Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Nibedy an'i Maldiva ireo mpanara-maso ny fahalalahan'ny gazety

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny Febroary 2007)

Vao haingana ireo mpanaramaso ny fahalalahan-gazety iraisampirenena lehibe no nibedy an'i Maldiva noho ny zava-bita ratsy eo amin'ny fahalalahan-gazety ao amin'ny firenena ato amin'ny Ranomasimbe Indiana.

Nitsikera an'i Maldiva ny Reporters without Borders (RSF) noho ny fanitsakitsahana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety tamin'ny tatitra 2007 fanao isan-taona.

Information Minister, Mohamed Nasheed, who in May 2006 met members of an international mission of which Reporters Without Borders was a member, said the broadcast sector would shortly be liberalised and that laws to protect press freedom would be adopted before the end of the year. Unfortunately, the end of the state monopoly on radio and television has been postponed and the government had a draconian law on defamation adopted by decree. As a result, 38 requests made to the authorities to set up privately-owned radio and television stations have gone unanswered.

The government headed by the immovable Maumoon Abdul Gayoom, who has been in power since 1978, has therefore failed to honour all its promises in relation to press freedom which were set out in the “road map” for democratic reform. Moreover, police continue to harass and sometimes imprison pro-opposition journalists.

Nilaza ny minisitry ny fampahalalam-baovao, Mohamed Nasheed, izay nihaona tamin'ireo mpikambana ao amin'ny iraka iraisampirenena tamin'ny Mey 2006 ary mpikambana ao amin'izany ny Reporters Sans Frontiers, fa tokony halalahana tsy ho ela ny sehatra haino aman-jery ary tokony hapetraka ny lalàna fiarovana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety alohan'ny faran'ny taona. Mampalahelo anefa fa nahemotra ny fanesorana ny ampihimamban'ny fanjakana amin'ny radio sy ny fahitalavitra ary nanana lalàna henjana mifehy ny fanalam-baraka nolaniana tamin'ny didy hitsivolana ny governemanta. Vokatr'izany, tsy nahazo valiny ireo fangatahana 38 hanangana radio sy fahitalavitra tsy miankina napetraka tamin'ny manampahefana.

Ny governemanta notarihan'i Maumoon Abdul Gayoom tsy tafala teo amin'ny toerany mihitsy, izay efa teo amin'ny fitondrana nanomboka tamin'ny taona 1978, dia tsy nahavita nanaja ny fampanantenany rehetra mikasika ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety izay napetraka tao amin'ny “tondro zotra” ho an'ny fanavaozana demokratika. Ankoatra izany, manohy manenjika ary indraindray managadra ireo mpanao gazety mpomba ny mpanohitra ny polisy.

Naneho ny ahiahiny momba ny fanenjehana ataon'ny fanjakana amin'ireo mpanao gazety miasa ao amin'ny Minivan Daily sy Minivan News ny English PEN.

Nomelohina higadra mandrapahafaty tamin'ny Aprily 2006 i Fahala Saeed, mpanao gazetin'ny Minivan Daily noho ny fiampangana azy amin'ny trafika rongony izay heverina fa fiampangana namboamboarina. Misy ny fitoriana miandry ny tonian'ny gazety Minivan Daily, Aminath Najeeb sy ny tonia lefitra, Nazim Sattar. Any am-ponja ilay mpanao sariitatra Ahmed Abbas noho ny fanehoan-kevitra nataony tao amin'ny Minivan Daily.

Nanasokajy an'i Maldiva ho “tsy malalaka” ny tatitra momba ny Fahalalahana Manerantany 2007 avy amin'ny Freedom House ary manasongadina ny olana sedrain'ireo mpanao gazety.

The penal code bans speech or actions that could “arouse people against the government,” while a 1968 law prohibits speech considered libelous, inimical to Islam, or a threat to national security. The law also allows authorities to shut newspapers and sanction journalists for articles containing unfounded criticism of the government. Moreover, regulations make editors responsible for the content of material they publish.

Ny fehezan-dalàna famaizana dia mandràra ny fitenenana sy ny hetsika izay mety “hitarika ny olona hanohitra ny governemanta”, raha mandràra fitenenana hita fa manala-baraka, tsy manaja ny finoana silamo, na loza mitatao ho an'ny fiarovam-pirenena kosa ny lalàna 1968. Ny lalàna ihany koa dia mamela ny manampahefana hanakatona gazety sy hanasazy mpanao gazety noho ny lahatsoratra ahitana tsikera tsy mitombina momba ny governemanta. Ankoatra izany, mametraka ireo tonian-dahatsoratra ho tompon'andraikitra amin'ny votoatin-javatra avoakan'izy ireo ny lalàna.

Nitsikera an'i Maldiva ihany koa ny South Asia Press Commission (SAPC) noho ny sakana amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ary nanoritsoritra ny firenena ho fonjan'ny mpanao gazety tamin'ny tatitra 2006 fanao isan-taona .

Ny volana Janoary 2007, voatery nandao an'i Maldiva sy nampidirina lisitra mainty nandritra ny roa taona i Phillip Wellman, mpanao gazety amerikanina miasa ho an'ny Minivan News.

Will Jordan, mpanao gazety ao amin'ny Minivan News, miresaka momba ny haavon'ny famoretana ao Maldiva ao amin'ny bilaoginy .

For example, the authorities have intercepted phone calls, text messages, emails and other forms of communication. There is little reason to believe they are not still doing so, and we all are forced to behave as if they are. Conversations in cafes, restaurants and other public places are rarely confidential. There are many informants and others with an unhealthy interest in your daily business. Day-to-day movements, like those of our journalist, Phillip Wellman, in the two days before he was expelled, are noted. As another foreign journalist, Hari Kunzru of the Guardian newspaper has observed, anonymity is not an option.

The people who journalists speak to are instilled with fear. Until now, nobody has ever really asked the average citizen for their opinion. It has never mattered before – at least not on the simple basis that, as a Maldivian, they should be allowed to have a say. It has only mattered on the basis that they might be causing trouble.

Strongly held opinions tend to lead to problems in the Maldives, so few people dare speak to journalists and even fewer let you publish their names. Notoriety leads to trouble.

Ohatra, manapaka antso an-tariby, hafatra an-telefaona, mailaka sy endrika hafa amin'ny fifandraisana ny manampahefana. Misy antony kely hiheverena fa tsy mbola manao izany izy ireo, ary voatery hitondra tena tahaka azy ireo isika rehetra. Zara raha tsiambaratelo ny resadresaka ao amin'ny trano fisotroana kafe, toeram-pisakafoanana sy toeram-bahoaka. Maro ireo mpilaza vaovao sy ny hafa manana fahalianana tsy tsara amin'ny fiainanao isan'andro. Voamarika ny hetsika isan'andro, toy ny an'ireo mpanao gazetintsika, Phillip Wellman, roa andro talohan'ny nandroahana azy. Tahaka ilay mpanao gazety vahiny iray hafa, Hari Kunzru ao amin'ny gazety Guardian izay nahita fa tsy safidy ny tsy fitononana anarana.

Feno tahotra ihany koa ny olona izay iresahan'ireo mpanao gazety. Hatramin'izao, tsy mbola tena nisy olona nanontany ny habetsahan'ny olom-pireneny noho ny heviny. Tsy mbola noraharahiana mihitsy izany teo aloha – na farafaharatsiny tsy noho ny antony tsotra, amin'ny maha-Maldiviana, tokony avela hiteny izy ireo. Vao mainka manan-danja noho ny antony mety hiteraka olana izany.

Mitarika olana ao Maldiva ny hevitra tena mibaribary, vitsy ny olona sahy miteny amin'ny mpanao gazety ary vitsy mihitsy aza ny mamela anao hamoaka ny anaran'izy ireo. Miteraka olana ny laza.

Manoloana ny faneriterena goavana iraisam-pirenena, nanamaivana ny famerany amin'ny fepetra kely ny governemanta. Efa-taona lasa izay, henjana be ny herin'ny famaizana satria mpanohitra antserasera efatra no nosamborina noho ny taratasim-baovao antserasera manohitra ary nahazo sazy an-tranomaizina mandrapaha-faty ny telo tamin'izy ireo. Navotsotra kosa ny telo tamin'izy ireo, taorian'ny tabataban'ny iraisam-pirenena, raha nandositra nandritra ny fihazonan'ny polisy ny iray ary nitady fialokalofana tany ivelany. Tsy avela mahazo mpisolovava mihitsy aza ireo gadra.

Mihevitra ny mpitsikera fa miresaka momba ny fanavaozana ho toy ny ampahany amin'ny hetsika fifandraisana amin'ny vahoaka voarafitra tsara ny governemanta, raha ny marina anefa dia mbola fonja ho an'ireo mpanao gazety i Maldiva.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.