny fahamarinana momba ny fandraisana anjara amin'ny fampitam-baovao amin'ny ankapobeny: mamorona izahay satria voatery tsy maintsy manao izany fa tsy hoe nisy niteny akory.

 

0BCD911D-E726-4E58-AB6F-03722693E2D9.jpg

Ireo mpikambana mavitrika indrindra ao amin'ny ConVerGentes. Eo amin'ny farany havanana i Jorge Jurado.

Iray amin'ireo tanora miisa eo amin'ny 20 eo ho eo ao amin'ny sarangan'ny mpiasa ao amin'ny fokonolona ambanivohitra ao San Javier La Loma izay nanangana ny vondrona fampitam-baovaon'olontsotra” ConVerGentes [5].” i Jorge. Anisan'ny iray amin'ny vondrona telo izay ao anatin'ny tetikasa fanentanana lehibe indrindra HiperBarrio  [6]izy ireo. Kilalaon-teny manambatra ny teny Espaniôla manondro ny firohotana, fahitana, ary vahoaka ny hoe ConVerGentes.

Namoaka fanadihadiana fohy mikasika ny kolontsaina graffiti [7]sy bilaogy ao La Loma [7] tao amin'ny La Voz del Silencio [8]i Jorge, ary manatalenta amin'ny famolavolana sary sady mpanakanto hip-hop ihany koa izy. Miresaka momba ny fahafahana mampiasa fampahalalam-baovao azo andraisana anjara amin'ny fanavotany ny tantara noadinoina sy ny kolontsain'ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana ny hirany “ConVerGentes” izay nohirainy mivantana an-tsehatra tany amin'ny voalohandohan'ny volana Janoary 2008. Notononony ihany koa ny lohatenin'ny bilaogy an-tserasera ConVerGentes tsirairay tamin'ny fomba izay mamaritra ny votoatiny sy ny olona ao ambadik'izany. Afaka mitsidika ny bilaogin'izy ireo tsirairay ihany koa ianao amin'ny alàlan'ny fitsidihana ny tranokalan'ny ConVerGentes [5] sy amin'ny alàlan'ny fitendrena ny rohy tsirairay eo amin'ny ankavanana ambanin'ny lohateny “Blogroll”.