- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Afrika: “Hope Raisers”, “Da Bomb”, Hip Hop Swahili & Zimfest

Sokajy: Afrika Mainty, Kenyà, Nizeria, Somalia, Zimbaboe, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Mozika, Tanora, Zavakanto & Kolontsaina

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny Marsa 2007)

Tao anatin'ny 4 herinandro hatramin'ny lahatsoratro farany  [1]tato amin'ny Global Voices, be dia be ny hetsika notantarain'ireo bilaogera eo amin'ny sehatry ny hira Afrikana. Ity sombiny kely amin'ny ampahany amin'izany hetsika izany.

Hira avy ao amin'ireo faritra mahantra ao Nairobi tao amin'ny World Social Forum (Fifanakalozan-kevitra Ara-tsosialy Manerantany) 2007

Manana lahatsoratra momba ny fandaharana manokana an'ny tarika mpihira mahatsapa tena “Hope Raisers” avy amin'ny faritra mahantra ao Nairobi  [2]ao amin'ny World Social Forum [3] izay notontosaina tao Nairobi tamin'ny volana Janoary 2007 ny Pambuzuka, gazetibokim-baovao Afrikana izay miasa mampiroborobo ny fanovana ara-tsosialy  [4]any Afrika. Ny hira ao amin'ny fandraketam-peo dia avy amin'ny Hope Raisers sy i  Freddy Macha [5] ilay Tanzaniana poeta, mpanoratra, mpihira.

Praye's “da bomb”

Oluniyi David Ajao [6] nanao lahatsoratra tamin'ny fiafaran'ny volana Janoary momba an'i Praye [7], tarika high life (fiainana ambony) [8] Ghaneana. Rehefa nanontaniana momba ny dikan'ny anaran'ny tarika i Eugene Baah, iray amin'ireo mpikambana, dia nilaza hoe:

Well, we chose the name Praye because this in English means a broom and since a broom is a tool for sweeping, we are also here to sweep the social vices through our music

Eny, nifidy ny anarana Praye izahay satria midika hoe kifafa amin'ny teny Anglisy izay ary satria fitaovana enti-manadio ny kifafa, eto ihany koa izahay mba hamafa ny ratsy ara-tsosialy amin'ny alalan'ny hiranay

Ary izany no hananan'izy ireo. Niditra tao Afrika Andrefana voalohany ny Praye  [9]nandritra ny fifaninanana fikarohana talenta 2004, Nescafe African Reveleation [10], izay notohanan'ny Nescafe ary avy eo nanohy nandresy tamin'ny loka Kora [11], karazandrazan'ny Grammy Afrikana. Namoaka rakikira vaovao tamin'ny taona 2007 antsoina hoe “The Bomb” izay nalaza tamin'ny onjam-peo Ghaneana i Praye ary nahazo fandefasana be dia be. Azo jerena ao amin'ny Youtube [12] ny lahatsarin'izy ireo ary azo vidiana amin'ny marika Big Ben Music ny hiran-dry zareo.

Zimbabwe in North America (Zimbaboe ao Amerika Avaratra)

Mandritra izany fotoana izany, misy ny vaovao mahafinaritra ho an'ireo mpankafy hira Zimbaboeana. Soundroots.org manoratra [13] fa tonga any Olympia, Washington amin'ny fahavaratry ny taona 2007 ny ZimFest 2007 [14], fetin'ny mozika Zimbaboeana maharitra 3 andro.

The festival runs August 24, 25, and 26 and will be hosted at South Puget Sound Community College (incidentally the same location as the World Sacred Music Festival in February

Mandritra 24 sy 25, ary 26 aogositra ny fetibe ary hotontosaina ao amin'ny South Puget Sound Community College (fifandrifian-javatra satria dia toerana nanaovana ny Fetiben'ny Hira Masina Manerantany tamin'ny Febroary koa izany

Raha mbola eo am-pamaranana ny fandaniana rehetra amin'ny hetsika, mampanantena fetibe ho an'ireo mpankafy monina any Pasifika Avaratra-andrefana ny hetsika.

The new kid on the block

Etsy andaniny ao amin'ny kontinanta Amerikana Tavaratra, ahitana tranonkalam-baovao mitantara mozika Afrikana, Eoropeana ary Amerikana  Tatsimo ao anatin'ny fahasamihafana i Calabash Music [15], ao an-tanànan'i New York. Manasongadina ilay kintan'ny mozika Zimbaboeana, Thomas Mapfumo ho toy ny iray amin'ireo mpira-miasa aminy [16], mikendry ny hampiroborobo ny Varotra Ara-drariny  [17]eo amin'ny fandraharahana ara-mozika ny tranonkala

Notsongaina tao amin'ny pejy “Mombamomba [18]” ny tranonkala

Calabash Music™ is the ultimate global music destination giving easy access to all the great, but hard-to-find, music from around the world. We’re providing you with the most unique and broadest based international catalog – served the way you like it, via the Internet.

Calabash Music ™ no toeran-kira faratampony manerantany manome fahafahana miditra mora foana amin'ny mozika goavana manerantany, saingy sarotra hita. Manolotra anao ny katalaogy iraisam-pirenena midadasika indrindra sy tsy manampaharoa indrindra izahay – atolotra amin'ny fomba itiavanao azy, amin'ny alalan'ny aterineto.

Ny Calabash Music dia ahitana ny santionan'ny hira vaovao tsy misy DRM isan-kerinandro mba hotrohan'izay olona te-hianatra bebe kokoa momba ny mozika amidin-dry zareo.

Manana mpitondra fanilo vaovao ny hip hop Swahili 

Volana iray ho an'ny famoahana vaovao marobe ihany koa ny Janoary, anisan'izany ny famoahana ny rakikira voalohany an'ilay mpiangaly rap Muki Garang [19] tamin'ny aterineto, izay azo jerena ao amin'ny bilaoginy ny hira mifangaro. Fifangaroan'ireo sangan'asa orizinaly mahazatra ny rakikirany, sketch sy feo amin'ny zavamaneno saingy singam-pamokarana miavaka sy asam-peo mitantara ireo olana lehibe ara-tsosialy atrehan'ny tanora Kenyana – ny tsy fisian'ny asa sy ny tsy fandriampahalemana ny hirany orizinaly

Ny fanontaniana mazava ho azy dia hoe: misy ifandraisany amin'ilay Sodaney tia tanindrazana John Garang [20] ve i Muki. Tamin'ny fanehoan-kevitra navelan'i Muki tao amin'ny blaogiko ao amin'ny ntwiga.net [21], hoy i Muki

… i am not i son to the Late Hon. Dr. Col. John De Mabior Garang.I am a follower of his,one who identifies with the struggle he went through and sacrifice of all other endevours, inorder to emancipate oppressed southerners.I chose to identify with the struggle.My names originate from mythical work to trace my ancestry and to establish my aspirations as a leader.Hiphop is my guide through that part

… tsy izaho no zanakalahin'i Hajaina Dr Col. John De Mabior Garang. Mpanara-dia azy aho, izay fantatra amin'ny tolona nandalovany sy nanaovany sorona tamin'ireo ezaka hafa rehetra, mba hisorohana ny fanandevozana ny tatsimo. Nifidy ny hotondroina amin'ny tolona aho. Avy amin'ny asa miendrika angano ny anarako mba hamantarana ny razambeko ary hametrahana ny faniriako ho mpitarika. Ny Hip Hop no mpitarika ampahany ahy amin'izany

Azonao atao ny mahita ny kasety mix ambiny ao amin’ity rohy ity [22]. Ataovy izay hahenoina ny sangan'asan'i Shida zetu za kawaida (teny Swahili midika hoe “ny olantsika isan'andro”) sy ny Upuzi (midika hoe “tsy misy dikany”).

Blaogy vaovao

Manana tranokalam-baovao mitantara ny mozika manerantany ny SONY Canada, anisan'izany ny  fampisehoana mivantana goavana avy amin'ireo mpanakanto Afrikana izay azo jerena ao amin'ny The Dusty Foot [23]. Anisan'ireo mpanakanto sy tarika nasaina tamin'ny herinandro lasa ny tarika Exodus. Manana bilaogy [24]ihany koa ny Dusty Foot. Raha mifantoka amin'ny kolontsaina Somaliana ny tranonkala, mitantara fitaovana amin'ny endriny rehetra momba ny haikanto tahaka ny poezia sy ny zavakanto izy.

Ho an'ireo mpankafy hip hop te-hihaino zavatra hafa, manana fifangaroan-kira vaovao-Anga Banga State of Mind [25] azo trohana i MsaaniXL sy ny ekipan'ny Beneath the Surface (BNTS). Tsara trohana sy henoin'izay te hankafy ny hip hop na rap Afrikanina [26]ny angona ahitana ny sangan'asan'ireo mpanakanto avy ao Mozambika, Ogandà, Afrika Atsimo, Kenya, UK sy Etazonia ankoatra ny hafa.

Farany, ny Muso [27] dia bilaogy mitantara momba ny mozika/indie Afrikana Tatsimo izay teo foana hatramin'ny Martsa 2006. Nandritra ny roa volana farany teo, nitantara momba ireo tarika Afrikana Tatsimo maromaro ny tranonkala, anisan'izany ny Benguela [28], olona telo mpiangaly jazz izay efa rava, Rakikira Dylan Von Wagner 2006 Infinity, Clap your hands say yeah an'ny Some Loud Thunder [29] ary ny eat this an'ny unit r. [30]

Ho famaranana, andeha hirary soa an'i Matt ao amin'ny Matsuli [31] izay tsara vakiana tokoa ny bilaoginy ho an'izay rehetra liana tamin'ny hira afrikana talohan'ny taona 1990, Happy Birthday satria feno herintaona [32]amin'ity herinandro ity ny tranonkalany.

Izay no tamin'ity. Amin'ny manaraka indray.