- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arabiska: Bilaogera Iray Nosamborina.. Mbola Misy 1000!

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Afrika Mainty, Angletera, Bahrain, Ejipta, Somalia, Fahalalahàna miteny, Fahasalamàna, Fifidianana, Fivavahana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, Vaovao Mafana, Vehivavy sy Miralenta, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'olombelona

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Novambra 2006)

Toy ny tsy misy ny herinandro tsy misy olana ho an'ireo Ejipsianina sy ny bilaogerany ka maka ny jirobe vrtoaly ao amin'ny tontolontsika.

Tamin'ity herinandro ity, tsy misy afa tsy ny Ministry ny Kolotsaina Ejipsianina Farooq Hosni, izay nanakiana ny voaly na ny Hijab [1] (fanakonana loha Silamo) tanaty antsafa iray tao anaty gazety, no nanisy onja be teo amin'ny Nile.

Tsy manambany ny fanehoankevitr'ilay minisitra ny Justice For All [2] ary miampanga azy ho tsy fahombiazana.

وزير الثقافة فاروق حسني ..الذي لا يوجد في سجله نجاح يذكروهو في منصبه منذ زمن طويل لا يغير ولا يتغير
يتم ضبطه متلبسا يقول كلام عن الحجاب لا يقدم ولايؤخر , وبينما فشل الجميع في محاسبته علي فشله العنيف في كل مجالات الثقافة في مصر وتحول وزارة الثقافة الي تكية او خرابة لا معني لها ولا هدف ولا غاية
يقوم الكل الان باطلاق رصاص العزة والكرامة الاسلامية الي صدر هذا البائس الذي لا قيمة له اصلا لا من قبل ولا من بعد
فاروق حسني الفاشل بكل المقاييس والذي لا قضية له لانه لا قيمة له ولانه لا هدف له ولا نفع منه يريد ان تكون له قضية
يختار ماذا ؟
الحجاب
Nanoratra izy: “Minisitry ny kolotsaina Farooq Hosni izay tsy nanana na fahombiazana iray aza anatin'ny rakitrany nanomboka tamin'ny nipetrahany teo amin'ny toerany taona maro izay no tratra niteny zavatra momba ny Hijab izay tsy hanova ny momba azy. Raha tsy nisy nahavita nitazona azy ho tomponandraikitra tamin'ny tsy nahavitàny vitsivitsy ho fanondrotana ny kolontsaina ao Ejipta sy nanovana ny ministerany ho toerana tsy manana hasina, dikany na tanjona, manafika an'io lehilahy io ny olona rehetra eo ambany aloky ny Silamo. Tsy fahombiazana amin'ny lafiny rehetra i Farooq Hosni ary inona no nofinidiny hahatonga azy hiavaka sy hanana antony? Ny Hijab”

Anaty fivoaran-draharaha hafa, bilaogera Ejipsianina faharoa no voasambotra [3] tao Ejipta

“Nisambotra bilaogera nanao lahatsoratra nitsikera  ny governemanta Ejipsianina ny polisy ao Kairo.

Rami Siyam, izay mitàna bilaogy eo ambanin'ny anaran'i Ayyoub, no voasambotra niaraka tamin'ny namany telo rehefa avy niala ny tranon'ny bilaogera iray namany tamin'ny alimbe.

Tsy nisy antony mazava nomena ho an'ny fisamborana an'i Mr Siyam. Navela nivoaka ireo namany hafa rehefa avy nofotorina”, hoy ny BBC.

Mandritra izay fotoana izay, mbola voatazona i Kareem Sulaiman [4] noho ireo lahatsoratrany nosoratany ao amin'ny bilaoginy [5].

Mbola ao Ejipta, nanaiky i Mostafa Hussein fa nibilaogy avy ao amin'ny biraony mba hamoahana vaovao lehibe [6].

دي أول مرة أدون من الشغل. النهارده شفت 65 حالة. 40 منهم في العيادة بتاعت المركز في 25 في الأستقبال. دي مش أول مرة أتفحت أو أدفن في الشغل. و لكن الغريب عدد الحالات.

وقع تحت يدي أحصاء بعدد الحالات المترددة على كل العيادات التابعة لمستشفى الباطنة و الجراحة التابعين لجامعة عين شمس. و المذهل أن عدد الحالات في شهر أكتوبر لمركز الطب النفسي 1445 حالة و أجمالي عدد الحالات لجميع تخصصات الباطنة و الجراحة 804 في شهر سبتمبر.

Nanoratra izy: “Sambany izao no nibilaogy avy ao amin'ny asako aho. Nahita tranga 65 aho androany – 40 tato anaty toerampitsaboana ary 25 teo amin'ny efitra fandraisana olona. Tsy izao no voalohany nahattototry ny asa ahy. Fa gaga tamin'ny habetsan'ny tranga aho. Vao nahita ny antontanisa ho an'ireo  tranga rehetra hita any amin'ireo toerampitsaboana rehetra tafiaraka amin'ny Oniversite Ain Shams aho. Mahakivy ny manamarika fa tamin'ny volana Oktobra monja, tranga 1.445 no hitan'ny departemanta psikiatrika, raha tranga 804 ihany no hitan'ny departemantan'ny fandidiana sy fitsaboana anatiny tamin'ny Septambra”

Mandritra izay fotoana izay, Somaliana bilaogera mipetraka ao Londona, Mohammed Al Amin Al Hadi [7]izay manoratra amin'ny teny Arabo, no milaza amintsika ny fomba nahatonga azy tsy hahafoy aterineto, izay maka hatramin'ny roa ampahatelon'ny fotoanany.

Al Hadi, izay nijanona tsy nibilaogy nandritra ny fotoana naharitra, nisoatra ny mpamakiny manerana ny tontolo Arabo nanontany ny momba azy nandritra ny tsy naha-teo azy.

بعد طول غياب ها أنذا عدت إليكم!! أشكر الذين بحثوا وتقصوا عن سبب غيابي وراسلوني وتركوا تعليقات وكتبوا في تدويناتهم عن غيابي.. لا سيما الأخ الكريم جحا كم وكذلك العزيز احجيوج. ولعل مما يجعل للتدوين طعما أن يكون الوفاء بين المدونين بهذا المقدار وأن يحس المرء أن هناك من يفتقده
إذا غاب
Nanoratra izy “Tao aorian'ny fialantsasatra lavabe, indro fa miverina aho! Tia hisaotra an'ireo rehetra nitady ahy hatrany sy  nanontany ny tay naha-teo ahy aho, ao koa ireo nandefa imailaka tamiko ary namela fanehoankevitra teo amin'ny bilaogiko, indrindra indrindra ireo bilaogera Joha sy Ahijouj. Manome fijery hafa tanteraka ny fanaovana bilaogy izany, izay misy tsy fivadihana eo amin'ireo samy bilaogera, mahatonga ny iray hahatsapa hoe misy  vitsivitsy malahelo azy any”

Niteny i Al Hadi fa niezaka ny hijanona lavitry ny www nandritra ny volan'ny Ramadan fa tsy nahavita.

حاولت كثيرا أن أبتعد عنه فلم أستطع، فقد أدمنته بحيث كنت أحس أنني لا أستطيع العيش بدونه يوما واحدا، وقد تسبب مرات في سوء تفاهم بيني وبين أهلي. فهي تشكو دائما أني كنت قبل أن أتعلم الكمبيوتر كنت أغرق في الكتاب وبعد أن تعلمته صار هو ضرتها الأولى والأخيرة. وكنت أبذل كل ما أعطيت من حجة لإفهامها أن ما أفعله ليس تضييعا للوقت
Nanaiky izy hoe  “Niezaka mafy tokoa aho ny hijanona lavitra saingy tsy nahavita. Tsy mahafoy anio hatramin'ny farany aho ka mahatsiaro ho tsy afaka miaina lavitra azy na andro iray aza. Niteraka tsy fifankahazoana teo amiko sy ny vadiko io. Mitaraina ny vadiko fa talohan'ny nianarako nampiasa solosaina, variana mandrakariva tamin'ny boky aho, saingy vao lasa zatra an'io, lasa vadiko faharoa ny solosaina. Niezaka mafy aho ny handresy lahatra azy fa tsy fotoana very maina ny laniko eo amin'ny solosaina”

Ohatran'ny efa re?

Tsy izay ihany. Ao amin'ny bilaogin'i Bahraini Tawfeeq Al Rayyash, izay manontany tena hoe rehefa inona no mandainga ny lehilahy [8] no fiatoantsika farany androany

Hoy izy hoe tonga tao an-tsainy tampoka ilay fanontaniana rehefa nandehandeha teny amin'ireo foibe fanentanana ho an'ny fifidianana Parlemanta sy mpanolotsaina monisipaly voalahatra hatao ao Bahrain amin'ny 25 Novambra izy.

تذكرت مقولة احد الفلاسة حينما سأل متى يكذب الرجل فأجاب : “يكذب الرجل مرتين الاولى في فترة الخطوبة والثانية في فترة الانتخابات” فهل توافقونه الرأي
Nanoratra izy: “Tadidiko ny tenin'ilay filozofa izay nanontaniana hoe rehefa inona no mandainga ny lehilahy. Namaly izy: Amin'ny fotoana hanambadiany sy mandritra ny fifidianana. Mitovy hevitra aminy ve enao?”