Fampahafantarana ny fiteny Tz'utujil ao amin'ny media sosialy

(Marihina fa tamin'ny 12 Septambra 2014 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)
Fanavaozam-baovao amin'ny nahazo vatsy tamin'ny Rising Voices

Introductory presentation on Tz'utujil Tziij Pa Nimk'atz project. Photo by Israel Quic.

Fampahafantarana ny tetikasa Tz'utujil Tziij Pa Nimk'atz. Sary avy amin'i Israel Quic.

Fanamby goavana ny fampidirana ny fiteny Tz'utujil Mayana ao amin'ny media sosialy satria ny teny Espaniola matetika no ampiasain'ny olona hanoratana any amin'ny rafi-pampianarana. Saika tsy ahitana na inona na inona amin'ny fiteny Mayana azy ireo manokana noho ny fihisarana hanoratra haingana amin'ny fiteny tompotany sy avy amin'ny politikan'ny Fanjakana sy noho ny fahatanjahan'ny “fanaespanioliavana”  ny vahoaka teratany.

Nisy ny ezaka iombonana avy amin'ny vondrom-piarahamonina Tz'utujil Mayana raha nisy vondrona Facebook iray natsangana tamin'ny taona 2012 mba hahafahan'ny mpisera aterineto maneho ny heviny amin'ny fitenin-dry zareo Tz'utujil Tziij, ka nampitombo ny isan'ny fandraisana anjara, ny famoahana lahatsoratra ary ny fanehoan-kevitra. Ireo izay miteny io fiteny io ihany no nanatevin-daharana ny vondrona, ary nahaliana ny nahita ny fomba nanampian'ity vondrona ity ny fanamorana ny fifandraisana, ny famoronana ny fahalalana vaovao sy ny fialamboly.

Ankoatra izany, nosokafana ny pejy Facebook tamin'ny taona 2011 mba hampiroboroboana ny fiteny ao amin'ny vondrom-piarahamonina sy ahafahan'ny olon-kafa manerana izao tontolo izao mianatra teny sy fehezanteny amin'ny fiteny Tz'utujil Mayana.

Ho an'ity dingana ity, dia namorona drafitra izahay mba handraisana mpandray anjara avy amin'ny vondrom-piarahamonina miteny Tz'utujil satria misy ny tanora manerana ny vondrom-piarahamonina tsirairay izay manoratra amin'ny fiteny Mayana. Ankoatra izany, manana drafitra ihany koa izahay ho fampiofanana amin'ny media sosialy, sary, ary ny fomba fandraketana horonam-peo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.