- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bolivia: Obeliska simenitra sy balaonina feno rano mangatsiaka

Sokajy: Amerika Latina, Bolivia, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny Febroary 2007)

Tanàna sy tanàn-dehibe maro no tao an-tsain'ireo bilaogera Boliviana vitsivitsy tamin'ity herinandro ity. Tamin'ny volana desambra 2006, nanakodia ny karipetra mena ny tanànan'i Cochabamba ary nampiantrano fihaonambe ho an'ireo filoham-pirenena Amerikana. Ho fanomezam-boninahitra an'io fotoana io, nanolo-kevitra hankalaza ny fivoriana amin'ny alalan'ny fananganana tsangambato obeliska iray ao afovoan-tanàna ny sasany amin'ireo mpanao lalàna ao an-toerana. Nilaza ihany koa ny sasany amin'izy ireo fa mety hiteraka firongatry ny fizahantany ao an-toerana izany na dia eo aza ny tombam-bidiny Bs. 4.000.000 (500.000 dolara Amerikana).

Mahita ny hevitra ho tsy misy fotony i Fadrique Iglesias Mendizábal. Tao amin'ny bilaoginy El Clavo en el Zapato [ES] (Ny fantsika eo amin'ny kiraro), nilaza izy fa tsy manampy ny tolo-kevitra [1].

¿Alguien de verdad en su sano juicio o con un poquito de sentido común se cree que en un país alucinante para el turismo, con lugares alrededor como Samaipata, Chiquitos, Tiwanaku, La Paz, Coroico, Toro Toro, Copacabana, el Salar, Sucre, Potosí, Noel Kempf, etc, etc, etc, un paseante, por más engañado que esté, va a modificar su hoja de ruta para ver un trozo de cemento, so pretexto de ser el más grande se Sudamérca?.

Afaka mieritreritra ve ny olona misaina tsara sy manana fahatakarana kely mihevitra tokoa fa ao amin'ny firenena manana toerana ara-pizahantany mahavariana toa an'i Samaipata, Chiquitos, Tiwanaku, La Paz, Coroico, Toro Toro, Copacabana, Salar (de Uyuni), Sucre , Potosí, Noel Kempf, sns., sns., sns., fa ny mpandeha iray, na dia very lalana aza, dia mety hanova ny làlany mba hijery tilikambo simenitra, izay ny antony manokana dia noho izy lehibe indrindra any Amerika Atsimo ?

Iglesias Mendizábal mihevitra fa misy ireo zavatra mahavariana mendrika jerena kokoa ao Cochabamba, ary angamba ny obeliska goavana dia tsy ho anisan'izany.

Pero pensemos, ¿qué es lo que puede atraer a un turista de Cochabamba?
Digamos que la diversidad natural, el clima, la comida, la riqueza intelectual y sus artístas, el legado etnocultural, la arqueología, las fiestas populares (Urkupiña, Feria del Pescado, Manzana, Charango, Chicha, Wayllunka, etc.) ; como ven motivos sobran tenemos una cultura realmente rica, pero latente y casi enterrada. Más rica que un pampacu de Vinto.

Tokony hieritreritra isika hoe: ‘Inona no mety hahasarika mpizahatany any Cochabamba?’ Angamba mety ny fahasamihafan'ny voajanahary, ny toetr'andro, ny sakafo na ny harena ara-tsaina sy ny mpanakantony izany. Angamba mety ho ny vakoky ny foko ara-kolontsaina, ny arkeolojia, ny fety malaza, toy ny Urkupiña, ny Trondro, Paiso, Paoma, Charango, Chicha, na Wayllunka. Tena manana kolontsaina manankarena tokoa isika, saingy zara raha hita izany. Manankarena kokoa noho ny pampacu avy ao Vinto izany.

Mitalaho izy fa taraiky ny tanàna raha oharina amin'ireo tanàna hafa Boliviana izay nanatontosa hetsika ara-kolontsaina tahaka ny foaram-boky sy fetiben'ny sarimihetsika.

