- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

#NoToSocialMediaTax: Miaraha amin'ny Global Voices hanohitra amin'ny alalan'ny tweetathon ny hetra fampiasana media sosialy ao Ogandà anio 9 jolay 2018

Sokajy: Afrika Mainty, Oganda, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

Afisy tweetathon #NoToSocialMediaTax avy amin'i Innocent Amanyire / @NinnoJackJr

Miaraha lalana amin'ny ekipan'ny Global Voices Afrika Atsimon'i Sahara [1] (@gvssafrica [2]) amin'ny tweetathon — hazakaza-tsioka lavitr'ezaka ao amin'ny Twitter — amin'ny fiteny maro mitaky ny hamaranana ny fampandoavan-ketra ny [fidirana amin'ny] media sosialy ao Ogandà.

Tamin'ny voalohany volana jolay ny governemanta ogandey no nanomboka nampihatra ny lalàna vaovao izay mampandoa hetra [3] 200 shilling [US$0,05, £0,04] isan'andro amin'izay olona misera amin'ny sehatra fampitan-kafatra an'aterineto, na dia eo aza ny fanoherana avy amin'ireo mpanandra-teny ho amin'ny fahalalahana miteny an-tserasera avy ao amin'ny firenena sy ny sehatra iraisampirenena.

Izao hetsika izao no natao, araka ny nolazain'ny Filoha Ogandey Yoweri Museveni, ho fanamafisana ny tetibolam-panjakana sy hanakonana ny “fosafosa [4]” ataon'ny Ogandey ao amin'ny media sosialy. Malaza ihany koa izao [tiany?] eo amin'ireo mpanome tolotra fifandraisandavitra ao an-toerana, izay tsy mahazo tombony mivantana avy amin'ny fampiasana ireo tolotra avy any ivelany “over-the-top” [5] [ambony noho ny faratampony] tahaka ny Facebook, Twitter ary WhatsApp.

Izao fanaovan-dalàna izao dia nialohavan'ny baiko hanoratana ny karatra SIM rehetra amin'ny finday amin'ny Foiben'ny Lahatahiry Biômetrika Nasionaly [Soratana amin'ny tena anaran'ny tompony ny karatra SIM]. Ny fepetra ihany koa dia manery ny Ogandey hampiasa ny hampiasa [6] ny kaonty mobile money [vola am-pinday] irery ihany raha hamahana ny karatra SIM-ndry zareo ary tsy maintsy mandoa haba iray isanjato amin'ny totalin'ny fifanakalozam-barotra rehetra amin'ny vola am-pinday [7].

Vao maika mampandany vola ny Ogandey ireo lalàna vaovao ireo — indrindra ho an'ireo izay miaina ao ambanin'ny tokonam-baravaran'ny fahantrana — raha hifandray sy hanao ny asa andavanandro mampiasa ny fitaovana finday.

Tamin'ny 2 jolay ny firaisamonim-pirenena sy mpanandra-teny ara-pitsarana ao Ogandà nametraka fitoriana [8] anoherana ny lalàna amin'ny filazana fa mifanohitra amin'ny lalampanorenana izao.

Mpanao fihetsiketsehana iray maneho ny fanoherany ny hetran'ny fampiasana media sosialy nandritra ny famorian'olona iray nitranga tamin'ny 6 Jolay 2018.

Tamin'ny 6 jolay ny olom-pirenena miahiahy sy ny mpanandra-tenin'ny firaisamonim-pirenena namoaka fanambaràna iraisana [9] [hita eto ambany] miantso ny Ogandey hanao izay hialana amin'ny fandoavan-ketra amin'ny alalan'ny fampiasana fomba hafa hifanakalozam-bola sy idirana amin'ny media sosialy, sy hamondrona ny hery hanao “Androm-pirenena ihetsiketsehana am-pilaminana hanoherana ny fampandoavan-ketra tsy ara-drariny” amin'ny alarobia 11 jolay 2018.

Te-hanohana izany sy ireo ezaka hafa hitakiana ny hamaranana ity hetra ity ny vondrom-piarahamonina Global Voices sy ireo tambajotran'ny namana sy miara-dia aminy. Mihevitra izahay fa tetika hanivanana ny feon'ny Ogandey sy hanampenam-bava ireo feo manivaka fotsiny izao io hetra io.

Mihevitra izahay fa tokony azo idirana malalaka ho an'ny olona rehetra ny media sosialy ka anisan'izany ny Ogandey. Tsy maintsy miala io hetran'ny media sosialy Ogandey io!

