Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Bahrain: Navotsotra ilay bilaogera rehefa nandoa onitra!

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Febroary taona 2007)

Bilaogera Bahrainita malaza Mahmood Al Yousif namariparitra ministra iray ho ‘adala’. Nitory ity bilaogera ity avy eo ilay minisitra, ka nampanantsoin'ny CID izy omaly.

Nankany amin'ny mpampanoa lalàna izy androany, ary nanontaniana indray nandritra ny adiny telo, teo anatrehan'ny mpisolovava, ary navotsotra rehefa nandoa onitra.

“It is worth noting that in Bahrain’s law, lawyers present are not allowed to interrupt the public prosecutor during questioning, at all, object to a question nor advise their clients not to answer a particular one! They just sit there until the end of the session at which time they are given the chance to register any complaints and make any demands like asking the prosecutor for a copy of the file and to release the defendant on his own recognizance or on bail, rather than rot in jail over the weekend for instance,” wrote Al Yousif.

“Tsara ny manamarika fa amin'ny lalàna any Bahrain, tsy mahazo manapa-teny mpampanoa lalàna mandritra ny famotorana ireo mpisolovava manatrika, tsy azo atao ny manohitra ny fanontaniana na manoro hevitra ny mpanjifany tsy hamaly fanontaniana iray manokana! Mipetraka fotsiny izy ireo mandrapahatongan'ny faran'ny fivoriana amin'izay fotoana izay anomezana fahafahana azy ireo hametraka fitarainana ary manao fangatahana toy ny fangatahana kopian'ny raharaha any amin'ny mpampanoa lalàna ary ny famotsorana ny voampanga amin'ny fanekeny manokana na amin'ny fandoavana onitra, fa tsy mankany am-ponja mandritra ny faran'ny herinandro ohatra. , “hoy i Al Yousif nanoratra.

“At the end of the 3 hours of questioning, he asked us to adjourn to the waiting room for him to deliberate. He did, and decided that this case should be regarded as a misdemeanor and set bail at BD500 (US$1,325).My lawyer insisted on paying that on my behalf and we walked out.”

“Rehefa nifarana ny adiny telo nanaovana ny famotorana, nangataka aminay izy hamarana ny fotoana ho ao amin'ny efitrano fiandrasana mandritra ny fotoana hanapahan-kevitra momba azy. Nanao izany izy ary nanapa-kevitra fa misy fanitsakitsahan-dalàna ity raharaha ity ka napetraka onitra fanafahana mitentina BD500 (1325 dolara Amerikana). Nanizingizina fa handoa izany amin'ny anarako ny  mpisolovavako ary nivoaka izahay. “

“What comes next is that the file goes through to the general prosecutor’s office for them to decide whether to accept the case and go through with it to the courts, or refuse it and close the case. That all remains to be seen over the next few days. Unless of course, the plaintiff drops the defamation case against me, then although his case will be dropped, it is again up to the public prosecutor and in the interest of general public whether to go ahead with it or drop it,” explains Al Yousif.

Ny zavatra manaraka dia nandalo tao amin'ny biraon'ny mpampanoa lalàna ny raharaha mba hanapa-kevitra raha hanaiky ilay raharaha sy hitondra izany any amin'ny fitsarana, na handà izany ary hanakatona ny raharaha. Ho hita eo izany rehetra izany afaka andro vitsy. Raha tsy hoe, manaisotra ny raharaha fanalam-baraka hanenjehana ahy ny mpitory, ary na dia hajanona aza ny raharahany, dia mbola miankina amin'ny mpampanoa lalàna ihany izany ary amin'ny tombotsoan'ny vahoaka amin'ny ankapobeny raha handroso miaraka amin'izany na handao izany ” hoy i Yousif manazava.

Hampangina azy ve izany? Ary inona ny toroheviny ho an'ireo bilaogera ao amin'ny fireneny?

“What’s next though? What is Mahmood Al-Yousif going to do? Am I going to change the direction of the blog, will I concentrate on non-political articles, will I stop criticising public officials and government performance, will I go underground, should I have refused to post bail and get thrown into prison for a few days in order to be a martyr for the cause? What’s next?,” he writes.
“Next is business as usual as far as I am concerned. One thing I would strongly urge Bahraini bloggers to do is go underground. It is not worth getting yourself known as that will only invite suits as I am experiencing now. They can never sue anonymous persons of course and they know it.”

“Inona no manaraka?” Inona no hataon'i Mahmood Al-Yousif? Hanova ny lalana izoran'ny bilaogy ve aho, hifantoka amin'ny lahatsoratra tsy ara-politika, hitsahatra hanakiana ny manampahefana sy ny zava-bitan'ny governemanta ve aho, hiafina ve aho, tokony handà ny handoa onitra ve aho ary halefa any am-ponja andro vitsivitsy mba ho maritioran'ny foto-kevitra? Inona no manaraka?, “hoy izy nanoratra.
“Ny manaraka dia bizina toy ny mahazatra ahy. Zavatra iray tiako andrisihina mafy ny bilaogera Bahrainita ny miafina. Tsy mendrika ny hahafantarana anao tahaka izay iainako ankehitriny. Tsy afaka mitory olona tsy fantatra anarana velively izy ireo ary fantatr'izy ireo izany. “

Tsy ilaina ny milaza fa niteraka fanohanana manerantany ho an'i Yousif ny adiny amin'ny manampahefana. Ataovy izay hamakiana ny sehatra fanehoan-kevitra ao amin'ny bilaoginy.

Bilaogera namana, Lulu nanararaotra hisaona ny fahalalaham-pitenenana.

“Now, if I can call all my fellow people to observe 1 minute of silence in honor of the late freedom of speech, peace be upon her,” she notes.

“Ankehitriny, raha afaka miantso ny namako rehetra mba hangina iray minitra ho fanomezam-boninahitra ny fahafatesan'ny fahalalaham-pitenenana aho, hiaraka aminy anie ny fandriampahalemana,” hoy izy nanamarika.

Nanohana an'i Al Yousif miaraka amin'ny taratasy misokatra Silly Bahraini Girl :

“I really don't understand why he took offence from personal thoughts you wrote on your personal online journal, ie, your blog. If he didn't like it, I don't know why he didn't change the channel, I mean stop intruding on your very own cyberspace. After all, you didn't force him to come and read your blog, did you? He or whoever translated to him what you wrote, came according to his own accord..didn't he? So why are they complaining now?” she wonders.

“Tsy azoko mihitsy hoe nahoana izy no mahatsiaro ho asiana manokana avyamin'ny eritreritra nosoratanao ao amin'ny diarinao manokana antserasera, izany hoe ny bilaoginao. Raha tsy tiany ilay izy, tsy fantatro hoe maninona izy no tsy nanova ny fantsona, ny tiako ambara dia hoe mijanona tsy miditra ao amin'ny sehatra antseraseranao manokana. Raha ny marina, dia tsy nanery azy ho avy hamaky ny bilaoginao ianao, sa tsy izany? Na iza na iza nadika teny taminy izay nosoratanao, dia tonga araka ny sitrapony manokana…sa tsy izany. Koa nahoana izy ireo no mitaraina ankehitriny? ” Manontany tena izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.