- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Amin'ny fanoherana ny zon'ny pelaka, miara-dalana mba hisara-kevitra kokoa ny solontenan'ny mpitondra fivavahana avy ao Trinite sy Tobago

Sokajy: Karaiba, Trinite sy Tobago, Fivavahana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT), Zon'olombelona
[1]

Ampahany amin'ireo vahoaka nijanona teo anoloan'ny Lapan'ny Fitsarana tao Trinité Tao amin'ny Seranan'i-Espaina tamin'ny 12 aprily 2018 taorian'ny didim-pitsarana navoakan'ny Fitsarana Ambony nirona tamin'i Jason Jones. Nitory ny fanjakana i Jason Jones, nandresy lahatra fa mifanohitra amin'ny zony araka ny Lalàmpanorenana ny lalànan'ny “sodomia”. Sarin'i Maria Nunes, nahazoana alàlana avy aminy.

Roa volana lasa izay, nanambara [2] ny mpitsara iray ao amin'ny Fitsarana Ambony ao Trinite sy Tobago fa “tsy mifanaraka amin'ny lalàm-panorenana” [3] ny ampahany amin'ny Lalàna mifehy ny fandikan-dalàna ara-nofo [4] manasazy ny firaisan'ny samy olon-dehibe any amin'ny lava-pitombenana; androany, misy vondrona mpitondra fivavahana milaza fa hanohitra mafy [5] ny fampidirana ny fanambadian'ny mitovy taovam-pananahana sy ny fanitsiana ny lalàna mifandraika amin'ny fitoviana [6] izay miaro ny vitsy an'isa ara-pananahana.

Hita amin'ity vondrona ity ny arseveka katolika Jason Gordon, ny solontenan'ny fivavahana miozolomana sy kristiana evanjelika ary Satnarayan “Sat” Maharaj, sekretera jeneralin'ny fikambanana Haindò Sanatan Dharma Maha Sabha

Tsy dia niray hevitra foana ireo tompon'andraikitra ara-pivavahana: Nandidy an'i Joseph Harris, nitondra talohan'i Gordon, i Maharaj izay fantatra amin'ny toetra mampiady hevitra, tamin'ny Mey 2016, hoe “ny raharahanareo iasana saina” [7] [mg] eo amin'ny sehatry ny fampanambadiana ankizy. Ho azy, resaka manokan'ny fiarahamonina Haindò sy ny fanjakana izany. Nanomboka teo, nambara ho tsy ara-dalàna [8] ny fanambadian'ny zaza tao Trinite sy Tobago.

Saingy nahita hevitra iraisana ny vondrona tao amin'ny fandaharantenin'ny biôlôjia sy ny lahy/vavy: “Adam sy Steve” sy “ny rafi-piarahamonina” — ny firafitry ny fianakaviana nentin-drazana — “ambanan-doza”. Jason Jones, izay nitory ny fanjakana tamim-poahombiazana tamin'ny fanoherana ny lalànan'ny “sodomia”, ary niantso ny hevitr'izy ireo ho “maharikoriko”. [9]

Nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety izay “notohanana [5]” fikambanana iray tsy miankina antsoina hoe Rebuild TT, niantso [10] ireo mpanao politika ireo solontenan'ny mpitondra fivavahana mba hanova ny lalànan'ny fanambadiana, maro an'isa manokana mba isorohana ny fanekena ho ara-dalàna ny fanambadian'ny mitovy fananahana. Manohitra ny fanitsiana izay mety ho atao amin'ny lalànan'ny fitoviana herijika [6] ihany koa izy ireo.

Toa nanambara [11] ny Arseveka Katolika fa “tsy tokony hametraka ny fitakiany ny vitsy an'isa madinika be tabataba”. Nolazainy ihany koa fa mampiseho ny fomba fijerin’ ny 90 isan-jaton'ny mponina ao Trinite sy Tobago ny fomba fijerin'ny vondrona, saingy tsy nisy loharanom-baovao notononiny anehoana io isa [12] io.

Raha inoana ny isan'ireo tsikera natao tao amin'ny tranonkala, dia tokony ho anisan'ny “10% sisa” ireo mpampiasa ny tambajotra sosialy — mihevitra ny ankamaroan [13]‘izy ireo fa diso laharam-pahamehana ireo fikambanana ara-pivavahana ary tohina amin'ny fihatsarambelatsihin'ny hevitra ijoroany [14], raha jerena ny tantaram-piainan'izy ireo manokana sy ny lasan'ny fikambanana isoloan'izy ireo tena.

Naneho hevitra tao amin'ny twitter ilay mpanao gazety Judy Raymond:

Manao izay azonareo atao mba hampihenana ny vono olona, fametavetana ny ankizy, herisetra an-tokantrano, adin'ny andian-jiolahy, ny tsy fananana fialofana, fandrahonana ny fahalalaham-pitenenana, ny hantsana amin'ny karama, ny kolikoly,… Eh! Zava-dehibe kokoa ny fampiasana ny fitarihanareo hibaiko hoe iza no manan-jo na tsia hifankatia.

Raha ny amin'i Kejan Haynes mpiara-miasa aminy, nisioka izy hoe:

Androany, eto Trinite sy Tobago, mpivady mitovy fananahana ampolony no nifampiteny “tiako ianao ” ary nanohy ny androny tahaka ny hoe tsy nisy na inona na inona nitranga.

Any an-toeran-kafa, nisy lehilahy iray nanakenda namono hahafaty ny vehivavy vadiny talohan'ny namonoany tena.

Eritrereto hoe iza amin'ireo tranga roa ireo no hitan'ny solontenantsika ara-pinoana ho raharaha maika ho an'ny firenena.

Niely be tao amin'ny twitter sy ny tambajotra sosialy hafa ny fandraisana anjara an'i Hayne. Raha nanasa azy hanamarina ny fanakianany ireo mpitondra fivavahana ny mpisera twitter iray, nanontany raha midika hoe tsy mahazaka milefitra ny tsy fitoviana finoana aminy, dia namaly izy hoe:

Raha miezaka mafy ianareo hisoroka ny olona iray tsy hahazo ny zo fototra amin'ny maha olombelona dia eny, tsy mahazaka milefitra ianareo.

Tezitra [19] mafy ihany koa i Patricia Worrell, mpampiasa Facebook iray:

And on the news tonight, what do I see but Archbishop Jason Gordon holding hands with Sat Maharaj in a common stance of religious leaders against gays, who are, they say, degrading the moral fabric of our society.

In a totally unrelated story, I see Pope Francis has accepted the resignation of Chilean bishops who were involved in covering up a child sex abuse scandal

However, it seems the clergy of the Catholic Church have been contributing their own widow’s mite to moral fabric disintegration in different parts of the world, Jason….How will you act on that? What do you say?

#lethewhoiswithoutsincastthefirststone [20]

Ary amin'ny vaovao androany alina, inona no ho hitako fa tsy ny arseveka Jason Gordon mifampitantana amin'i Sat Maharaj niaraka tamin'ny solontenan'ny mpitondra fivavahana manohitra ny pelaka, izay, lazain-dry zareo fa manimba ny toetsain'ny fiarahamonintsika.

Tantara hafa mihitsy, hitako ny Papa Fransoà nanaiky ny fametraham-pialan'ireo Shiliana eveka tafiditra tamin'ny fanafenana ny tantara ratsin'ny herisetra ara-nofo nihatra tamin'ny ankizy.

Na izany aza, toa ny mpitondra fivavahana tao amin'ny Fiangonana Katôlika no nandray anjara tamin'ny faharavan'ny toe-tsaina tamin'ny faritra maro tamin'izao tontolo izao, Jason… Ahoana ny ho fihetsikao manoloana izany? Inona no lazainao?

Tillah Willah namoaka ny sarin'ny solontenan'ireo mpitondra fivavahana, niampy izao fanehoan-kevitra [21] izao :

Like heroes from a fairytale! Our very own dwarves Backwardo and Rapey, Pedo and Gropey, Grabby and Hatey. Here they are, mustering the remnants of their erectile tissue, to dig a hole back to the surface. Past the destroyed lives of child brides, the broken bodies of thousands of women forced to pray for their abusive partners, generations of boys abused by priests.
We're saved y'all. We're safe.

Tahaka ireo maherifon'ny angano, ry botry tratra aoriana, mpanolana, mpanadala zaza tsy ampy taona sy mpanabojaboja vatan'olona, mpisambotra sy mpankahala. Eo ry zareo, manangona ny hoditra mitsangan-dry zareo mba handavaka hahatratra ny ivelany, manavatsava ireo zaza efa lasa vady simba fiainana, vatana feno ratra an'ireo vehivavy an'arivony voatery mivavaka ho an'ny vadin'izy ireo mpanararaotra, andian-taranaka kilongalahy nampijalian'ny pretra. Voavonjy izahay. Voaaro izahay.

Ary  mazava ho azy, nisy ny sary-sy-soratra. Ny iray amin'ireo naka tahaka ilay sarimihetsika “Justice League” [Ligin'ny Rariny] ary niantso ilay vondrona hoe “Injustice League [Ligin'ny Tsy Rariny]: nivondrona ireo solontenam-pivavahana mba hampiseratsaraka an'i  T&T indray mandeha tsy miverina!”:

Sary-sy-soratra iray hafa nampandray volontany avy amin'ny horonantsarin'ilay mpihira amerikana Chidich Gambino hoe  “This is America” [25] mampiseho ny arseveka manondro fiadiana eo amin'ny saina miloko avana.

Izao i trinite

Farany, nanoratra [28] tao amin'ny iray amin'ireo fanehoan-kevitra izay nampieritreritra indrindra tamin'ny lohahevitra ilay poeta Shivanee Ramlochan hoe:

Faulty men have run religion since we could trace the sign of the cross in the rich, lifegiving dirt. Men have always been asking themselves, ‘What Would Jesus Do?’, then they have done the opposite, in Jesus’ blood-consecrated name. In Shiva’s. In the Prophet’s. The men who spoke compellingly of the need to refuse your rights today – those men not only work at cross-purposes to each other, they work at the ultimate cross-purpose: a refutation of the love that a benevolent God promises his children. They may speak for the ordering of their religious houses. But we know that that is not where you find God. They may denounce the worthiness of your moral constitution, and declare you members of a fringe, rogue group, one with a collective big mouth. But that is what maximum oppressors have always done. With muzzles. With inverted swastikas. With the promise of Hell, and the punishment of disenfranchisement, disrepute, and death. And everywhere, from Stonewall to Georgetown, we who are called rebels raise our hands, our persistently queer fists to the firmament from which raineth the rain of God, equally on us all, to say, you can’t kill us out of the rights we deserve. Some of us. Not all.

We are much more than ten percent. […]

My dear, queer friend, when you decide how you love God. Whether as a man who died on a cross. A serpent-tongued, blackskinned Goddess necklaced by skulls. A samaan tree. […] When you find your God, and your God finds you. When you commit yourself to that loving service, in all its light, dark and complication. No holy man can lay his tongue against you without also revealing the rot of his heart. No judgement issued from your body of worshippers – who, you plainly see, are not your family in love, but your acquaintances in enmity – can so much as blister the smallest dot on your soles.

They may throw you out. They may disown you. They may raise their hands against your body and reject you at the doors to your place of work. But if you want him. If you want her. They cannot take your God from you. They can only rob themselves.

Nanjaka teo amin'ny fivavahana ny lehilahy mpanao fahadisoana hatramin'ny nahitantsika ny famantarana lakroa tao anatin'ny fahalotoana betsaka sy lonaka. Nanontany tena foana ny olona hoe: “Inona no hataon'i Jesoa?” Avy eo izy ireo dia nanao ny mifanohitra amin'izany, amin'ny anaran'i Jesoa voahosotry ny ra. Amin'ny anaran'i Shiva. Amin'ny anaran'ny Mpaminany. Ireo olona mandresy lahatra antsika fa mila miala amin'ny zontsika isika ankehitriny. Tsy vitan'ny hoe mifanohi-kevitra ireo olona ireo fa mitarika amin'ny fifanoheran-kevitra faratampony: ny fandavana ny fitiavana izay nampanantenain'Andriamanitra mpiahy ny zanany. Mety hoe miteny ho an'ny fivavahan'izy ireo manokana izy ireo. Saingy fantatsika fa tsy ao amin'izany Andriamanitra. Azony atao ny miampanga ny soatoavinao, ary manambara fa mpikambana ao amin'ny vondrona anjorom-bala ianao, vondrona jiolahimboto, manana feo mahery. Fa izany foana no nataon'ireo mpampahory. Miaraka amin'ny fanapenam-bava. Miaraka amin'ny swastikas navadika. Miaraka amin'ny fampanantenana afobe sy ny famaizana ny fanesoram-pananana, ny fanaratsiana ary ny fahafatesana. Ary na aiza na aiza, hatrany Stonewall ka hatrany Gorgetown, isika, izay antsoina ho mpikomy, manangana ny tanantsika, ny totohondrintsika pelaka tanteraka, mankany amin'ny habakabaka ilatsahan'ny orana avy amin'Andriamanitra, amin'ny rehetra tsy misy anavahana, mba hilazana hoe tsy afaka mamono anay noho ny zo mendrika anay ianareo. Ny sasany aminay fa tsy izahay rehetra.

Mihoatra ny folo isanjato isika […]

Ry namako pelaka, rehefa manapa-kevitra ianao hoe ahoana no itiavanao an'Andriamanitra. Na ilay lehilahy maty teo amin'ny hazo fijaliana izany. Na andriamanibavy  mainty manana lelan'ny bibilava mitondra firavaka voaravaka karandoha. Hazon'ny orana.[…] Rehefa hitanao ny Andriamanitrao ka mahita anao Izy. Rehefa manolo-tena ianao ao amin'ity biraon'ny fitiavana ity, amin'ny fahazavany rehetra, ny aloka sy ny fahasarotany. Tsy misy olon'ny Fiangonana afaka manompa anao raha tsy mampiseho ny lò ao am-pony. Tsy misy fitsarana navoakan'ireo mpino antsika — izay,  araka ny hitanao, fa tsy fianakaviantsika ara-pitiavana, fa olom-pantatra ao amin'ny fifanandrinana —  tsy afaka mampisy bontsina amin'ny faladianao.

Afaka mandroaka anao any ivelany ireo, afaka mandà anao. Afaka mikapoka anao sy mandroaka anao amin'ny asanao. Fa rehefa mila azy ianao. Tsy afaka manala anao amin'ny Andriamanitrao ireo. mifangalatra fotsiny no azon'izy ireo atao.

Nilaza ny governemantan'i Trinité-sy-Tobago fa mbola hampiakatra [29] ny fitsarana mikasika ny sodomia. Misy fotoam-pitsarana iray fanampiny amin'ny 4 Jolay 2018 ary mbola manantena zavatra tsara [30] i Jones; manantena izy fa hanohana indray ny fampidirana ny vondron'olona marefo ao anatin'ny lalànan'ny fitoviana herijika [31] ilay vaomieran'ny fitoviana herijika [32] (Equal Opportunity Commission, EOC) izay nanohana ity raharaha ity.