- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Misaona indray ny Kashmirita rehefa nitifitra tamin'ny mpanao fihetsiketsehana ny tafika indiana, ary nahafaty telo

Sokajy: Azia Atsimo, India, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona
Indian Army on duty in Jammu and Kashmir. Image from Flickr by Kris Liao. CC BY-NC-ND 2.0 [1]

Tafika Indiana manao ny asany ao Jammu sy Kashmir. Sary avy amin'ny mpisera Flickr Kris Liao. CC BY-NC-ND 2.0

Sivily telo no maty [2] raha nitifitra ny mpanao fihetsiketsehana ny vondron-kery indiana tamin'ny fotoana farany nisian'ny herisetra tao amin'ny faritra atsimon'i Kashmir tantanin'ny Indiana, toerana izay nihamafy ny hetsika ho amin'ny fizakantena tao anatin'ny taona vitsivitsy.

Niditra tao amin'ny tanànakelin'i Redwani any amin'ny faritra atsimon'ny fanjakana ny tafika indiana hanao savahao ireo ahiana ho mpitolona nandray fiadiana anoherana ny fitantanana indiana ao amin'ny lemak'i Kashmir. Nilaza ny vavolombelona fa nanomboka [3] nidaroka olona ny andia-tafika. Tezitra ny mponina ka nifamory teny an-dalambe, ary nisy ny nitora-bato ny tafika.

Ho setrin'izany dia nitifitra tamin'ireo olona nivorivory ny tafika. Anisan'ny maty ny tanoravavy iray, izay hita fa i [4] Andleeb Jan. ireo hafa maty dia i Shakir Ahmad Khanday, 22 taona, sy i Irshad Ahmad, 20 taona.

Namoaka ny lahatsarin'ny fandevenana ireo maty ireo ny mpanao gazety Umar Meraj:

Sehatra mampihetsi-po tamin'ny fandevenana ireo sivily maty tamin'ny fitifiran'ny tafika ny mpanao fihetsiketsehana tamin'ny asabotsy tao Kulgam atsimon'i Kashmir. Veloma faray nataon'ny rainy tamin'ny zananivavy maty – namihina sy nanoroka azy ny rainy sy rahalahy manafosafo am-pitiavana ny rahalahiny maty.

Sivily telo hafa no naratra tamin'ny fitifirana ary nalefa haingana tany amin'ny hopitaly tao an-toerana ary manaraka fitsaboana ry zareo amin'izao fotoana izao.

Raikitra ny fihetsiketsehana manerana ny faritra taorian'ny famonoana. Niantso ny hanaovana fihetsiketsehana anoherana ny fitazonana ilay mpitarika mpisintaka Asiya Andrabi [13] ataon'ny NIA Sampam-pitsikilovam-Pirenena Indiana ihany koa ny mpitarika ny hetsika fifaharana. Ampangain'ny manampahefana ho mihaika ady amin'ny firenena sy mamoaka tenim-pankahalana io vehivavy io.

Naaton'ny governemanta ny tolotra aterineto am-pinday [14] tao amin'ny lemaka, ary nampiharina tamin'ny faritra maro hiadiana amin'ny fihetsiketseham-panoherana ny fameperana misy itovizana amin'ny tsy fahazoana mivoaka ny trano [15].

Vakio ihany koa: The Kashmiri People Versus the Indian State [16]

Nanavao indray ny rotaka i Kashmir hatramin'ny 8 jolay 2016, rehefa novonoin'ny vondron-kerim-piarovana indiana nandritra ny bemidina iadiana amin'ny fiokoana i Burhan Muzaffar Wani [17], komandin'ny vondrona mpitolona mitam-piadiana mpisintaka.

Nalaza tao amin'ny media sosialy i Wani, ary nasongadina tamin'ny lahatsoratra iray nataon'ny gazety britanika The Guardian miaraka amin'ny tanoralahy maro nandray fitaovam-piadiana ho fanoherana ny fitantanana indiana ao amin'ny fanjakana ravan'ny ady, telo taona lasa izay.

Ampolony ny sivily maty hatramin'ny taona nahafatesany; nangonin'ny vavahadim-baovao an-tserasera The Kashmir Walla ny lisitry [18] ny sivily rehetra maty tao amin'ny fanjakana Jammu sy Kashmir hatramin'ny taona 2015.

nanambara ny vondron'ny mpiahy ny zon'olombelona [19] fa nanao fihoaram-pahefana tafahoatra ny tafika mitam-piadiana amin'ny fikasany hamotika ny fikomiana, anisan'izany ny famonoana olona, ny fakana an-keriny sy ny fampijaliana, ary ao anatin'ny tsifisaziana daholo izany rehetra izany.