Evelin Torrico, mponina ao Santa Cruz, niverina vao haingana tao querida llajta (tanindrazana malala) sy ny fitsidihany isan-taona any Cochabamba. Anisan'ny mampiavaka azy manokana ny habetsahan'ny sakafo sy fahafahana misakafo – hatramin'ny enina isan'andro [2]. Nanoratra tao amin'ny bilaoginy, Mis Locuras [ES] izy fa ahitana tanàna madinika ao, izay tsy dia lavitra aleha ny zava-drehetra. Na izany aza, miaiky ihany koa izy fa eny ivelany mahomby tanteraka ny balaonina rano mitarika mankany amin'ny Karnavaly.

Eso sí OJO!….desde la anterior semana que estaban mojando con globos…fui el domingo con mis primos y empezaron a llegar globazos de todos los lados….al principio los maldecía, les gritaba enojada “ocioooosos de miii…rrrthaa!!” jiji pero lueeeeego…hasta nos compramos a 1bs los 10globos cargados con agua, y empezamos la batalla entre los autos que pasaban con sus francotiradores, y nosotros en la acera jijij…peeeeeero con mi siempre maravillosa punteria no le dí a ni uno!!! ..y bueno…así, dicen que las primeras semanas es “sano” pq despues comienzan a lanzar globos congelados…..ttrrrrtrrrr qué dolor!!!

Tandremo. Hatramin'ny herinandro lasa teo, mivoaka miaraka amin'ny balaonina rano ny rehetra. Nivoaka niaraka tamin'ny zanak'olo-mpiray tam-po amiko aho tamin'ny alahady lasa teo ary avy eny rehetra eny ny balaonina rano. Nanozona azy ireny aho tamin'ny voalohany, saingy avy eo, nividy balaonina rano tamin'ny vidiny Bs. 1 (eo ho eo amin'ny 0,12 dolara Amerikana). Nanomboka tamin'ny fiara izay nandalo niaraka tamin'ireo mpitifitra azy ireny ny ady. Nijoro teo amin'ny sisin-dalana izahay, saingy tamin'ny tanjoko maranitra, tsy nahatratra na dia iray monja aza aho! … Milaza izy ireo fa azo antoka kokoa ny herinandro voalohany satria manomboka manipy balaonina rano mangatsiaka izy ireo aty aoriana. Oh, ny fanaintainana!

Ireo bilaogera roa ireo dia nanoratra momba ny tanànany ao Cochabamba, iray amin'ireo foiben-drenivohitra lehibe ao anatin'ny firenena. Bilaogera iray hafa antsoina hoe Joup no niditra vao haingana tamin'ny kisendrasendra tao an-tanàna kely antsoina hoe Urubichà [3] ao amin'ny departemantan'i Santa Cruz, izay mikasika ny tetikasa momba ny orkesitra sy tarika malaza avy any amin'ny faritra. Feno tamin'ny fiara fitateram-bahoaka efa simba, mpiantsehatra mahaliana izay nipoitra avy ao anaty sy ivelan'ny fiara fitaterana izay toa nijanona isaky ny kilaometatra vitsivitsy mba haka mpandeha vaovao, sy ireo mpikambana ao amin'ny FELCC (Hery manokana manohitra ny heloka bevava) aka ny polisy, ary saika nisy lozam-pifamoivoizana, tonga ihany tany amin'ny toerana nalehany i Joup sy ny mpiara-dia taminy.

Farany, Marco, bilaogera monina ao Tarija avy ao amin'ny Pandemónium [ES] nanoratra fehezan-teny iray mikendry hiteraka adihevitra. Manontany izy hoe, “Ahoana raha maty androany i Evo (Filoha Morales)?” [4] Vokatr'izany, fanehoan-kevitra am-polony na mihoatra no namaly tamin'ny fijerin'izy ireo momba ny zava-misy mety hitranga. Ny sasany kosa natahotra fa ny filoha lefitra ankehitriny Alvaro Garcia Linera dia mbola mety ho ratsy kokoa ho an'ny firenena. Ny sasany namazivazy fa mety hiverina hanangatra ny matoatoan'i Morales, raha matahotra ny baranahiny tanteraka kosa ny hafa.

Tamin'ity fotoana ity, tamin'ny taon-dasa: Taorian'ny fanehoan-kevitra manontany raha mikasika ny politika ihany ny lahatsoratra bilaogy  Boliviana rehetra, hijery ny sasany amin'ireo karazana bilaogy Boliviana isika [5]. Mandray anjara goavana amin'ny fivoaran'ny tontolon'ny bilaogy Boliviana ny bilaogy haisoratra, teknolojia ary sary.