Koa ny alatsinainy 9 jolay, manomboka amin'ny 14:00 (roa ora) oran'i Afrika Atsinanana, ka tafiditra amin'izany i Madagasikara, mikasa izahay hisioka amin'ny mpitarika vondrom-piarahamonina, mpiantsehatra ao amin'ny governemanta sy diplaomatika, ary ireo mpandresy lahatra ao amin'ny fampahalalam-baovao hanome fanairana sy hisintona ny fifantohan'ny vahoaka amin'ity raharaha ity. Ampirisihanay manokana ireo namana bilaogera sy mpisera media sosialy manerana  izao tontolo izao hiara-dalana aminay.

#NoToSocialMediaTax [Tsia amin'ny hetran'ny media sosialy] : Hazakazaka an-Twitter [tweetathon] anoherana ny hetran'ny media sosialy ao Ogandà

Andro: Alatsinainy 9 jolay 2018

Fotoana: 14:00 – 17:00 ora Afrika Atsinanana ka anisany i Madagasikara / 11:00 – 14:00 GMT / Amarino ny hasin'oranareo [10]

Farangoteny: #NoToSocialMediaTax

Mpampiatrano: Ekipa Global Voices Afrika atsimon'i Sahara @gvssafrica [2]

 Ireo sioka azonao ampiasaina (anglisy sy malagasy) :

FANAMBARÀNA IRAISANA AMIN'NY FANITSIANA NY HABA ALOA HAHAZOANA MAMPIASA MEDIA SOSIALY SY MIFANAKALO ARA-BAROTRA AMIN'NY MOBILE MONEY (VOLA AM-PINDAY)

Nifamoriana tamin'ny zoma 6 jolay 2018 tamin'ny roa ora folakandro

Tamin'ny talata 3 jolay 2018, izahay tanora sy mpitarika tanora avy amin'ny fikambanan'ny mpianatra, mpihira sy artista, orinasa madinika sy salasalany ary ny Parlemantan'i Ogandà no nanatontosa valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety izay nanehoanay ny fahamailoanay sy ny fiahiahianay fatratra amin'ity lalànan'ny habam-pidirana (Fanitsiana) izay mampaka vola amin'ny fidirana media sosialy sy misintona iray isanjato amin'ny fifanakalozam-barotra avy amin'ny vola am-pinday ity.

Miangavy ny Mpitondrateny izahay hiantso ny Parlemanta hiverina avy amin'ny fialan-tsasatra ary mitaky amin'ny Mpitarika ny Fiharian'ny Governemanta hametraka sosokevitra hanaisotra ny fanitsiana amin'ny zoma 6 jolay 2018. Efa lasa ny fotoana farany ora vitsivitsy lasa izay ary eto izahay hanambara fa lasa izao:

i) Manasa ny olom-pirenena sy ny mpamandrika izahay hampitsahatra ny fifanakalozam-barotra amin'ny alalan'izay rehetra mety mandalo tolotra Mobile Money (vola am-pinday) ary ho solon'izany, hiankina amin'ny fomba fandoavana amin'ny vola (vy na taratasy) mba hialàna amin'ity hetra diso toerana ity;

ii) Mandrisika hatrany ny olompirenena izahay hiditra amin'ny safidy vonona ho ao anaty serasera tsy mandoa ilay roanjato shillings Ogandà (200/-) isan'andro raha hiditra amin'ny habaka media sosialy;

iii) Miantso ny mmpikamban'ny parlemanta ihany koa izahay hanao haingana ny fombafomba hiantsoana ny Lapa sy hanao fizahana ihany koa any amin'ny fari-pifidianan-dry zareo momba ity raharaha ity;

iiii) Farany, ambaranay ny andron'ny alarobia 11 jolay ho Androm-pirenena ihetsiketsehana am-pilaminana hanoherana ny fampandoavan-ketra tsy ara-drariny. Amin'io izahay manasa ny olompirenena hanao fanangonan-tsonia ho an'ny mpikamban'ny parlemanta sy hitafy akanjo mena rehefa mandeha  miasa ry zareo. Efa nampilaza tany amin'ny polisin'i Ogandà izahay ary azo jerena ny kopian'ny fampilazàna.

Mbola hiroso izahay hampiditra ny fari-pifidianana misy anay sy ny mpitarika hanao hetsi-panoherana, hitsipaka ary hanohy amin'ny fanaovana ankivy mandra-panafoanana ity hetra tsy noeritreretina tsara ity. Amin'ny maha-tanora mpitarika anay, efa nanao fikarohana sy fizahana izahay ary vonona ny hanolotra fomba sy endrika fampandoavan-ketra izay lovainjafy sy ahazoan'ny olom-pirenena sy ny fanjakana tombony.

KOMITY MPANOMANA
HETSIKY NY OLOMPIRENENA ANOHERANA NY FAMPANDOAVANKETRA TSY ARA-DRARINY

Tatitry ny Global Voices amin'ny fametrahana lalànan'ny media sosialy ao Ogandà ity: