- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Milaza ny Ogandey hoe #NoToSocialMediaTax fa manambaka ny vehivavy, ny tanora ary ny mahantra io

Sokajy: Oganda, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Tanora, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona, GV Mpisolovava

Ogandey mijoro manohitra ny hetra vaovao atao amin'ny media sosialy sy ny Mobile Money (Vola am-pinday).

Nanomboka tamin'ny voalohany jolay 2018 ny governemanta Ogandey nampandoa sara 200 shilling ogandey (0,05 dôlara amerikana) amin'ny fampiasana media sosialy, ka niteraka fanamelohana henjana avy amin'ny Ogandey. Raha 604 dolara isan'olona ny harinkarena faobe [1], dia mety hihinana hatramin'ny telo isanjaton'ny vola miditra isan-taona amin'ny Ogandey amin'ny ankapobeny ny fampiasana media sosialy na fampiasa fampitan-kafatra.

Nivadika ho fitoriana eny amin'ny fitsarana ny fanoherana ny fampandoavan-ketra ny media sosialy tamin'ny roa jolay rehefa nandeha teny amin'ny fitsarana ny olompirenena tamin'ny fampandresen-dahatra fa mifanohitra amin'ny lalampanorenana ogandey ilay hetra. Mandresy lahatra ny mpitory [2] fa itsakitsahan'ity hetra ity ny zon'olombelon'ny Ogandey izay omen-danja ao amin'ny “fepetra manokan'ny Lalampanorenan'ny Repoblikan'i Ogandà tamin'ny taona 1995″.

Mitantara ny gazety kenyana The Daily Nation:

The petition, filed by a team of young advocates under their Cyber Law Initiative (U) Limited and four individuals, Mr Opio Bill Daniel, Mr Baguma Moses, Mr Okiror Emmanuel and Mr Silver Kayondo against the attorney-general, is challenging the Constitutionality of the (200 USH) [$0.05 USD] daily charge for access to social media platforms.

[…]

The petition is particularly targeting several sections of the Excise Duty Amendment Act 2018 [3], which provided for taxes on Over The Top (OTT) services from mobile telephone usage.

Ny fitoriana, napetraky ny ekipan-tanora mpisolovava amin'ny anaran'ny orinasa Cyber Law Initiative (U) sy olon-tsotra efatra, Atoa isany Opio Bill Daniel, Baguma Moses, Okiror Emmanuel ary Silver Kayondo, ho fanoherana ny lehiben'ny fampanoavana, dia manohitra ny maha-ara-dalàmpanorenana ny fampandoavana sara 200 shillings ogandey isan'andro mba hidirana amin'ny sehatra media sosialy.
[…]
Kinendrin'ity fitoriana ity ny toko maromaro ao amin'ny Excise Duty Amendment Act 2018 [3] [Fanitsiana taona 2018 ny hetra tsy mivantana] mifandraika amin'ny hetra atao amin'ny tolotra Over The Top (mihoatra ny tampony) (OTT) amin'ny fampiasana telefonina finday.

Rahonan'ny hetra ny zo fototra halalaka hiteny sy ho afa-miditra amin'ny vaovao torohay izay tsy ny Lalampanorenana Ogandey [4] ihany no miantoka izany fa arovan'ny fifanarahana iraisampirenena ahitana ny Dina Iraisampirenena amin'ny zo ara-tsivily sy politika [5] sy ny Fanambaràna Manerantanin'ny Zon'Olombelona [6] — nanasoania ireo lahatahiry roa ireo i Ogandà.

Niangavian'ny mpitory ihany koa ny fitsarana hamoaka didy izay hampitsahatra tanteraka ny hetran'ny media sosialy. Mitatitra [7] ny gazetiboky PCTech  [7]:

They want the court to issue an order, permanently stopping the government and all her agencies, authorities and officials from imposing any tax on internet or social media usage. In addition, they also want an order, directing the government and government regulatory body of the communications sector; Uganda Communication Commission (UCC) to only regulate OTT services in a manner that guarantees free access, net neutrality, and open internet.

Tian-dry zareo ny fitsarana hamoaka didy manakana amin'ny fomba maharitra ny governemanta sy ireo sampandraharaha miankina aminy ary ny mpiasam-panjakana tsy hampandoa hetra na inona na inona amin'ny fampiasana media sosialy na aterineto. Ankoatra izay, tadiavin-dry zareo ihany koa ny didy, amin'ny governemanta sy ny fahefam-panjakana misahana ny sehatry ny serasera, ny Vaomiera Ogandey misahana ny Fifandraisana (UCC) mba hampanarahan-dalàna ny tolotra OTT amin'ny fomba iantohana ny fidirana maimaimpoana, ny tsy fitongilanan'ny tranonkala ary ny fisokafan'ny aterineto.

