- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny zava-nitranga tao Koety

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Koety, Fifidianana, Hehy, Mediam-bahoaka, Mozika, Sakafo, Saripika, Teknolojia, Toekarena sy Fandraharahàna, Zavakanto & Kolontsaina

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Febroary 2007)

kuwaiti rainbow

Nankafy ny toetr'andro mahafinaritra tamin'ity herinandro ity i Koety. Marobe ireo olona nanararaotra izany sy nandeha nitsangatsangana tany amin'ny tany efitra.

Tsy hafa amin'izany i Engineeroo. Nanatevin-daharana ireo olona nanangana trano lay sy nitondra sakafo sy zava-pisotro izy mba hankafy ny fiandohan'ny lohataona. Tsy izany ihany fa naka sary avana [1] izy!

Yesterday when I was in our camp(المخيم) after the lovely rain … rainbow was shown a full half circle…. actually, it was two of them and I captured both…. 🙂 here is one of them and you can See my shadow … 😉

Raha tany amin'ny lasinay aho omaly (المخيم) taorian'ny orana mahafinaritra… hita tsara ny tapa-paribolan'ny avana…..nisy roa tamin'izany ary nalaiko sary izy roa …. 🙂 ity ny iray amin'izy ireo ahatazananao ny aloko….;)

Tsy naharaka ny Foaran'ny Varotra InfoConnect ? Chillnite nitantara izany tao amin'ny bilaoginy Chillnite [2].

Just came back from InfoConnect 2007 exhibition at the Mishref fair grounds. Why am I not surprised to see the lack luster exhibition? I don’t think Kuwait’s IT sector is mature enough to be part of any of these exhibitions held in Kuwait.

Vao avy tafaverina tamin'ny fampiratiana InfoConnect 2007 tao amin'ny tokotanin'ny foara Mishref. Nahoana aho no tsy gaga mahita ny tsy fisian'ny fampiratiana jiro mahafinaritra? Tsy mihevitra aho fa matotra ny sehatra teknolojiam-baovao ao Koety mba ho anisan'ny anaovana fampiratiana ao Koety.

The Criticizer ao amin'ny MacaholiQ8 [3] niresaka momba ny fiankinan-doha hafa ananany- ny mifoka Shisha! Saingy misy ny vaovao ratsy momba ny zavatra ankafiziny hafa.

Most shisha smokers and “gahawi” riders know Digol Cafe so here are the news; my ultimate hang out will be closed down because the building is scheduled for demolition within the next few weeks.

Ny ankamaroan'ny mpifoka shisha sy ny mpitaingina “gahawi” dia mahafantatra ny Digol Cafe ka ity ny vaovao; hifarana ny resadresako farany satria horavàna ao anatin'ny herinandro vitsy ny tranobe

Nanana fampisehoana hira Japoney tamin'ny herinandro lasa izahay tao Koety, ka manana sary sy tatitra kely momba izany i Joeymaniaa [4].

Wed 31-1-2007 : the place was to crowded even people was standing the whole show and some of them sit on the floor, i didn't have any idea of what would i see.

Alarobia 31-1-2007 : hipoka olona ny toerana, nisy olona nitsangana foana aza nandritra ny fampisehoana manontolo ary mipetraka amin'ny tany ny sasany amin'izy ireo, tsy nanan-kevitra ny amin'izay hitako aho.

K The Kuwaiti manome fitantarana maro momba ny fiara. Tamin'ity indray mitoraka ity, ny tsingerintaona faha-60 ny Ferrari, ankalazaina anaty angeso ao Koety ny andron'ny Ferrari [5].

I finally got the time to post my pictures of the ‘Ferrari Anniversary’ on my Flickr page. My camera ran out of battery and I started using a friend's camera.
Al-Zayani had a ‘Ferrari Day’ to commemorate the 60th anniversary of Ferrari worldwide (1947-2007). They are basically do stops around the world with convoys of Ferraris driving around.

Nanam-potoana hamoahana ny sariko tamin'ny ‘Tsingerintaonan'ny Ferrari’ ao amin'ny pejiko Flickr ihany aho. Lany vatoaratra (bateria) ny fakàn-tsariko ary nanomboka nampiasa ny fakàn-tsarin'ny namako aho.
Al-Zayani nanatrika ny ‘Andron'ny Ferrari’ mba hankalaza ny tsingerintaona faha-60-n'ny Ferrari manerantany (1947-2007). Tsy maintsy manao fiatoana manerantany izy ireo miaraka amin'ny Ferrari mitandahatra mandehandeha.