(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Mey 2007)
Na dia mbola misy aza ny hetsi-panoherana ny filoham-pirenena manerana an'i Torkia, dia nieritreritra aho fa amin'ny lahatsoratra amin'ity herinandro ity, mety hirona any amin'ny vinavina somary lehibe kokoa sy mampiala voly eo amin'ny kolontsaina Tiorka isika …. ny Fifaninanan-kira Eurovision! Raha laharana faha-efatra i Torkia tamin'ity taona ity (Serbia no laharana voalohany), dia mbola maro ireo Tiorka milaza fa mbola ilay mpihira Tiorka, Kenan Doğulu no mpandresy amin'izy ireo!
The Turkish Invasion mamintina ny dikan'ny Fifaninanan-kira Eurovision:
Along with the tragic defeat at gates of Vienna and the “other” half of Cyprus, Eurovision has been one of the issues that had a large and everlasting public audience in Turkey. Once a part of national pride (which was still in dispute to be a part of Europe or Asia), Eurovision Song Contest, which is originally a celebrative gathering of the member countries of the European Broadcasting Union with a semi-formal contest of songs representing each state, has become an arena (not only for Turks, but soon for every member) to prove the artistic leadership in Europe.
In spite of the hysteric audience and months of exhaustive preparations under heavy media coverage, the Turkish songs, which are originally far from being able to be liked by a normal homo sapiens, usually take the positions not far away from the bottom. Of course, the blame was always on the non-voting Europeans, our ultimate enemies in a hundred years old sacred alliance…After years of struggling and geting no positions close to Top 10, the public interest faded into the growing success of Turkish football through the slogans of “Europe, Hear Our Voice ” (sung in a rather threatening way). The Eurovision frenzy was only revived when a semi-competent song, sung in English over oriental rhytms, “Every way that I can” by Sertap Erener, won the first place, Turkey remembered its neverending feud with the Europeans in the artistic arena. I remember that Sertab was greeted by highest officials as a hero upon her return to country. In a country where nobel laureates are threatened not to come back, her welcome parade even overshadowed Galatasaray's UEFA Cup showdown.
Ankoatra ny faharesena mahatsiravina tao amin'ny vavahadin'i Vienne sy ny antsasak'i Sipra “hafa”, iray tamin'ireo lohahevitra nahazo ny vahoaka mpijery marobe sy maharitra any Torkia ny Eurovision. Na dia efa ampahan'ny reharehan'ny firenena indray mandeha aza (izay mbola ifandirana mba ho ampahany an'i Eoropa na an'i Azia), nanjary sehatra (tsy ho an'ny Tiorka ihany, fa ho an'ny mpikambana tsirairay atsy ho atsy) mba hanaporofoana ny fitarihana artistika ao Eoropa ny Eurovision Song Contest (fifaninanan-kira), izay fiarahana mifety eo amin'ireo firenena mpikambana ao amin'ny Vondrona Haino Aman-jery Eoropeana tany am-boalohany ahitana fifaninanan-kira ofisialy amin'ny ampahany izay misolotena ny firenena tsirairay.
Na dia eo aza ny hiakiaky ny mpijery sy ny volana maromaro niomanana mafy teo ambanin'ny fitantarana goavana nataon'ny haino aman-jery, ny hira Tiorka, izay sarotra tiavin'ireo homo sapiens ara-dalàna tany am-boalohany, dia mbola mitàna ny laharana faramparany. Mazava ho azy, ireo Eoropeana tsy mpifidy hatrany no omena tsiny, fahavalonay faratampony tao anatin'ny taona zato niarahana … Taorian'ny taona maro nitolomana sy tsy nahazoana toerana akaikin'ny 10 Voalohany, nitarika ho amin'ny fahombiazan'ny baolina kitra Tiorka hatrany tamin'ny alalan'ny teny filamatra “Eoropa, Henoy ny Feonay” (hiraina amin'ny fomba somary mampatahotra) ny fahalianan'ny vahoaka. Velona indray ny hovitrovitra Eurovision raha nohiraina tamin'ny teny Anglisy tamin'ny gadona tatsinanana ny hira fifaninanana ampahany, “Every way that I can” avy amin'i Sertap Erener, no nahazo ny laharana voalohany, tadidin'i Torkia ny fifanolanana tsy misy fiafarana nifanaovany tamin'ny Eoropeana teo amin'ny sehatra artistika. Tsaroako i Sertab noarahabain'ireo manampahefana ambony indrindra ho toy ny maherifo rehefa niverina tany amin'ny firenena izy. Any amin'ny firenena izay ampitahorina tsy hiverina ny mendrika tamin'ny loka nobel, nanakona mihitsy ny Amboaran'ny UEFA nilalaovan'ny Galatasaray ny matso fiarahabana azy.
Carpetblogger manome loka voalohany tamin'ny fifaninanana (ary raha mbola tsy … nanamarina ny mpanjakavavy mpifindrafindrana Orkaniana ianao -dia ataovy indrindra izany!) Ary Mavi Boncuk kosa namoaka sariitatra momba ny hiran'i Tiorkia hoe “Shake it up, Sekerim” .
Mazava ho azy fa manana ny politikany ny fifaninanana, mitatitra nyTurkish Diary fa nilaza i Kenan Doğulu fa lasan'i Serbia ny vato noho ny antony ara-politika. Angamba ny sasany amin'ireo fanombatombanana ireo dia azo valiana raha miezaka manazava ny fomba fiasan'ny latsa-bato ny Field Diary an'ny Erkan:
The national tele-voting system explicitly implies international relations and the Eastern European solidarity rules in the contest. The results could be read to demonstrate where Turkey stands. Turkey got the highest votes from the UK, the Netherlands, France and Germany (all 12) and Austria, Denmark, Bosnia, Belgium, Albania, Switzerland and Macedonia (all 10). Finland, Romania, Norway, Georgia, Bulgaria, Sweden, Iceland, Russia votes btw 2-7. The highest votes are the direct result of Turkish citizens’ existence in those countries. The strategic target of this year's voting in Turkey's side was Armenia as she got 12 from Turkey whereas Armenia gave 0 to Turkey. With a few exceptions, Turkey does not receive votes from the Eastern European countries…
Ny rafi-pifidianana an-davitra (elektronika) nasionaly dia manondro mazava tsara ny fifandraisana iraisam-pirenena sy ny fitsipiky ny firaisankinan'ny Eoropeana Atsinanana amin'ny fifaninanana. Azo vakiana ny valiny mba hanehoana ny toerana misy an'i Torkia. Torkia no nahazo vato betsaka indrindra avy any Angletera, Holandy, Frantsa ary Alemaina (izy 12) ary Aotrisy, Danemarka, Bosnia, Belzika, Albania, Soisa ary Makedonia (izy 10). Finlandy, Romania, Norvezy, Zeorzia, Boligaria, Soeda, Islandy, Rosia nifidy teo anelanelan'ny 2-7. Ny vato be indrindra dia ny vokatra mivantana amin'ny fisian'ny teratany Tiorka any amin'ireo firenena ireo. Ny tanjona stratejika amin'ny fifidianana tamin'ity taona ity teo amin'ny mpanohana an'i Tiorka dia i Armenia satria nahazo vato 12 avy any Torkia izy raha nanome 0 ho an'i Torkia kosa i Armenia. Amin'ny tranga vitsivitsy maningana, tsy nahazo vato avy any amin'ny firenena Eoropeana Atsinanana i Torkia…
Amin'ny toe-javatra rehetra, “Shake it up, Sekerim” no mijanona ao an-dohako ary tsy mety miala.
Rohy voalohany amin'ny herinandro
1. Tarkan DeLuxe nandrohy tamin'ny vaovao farany tao amin'ny BBC mikasika ny diplaomasia sy ny kolontsaina pop ao Torkia.
2. Turkish Business manoratra momba ny trano manaka-danitra ao Istanbul hantsangana atsy ho atsy amin'ny vidiny mitotaly 150 tapitrisa dolara…ity no lehibe indrindra ao amin'ny firenena.
3. Me and Others miezaka mamitaka ny gender genie ao amin'ny bilaoginy.
4. Idil avy amin'ny Ignore Me If You Can miresaka momba ny kinasa rehefa fahavaratra.