Nanolo-tena “hitondra ny ady any amin'ny Fitsarana Afrikana misahana ny Zon'Olombelona sy ny Vahoaka” ny mpisolovava Ogandey Silver Kayondo :

Nanatevin-daharana ireo mpitory hanohitra ny hetra amin'ny media sosialy i Raymond Mujuni ho fiarovana ny maha-loharanom-baovaon-gazety ny OTT sy ny famoahana nomerika. An-dalana izahay ho eny amin'ny Fitsarana hanoherana ny Lehiben'ny fampanoavana (minisitry ny fitsarana?), ny Vaomiera Ogandey misahana ny Fifandraisana ary ny URA [sampan-draharahan'ny hetra] izay nampiana hahazoan'ireo didy tsirairay avy. Hiady hatrany amin'ny Fitsarana Afrikana misahana ny Zon'Olombelona sy ny Vahoaka izahay

Nijoro ihany koa ny vondrom-piarahamonina Global Voices, izay isoloanay tena, amin'ity raharaha ity ary nanomana tweetathon ho firaisankina amin'ny mpikatroka ao Oganda, izay tontosaina anio alatsinainy 9 jolay.

Afisy fanentanana #NoToSocialMediaTax. (Sary namboarin'i Innocent Amanyire @NinnoJackJr ary nahazoana alalana) [ora malagasy : 14:00 – 17:00]

Raha mitohy ny ady eny amin'ny fitsarana, mbola mitoetra ny fanontaniana momba ny fampitovian-tantana (equity), rariny, ary ny fahazoa-miditra sady mila fanadihadiana bebe kokoa. Araka ny fitsapan-kevitra nataon'ny Fahefam-pirenena misahana ny teknolojia sy ny vaovao torohay, 77 isanjaton'ny Ogandey no tsy mahazaka ny sara kely indrindra idirana aterineto ary ny 22 isanjato amin'ny mponina manontolo ihany no miditra aterineto amin'izao fotoana izao.

Raha tokony hampiasa vola amin'ny fotodrafitrasa ahafana mampivelatra ny fahafahan'ny Ogandey miditra amin'ny fiseraserana tosaka haingana ny governemanta dia ny hetran'ny media sosialy izay mametra ny fahafaha-miditra sy mampitombo ny vola miditra amin'ny kitapom-bolany [11] no nataony.

Hitan'ny mpitsikera ho endrika fampandoavana hetra roa sosona [12] ity hetra ity satria efa andoavan-ketra ny fotoana iantsoana sy ny lahatahiry ampiasaina. Ankehitriny, mpisera maro no milaza fa tsy zakany tsotra izao ny handoa 200 USH fanampiny isan'olona sy isan'andro ahafahana miditra amin'ny sehatra ara-tsosialy amin'ny tranonkala sy ny sehatra fifandraisana fantatra amin'ny anarana hoe servisy over-the-top (OTT).

Mbola itarin'ity hetra ity ny hantsana amin'ny fahazoana miditra aterineto tsy hoan'ny tanora ogandey sy ny mahantra ihany, fa ho an'ny vehivavy ihany koa, ka manampy trotraka amin'ny hantsana nomerika eo amin'ny lahy sy ny vavy [13].

Tsy ampandoavin-ketra ny manankarena, ampandoavin-ketra ny mahantra.

Mahatsiaro ho voateritery ny tanora ogandey mpisava lalana amin'ny media sosialy

Miady amin'ny tahan'ny tsi-fananan'asa ambony indrindra eto Afrika Atsinanana i Ogandà. Tatitra momba ny fanisam-bahoaka [16] ogandey tamin'ny taona 2014 no nanondro fa amin'ny mponina mihoatra ny 18 tapitrisa anelanelan'ny 14 ka hatramin'ny 64 taona, tsy an'asa ny 58 isanjaton'izany. Ao anatin'izany fotoana izany ihany, 52 isanjaton'ny Ogandey no manana telefonina finday ary ny 71 isanjaton'ireo dia miaina any amin'ny faritra ambanivohitra, hoy ny tatitra nataon'ny Vaomieran'ny Fifandraisana Ogandey tamin'ny taona 2014 [17].

Ny tanora anelanelan'ny 15 ka hatramin'ny 24 taona no mitari-dalana amin'ny fampiasana smartfinday ary mandrafitra ny 28 isanjaton'ny mponina. Maro amin'ireo no miankina amin'ny telefonin-dry zareo sy amin'ny WhatsApp mba hidirana amin'ny fihariana izay miasa amin'ny alalan'ny mobile money [18] (vola am-pinday). Lazain-dry zareo fa tsapany ho manery lalana amin'ny fandraharahana, amin'ny fanamorana ny fihariana, sy ny fahaiza-mamorona ny hetran'ny media sosialy.

Manoritra ny Fiaraha-miasa eo amin'ny politika iraisampirenen'ny TIC ao Afrika Atsinanana sy atsimo fa misanda ny efa ho 40 isanjaton'ny vola miditra isam-bolana amin-dry zareo sahady ny fampiasana lahatahiry iray gigabyte (GB) monja :

Hiakatra 10 isanjato ny saram-piseraserana ho an'ny mahantra indrindra ao Ogandà, ka ny lahatahiry 1 GB fotsiny dia efa mananontanona ny 40 isanjaton'ny vola miditra amin-dry zareo ankapobeny isam-bolana. Ny Ogandey manankarena indrindra indray hahatsapa fiakaram-bidy 1 % amin'ny saran'ny fiseraserana !

Fanivaivana ireo olom-pirenena efa mizaka ny mafy

Manaraka akaiky an'ilay “hetran'ny fifosafosana” [23] nivoaka tamin'ny Avrily 2018 izay efa nampiady hevitra ity hetran'ny media sosialy ity ary hita ho fanivaivana ireo olom-pirenena efa mizaka enta-mavesatra diso tafahoatra. Tamin'izany fotoana izany no nanoratra ny Filoha Museveni hoe:

I am not going to propose a tax on internet use for educational, research or reference purposes… these must remain free. However, olugambo (gossip) on social media (opinions, prejudices, insults, friendly chats) and advertisements by Google and I do not know who else must pay tax because we need resources to cope with the consequences of their lugambo.

Tsy hanolotra hetran'ny fampiasana aterineto ho amin'ny tanjona fanabeazana, fikarohana na fitadiavan-dohahevitra aho… tsy maintsy mitoetra ho maimaimpoana ireo. Fa tsy maintsy andoavan-ketra ny lugambo (fosafosa) amin'ny media sosialy (hevitra, fitsarana an-tendrony, fifanompana, resaka finamanana) sy ny dokambarotra sy izay tsy fantatro fa mila vola isika hiatrehana ny vokatry ny lugambo ataon-dry zareo.

Ny fametrahan'ny governemanta ny sehatra media sosialy ho rendrarendra no mampiseho ny tsy fahaizana kolontsaina nomerika avy amin'ireo mpanapa-kevitra ao amin'ny governemantan'i Museveni.

Fintinin'ilay Ogandey mpanao gazety Daniel K. Kalinaki [24] fohy ny fiantraikan'ny “hetram-posafosa” sy ny “hetran'ny media sosialy” amin'ny fiainana andavanandron'ny olompirenena Ogandey :

There are basically two problems with the social media tax. First, it shoots the wrong person twice: A Facebook user has already paid tax on the mobile phone, data and electricity; they are, except in a few cases, the product, not the revenue. The tax is like taking money at the gate then also charging for the seats in an empty stadium.

Secondly, people generally don’t gossip or insult others for a living; they do so because they are idle, sad and often unemployed. Imposing a tax to keep them quiet is the cyber equivalent of asking starving people who don’t have millet to eat red velvet chocolate cake instead. This and the mobile money tax have taken many young and poor people, including many in the countryside who have never paid a direct tax, through the organ grinder of our tax system. You can hear the screams from Kidera to Kyotera.

Roa ny olana amin'ny hetran'ny media sosialy. Voalohany, any amin'ny tsy izy ny olona tifiriny indroa: efa mandoa ny hetran'ny finday, ny hetran'ny lahatahiry ary ny hetran'ny vidinjiro ny mpisera Facebook iray ; vokatra ireo fa tsy fidirambola, raha tsy amin'ny tranga maningana vitsy dia vitsy. Lasa sady mampandoa ny fidirana no mampandoa ny seza ipetrahana any amin'ny kianja foana tsy misy na inona na inona ilay hetra.

Faharoa, tsy amin'ny fosafosa na ompaompa no ampidiran'ny olona vola amin'ny ankapobeny ; manao izany ry zareo satria tsy manao na inona na inona, very fanantenana ary matetika tsy an'asa. Ny fampandoavana hetra azy ireo mba hampangina azy ireo dia mitovy amin'ny fitakiana amin'ny noana tsy manana na inona na inona hotsakotsakoana mba hihinana mofomamy mena sôkôlà ho solon'izany raha ao amin'ny cyber. Henonao ny hiaka hatrany Kidera ka hatrany Kyotera.